Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe: "Fantaro tsara fa raha fantatry ny tompon-trano ny ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy, fa tsy hamela ny tranony hotamìna. Koa mivonòna koa ianareo, fa ho avy amin’izay ora tsy hampoizinareo ny Zanak’Olona." Dia hoy i Piera taminy: "Tompoko, ho anay ihany va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ho an’ny olona rehetra koa?" Ary hoy ny Tompo: "Iza moa no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana? Sambatra izany mpanompo izany raha tratry ny tompony manao tahaka izany raha avy izy. Lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitandrina ny fananany rehetra izy. Fa raha izany mpanompo izany kosa, manao anakampo hoe: ‘Ela vao ho avy ny tompoko’, ka amin’izany dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy, sady mihinana sy misotro ka mamo, dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany, ka hataony rotiky ny kapoka izy, ary homeny anjara any amin’ny mpanompo ratsy. Izay mpanompo nahalala ny sitrapon’ny tompony ihany nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitrapony, no hokapohina imbetsaka; fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aoka ho voaetra ny andilanareo, ary ho voarehitra ny jironareo. Manaova toy ny olona miandry ny fotoana hiverenan’ny tompony avy any amin’ny fampakaram-bady, mba hamoha azy miaraka amin’izay raha vantany vao tonga sy mandondòna izy. Sambatra ireo mpanompo tratry ny tompony miambina raha tonga izy; lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony ka hampipetraka azy hihinana, ary ho avy hampihinana azy. Na tonga amin’ny fiambenana faharoa izy, na tonga amin’ny fiambenana fahatelo ka mahatratra azy manao toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo."

Tamin’izany andro izany, nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy, any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: "Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin’ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany. Mandehana; indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia. Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro, ary aza miarahaba olona akory any an-dalana. Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe: ‘Fiadanana anie ho amin’itý trano itý’; ka raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany. Ary mitoera amin’izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano. Ary amin’izay tanàna idiranareo, raha mandray anareo ny olona, dia hano izay atolony anareo; sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe: ‘Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.’"

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niantso ny roa ambin’ny folo lahy ka nilaza hoe:

"Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana. Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo, ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra. Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro".

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe: "Ry Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay hangatahinay aminao". Ary hoy Izy: "Inona no tianareo hataoko aminareo?" Dia hoy ireo: "Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao ary ny anankiray eo ankavianao any amin’ny voninahitrao". Ary hoy i Jesoa taminy: "Tsy fantatrareo izay angatahinareo; moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo, na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?" Hoy ireo taminy hoe: "Zakanay". Fa hoy kosa i Jesoa: "Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa, ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa; fa raha ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany". Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany; fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe:

"Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana. Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo, ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra. Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Na iza na iza hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona dia hoeken’ny Zanak’Olona koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra; fa izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona kosa dia holavina koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra. Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’Olona dia hahazo famelan-keloka ihany, fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka intsony. Raha entina ho any amin’ny Sinagôga sy ny mpifehy ary ny manam-pahefana ianareo, dia aza manahy izay hamalianareo na izay holazainareo fa hatoron’ny Fanahy Masina anareo eo no ho eo ihany izay holazainareo."

Tamin’izany andro izany, tafangona an’arivony maro ny olona ka efa nila hifanosy mihitsy, dia niteny tamin’ny mpianany i Jesoa nanao hoe: "Tandremo aloha indrindra sao voan’ny lalivain’ny Farisianina ianareo, izany hoe: ny fihatsarambelatsihy. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. Koa izay rehetra nolazainareo tao amin’ny maizina dia ho re ao amin’ny mazava, ary izay nobitsihinareo tamin’ny sofina tao an-trano, dia hotorìna eny an-tafon-trano. Ka izao no lazaiko aminareo sakaizako: Aza matahotra izay mahafaty ny nofo, nefa rahefa izany tsy afa-manoatra intsony; fa hany tokony hatahoranareo dia izao: matahora izay manam-pahefana hamarina any amin’ny afobe rahefa novonoiny ianareo; eny, hoy Aho aminareo, matahora azy. Moa tsy ilavoamena va no vidin’ny fody dimy? Kanefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra amin’ireny na dia iray aza. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra àry, fa mihoatra lavitra noho ny fody maro ianareo."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Farisianina sy ny nipanora-dalàna nanao hoe: "Loza ho anareo, fa manao fasana ho an’ny mpaminany ianareo, kanefa ny razanareo ihany no namono azy! Koa mitsangan-ko vavolombelona sy mpankasitraka ny nataon’ny razanareo ianareo, fa izy moa namono ny mpaminany, ianareo kosa manao fasana ho azy. Izany no nanaovan’ny fahendren’Andriamanitra hoe: "Haniraka mpaminany sy Apôstôly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny ary ny sasany hoenjehiny, mba hampamoahina an’itý taranaka itý avokoa ny ran’ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin’ny nahariana an’izao tontolo izao. Dia hatramin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria izay novonoina tanelanelan’ny ôtely sy ny tempoly." Eny, lazaiko aminareo fa hampamoahina an’izany tokoa itý taranaka itý. Loza ho anareo, ry mpampianatra ny Lalàna, fa nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana, ka ianareo tsy niditra, ny te-hiditra nosakananareo." Raha mbola niteny izany Izy, dia nododonan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna, ary nozezehany fanontaniana maro, mba hamandrihany Azy sy hahazoany vava latsaka hiampangana Azy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza hoe: "Loza ho anareo, ry Farisianina, satria ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo, ary ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory; nefa tsy maintsy atao izany, ary tsy azo ajanona koa ny sisa. Loza ho anareo, ry Farisianina, fa tia ny toerana voalohany ao amin’ny sinagôga sy ny arahaba eny an-kianja ianareo. Loza ho anareo, fa toy ny fasana tsy hita ianareo, ka hitsahin’ny olona fa tsy fantany." Dia niteny ny mpampiana-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: "Ry Mpampianatra ô, raha izany no ataonao, dia manala baraka anay koa Ianao." Fa hoy i Jesoa: "Loza ho anareo koa, ry mpampianatra ny Lalàna, fa mampitondra entan-tsy zaka ny olona ianareo, nefa na dia ny rantsan-tananareo iray aza tsy akasikareo an’izany akory."

Tamin’izany andro izany, dia nisy Farisianina anankiray nanasa an’i Jesoa hisakafo ao aminy, ka niditra Izy dia nipetraka nihinana. Fa velona eritreritra ilay Farisianina nahita itý Izy tsy nisasa alohan’ny fihinanana, ka hoy ny Tompo taminy: "Ianareo Farisianina kosa iky mandio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, kanefa ao anatinareo feno halatra sy faharatsiana. Ry adala, moa izay manao ny vohony tsy manao ny atiny koa? Izao ihany: manaova fiantrana araka izay anananareo, dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra."

Tamin’izany andro izany, nony nivoaka handeha i Jesoa, dia nisy lehilahy anankiray nidodododo nandohalika teo anatrehany, ka nanontany Azy hoe: "Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Nahoana no ataonao hoe tsara aho? Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery. Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina, aza manambaka, manajà ny rainao aman-dreninao". Dia hoy ny navaliny Azy: "Mpampianatra ô, hatry ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany". Ary nijery azy i Jesoa, dia tia azy ka nanao taminy hoe: "Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao, ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy". Nampahory azy izany teny izany satria nanan-karena be izy, ka niala tamin’alahelo. Ary nijerijery manodidina i Jesoa ka nanao tamin’ny mpianany hoe: "Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!" Nony gaga tamin’izany teny izany ny mpianany, dia hoy indray i Jesoa taminy: "Sarotra, anaka, ny hidiran’izay miankina amin’ny harena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra". Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe: "Iza àry no mety ho voavonjy?" Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe: "Amin’ny olombelona zava-tsy vitany izany; tsy mba toy izany amin’Andriamanitra, satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra".

Ary hoy i Piera taminy: "Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao". Dia hoy ny navalin’i Jesoa azy: "Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely, ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’ity fiainana ity, dia trano, rahalahy, anabavy, ray, reny, zanaka, tany, na dia ao anatin’ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy".

Tamin’izany andro izany, nisy vehivavy anankiray niantso teo afovoan’ny vahoaka ka nanao tamin’i Jesoa hoe: "Sambatra ny kibo izay nitondra Anao, sy ny nono izay ninonoanao!" — "Fa vao mainka sambatra aza, hoy i Jesoa, izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy."

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...