Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona ka nafeniny tao ihany aloha; dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany, ary nividy io saha io. Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara. Ary nony nahita anankiray be vidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy."
Tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, dia lasa marainakoa mbola maizina nankany amin'ny fasana i Maria Madelenina, ka nahita fa voaesotra tamin'ny fasana ny vato. Nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana izy. Ary teo am-pitomaniana, dia niondrika izy ka nahita anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka tao amin'izay nipetrahan'ny vatan'i Jesoa, ny iray teo an-doha ary ny iray teo an-tongotra. Dia hoy izy ireo taminy : "Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?" Ka hoy izy namaly ireo : "Satria nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy". Nony avy nilaza izany izy, dia nitodika, ka nahita an'i Jesoa nitsangana teo, nefa tsy fantany hoe i Jesoa io. Ary hoy i Jesoa taminy : "Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao? Iza no tadiavinao?" Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy : "Raha ianao re no naka Azy, tompoko, mba atoroy ahy kely izay nametrahanao Azy, hangalako Azy". Dia hoy i Jesoa taminy : "Ry Maria!" Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe : "Rabóný!" (Izany hoe Mpampianatra). Hoy i Jesoa taminy : "Aza mikasika Ahy, fa mbola tsy niakatra tany amin'ny Raiko Aho, fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe : Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary any amin'ny Andriamanitro sy Andriamanitrareo!" Dia lasa i Maria Madelenina ka nilaza tamin'ny mpianatra hoe : "Efa nahita ny Tompo aho, ary izany no nolazainy tamiko".
Nankalazaina ny 27 jona 2021 ny taom-bolafotsin'ny Radio Don Bosco. Onjam-peo naorin'ny salezian'i Don Bosco tamin'ny taona 1996. Teny manentana mandritra ny fankalazana ny hoe : "Firotsahana sy hafaliana : mandehana mampianara ny firenen-drehetra" (Mt 28, 19).
♦ Nankahery ireo pretra Karma vao nohamasinina omaly, i Mgr Rosario Vella, mba tsy ho kivy manoloana ireo fakam-panahy amin'ny maha olombelona... ♦ Nanentana ny fiaraha-miasan'ny lahika sy ny pretra, ny arsevekan'Antsiranana, Mgr Benjamin Marc Ramaroson, nandritra ny fanamasinana ireo pretra efatra mirahalahy, tany Sambava... ♦ Nanao antso avo ho an'ny tanora, ny Kardinaly Tsarahazana Désiré, mba hanome lanja an'Andriamanitra sy ho modely ho amin'ny fiainana, nandritra ny fanamasinana ho pretra ireo tanora efatra mirahalahy avy amin'ny fikambanana Oblats de Marie Immaculée, tao Toamasina...
Tamin’izany andro izany, nony efa nampody ny vahoaka i Jesoa dia mba nody, ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: "Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny ahi-dratsy." Ary i Jesoa namaly ka nilaza taminy hoe: "Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’Olona; ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny Fanjakana; ny ahi-dratsy dia ny zanak’ilay Ratsy; ny fahavalo izay namafy azy, dia ny demony; ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan’izao tontolo izao; ary ny mpijinja, dia ny Anjely. Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao. Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’Olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala amin’ny Fanjakany, ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Amin’izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny Fanjakan’ny Rainy. Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana."
Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana hafa tamin'ny vahoaka nanao hoe : "Ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny voatsinapy izay nalain'ny olona ka nafafiny tany an-tanimboly. Kely indrindra amin'ny voan-javatra reheta izy ; fa rehefa mitombo kosa, dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo ; dia avy ny voromanidina mipetraka ao amin'ny rantsany". Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy hoe : "Ny fanjakan'ny lanitra, dia mitovy amin'ny lalivay, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka natony tao amin'ny koban-dafarina intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny lalivay azy rehetra".
Fanoharana no nilazan'i Jesoa izany rehetra izany tamin'ny vahoaka, ary Izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin'ny fanoharana, mba ho tanteraka ny tenin'ny mpaminany manao hoe : Hiloa-bava hilaza fanoharana aho, ary hanambara zavatra izay miafina hatramin'ny nanaovana an'izao tontolo izao.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana hafa tamin’ny vahoaka koa, nanao hoe: "Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy izay namafy voa tsara tamin’ny taniny; fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony, ka namafy voan’ahidratsy tamin’ny vary, dia lasa. Nony naniry ny vary, ka niteraka, dia nitranga koa ny ahi-dratsy. Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe: "Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao, ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?" "Ny fahavaloko no nanao izany", hoy ny navaliny. "Tianao va ny handehananay hiava azy?" hoy ireo mpanompony taminy. "Tsia, hoy izy, fandrao hongotanareo mbamin’ny vary, raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo. Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana; fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe: Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana; ary angony ho any an-tsompitra ny vary."
♦ Nanentana ny Salezianin'i Don Bosco hanana faharetana ombam-panetren-tena amin'ny fanompoana ny tanora i Mgr Rosario Vella, tamin'ny fanokafana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Salezianin'i Don Bosco teto Madagasikara, ny alarobia lasa teo... ♦ Voatendry ho Visiteur provincial an'ny fikambanana Congrégation de la Mission (Lazarista) eto Madagasikara i Mompera Farasely Gaston...
Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin’i Tsiroanomadidy i Mgr Gabriel Randrianantenaina. Efatra taona lasa izay no nanendrena an’i Mgr Gustavo Bombin Espino, evekan’io dioezy io teo aloha ho evekan’i Maintirano. Ny alahady 11 jolay 2021 no nanatanterahana ny fanamasinana azy ho eo amin’ny laharana mahaeveka, tao amin’ny kianjan’ny lisem-panjakana, tao amin’ny renivohitry Tsiroanomandidy.
“Faharetana ombam-panetren-tena, fahazotoana mikarakara ny tanora, fiainana ny voady telo maha-relijiozy” : Ireo no votoatin’ny hafatr’i Mgr Rosario Vella, eveka salezianina, isan’ireo mpamaky lay ny salezianina teto Madagasikara, tamin’ny fanokafana ny fankalazàna ny faha-40 taona ny nahatongavan’ny Salezianin’i Don Bosco teto Madagasikara.
♦ "Inty aho tonga hanao ny sitraponao" (Heb 10, 9a), io no teny nofidian'i Cher Frère Julien Ratsimbazafy amin'ny andraikitra vaovao izay sahanin'ny amin'ny maha Visiteur vaovaon'ny fikambanana Lasalianina azy... ♦ Hiantso Sinaody atao ao anatin'ny dimy taona ny Arsidiôsezin'Antsiranana ka hosokafana ny volana ôktôbra izao izany... ♦ Tontosa soa aman-tsara ny fandidiana natao tamin'ny Papa François omaly tolakandro, araka ny fanambarana nataon'ny fiandraiketana ny filazam-baovao eo anivon'ny Fiketrahana Masina...
♦ Hotontosaina ny alahady 11 jolay 2021 ny fanamasinana ho eveka an'i P. Gabriel Randrianantenaina, notendren'ny Papa François ho evekan'ny diôsezin'i Tsiroanomandidy... ♦ Hotanterahana ny sabotsy 3 jolay 2021 eny Soavimbahoaka amin'ny 10 ora maraina ny Sorona Masina fisaorana an'Andriamanitra sy fametrahana araka ny fomban'ny Fiangonana ny maha lehiben'ny Fikambanana Frères des Écoles Chrétiennes an'i Très Cher Frère Julien Ratsimbazafy...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco