Rehefa teraka tao Betilehema any Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, dia indreo nisy Majy avy tany Atsinanana tonga tany Jerosalema nanao hoe : “Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka ? fa efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay, ka nankaty mba hitsaoka Azy”. Raha nahare izany i Herôda mpanjaka, dia taitra izy mbamin’i Jerosalema rehetra, ka namory ny lohan’ny mpisorona rehetra, sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy, ary nanontany azy hoe : “Aiza no hahaterahan’i Kristy ?” Ary hoy ireo taminy : “Ao Betilehema any Jodea, fa izao no voasoratry ny mpaminany : Ary ianao, ry Betilehema tanin’i Jodà, tsy ianao no kely indrindra amin’ny renivohitr’i Jodà, fa avy ao aminao no hivoahan’ilay Mpanjaka izay hifehy an’i Israely oloko”. Dia nalain’i Herôda mangingina ny Majy, ka nohadihadîny fatratra ny andro nisehoan’ny kintana taminy. Ary naniraka azy ho any Betilehema izy nanao hoe : “Andeha ka fotopotory tsara ny amin’ilay Zaza ; ary rehefa hitanareo, dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka Azy”.
Ary rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo dia lasa. Ary indro ilay kintana hitany tany Atsinanana, fa nialoha azy ambara-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zaza. Faly dia faly izy nony nahita ny kintana, ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy i Maria Reniny, ka niankohoka nitsaoka Azy ; ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny, dia nanolotra fanatitra ho Azy izy, dia volamena sy emboka manitra ary mira. Ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin’i Herôda, dia lalan-kafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany.
Izao no nambaran’i Joany Batista raha naniraka mpisorona sy levita, avy tany Jerosalema, hankany aminy ny Jody mba hanontany azy hoe: “Iza moa ianao ?” Nilaza marina izy ka tsy nandà, fa nanao hoe : “Tsy i Kristy aho.” Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe: “Iza àry ? i Elia va ianao ?” Fa hoy izy. “Tsy izy aho.” Dia hoy ireo : “Ilay mpaminany va ianao ?” Fa hoy ny navaliny ; “Tsia.” Ka hoy izy ireo taminy. “Iza àry ianao, mba hitondranay valy amin’izay naniraka anay? Ataonao ho iza ny tenanao ?” Dia hoy izy. “Izaho no feon’ny miantso any an’efitra hoe : Ahitsio ny lalan’ny Tompo, araka izay voalazan’i Izaia mpaminany.” Ary Farisianina ireo iraka ireo. Dia nanontany azy indray ireo ka nanao taminy hoe : “Nahoana àry ianao no manao batemy raha tsy i Kristy ? na i Elia, na ilay Mpaminany ?” Ka novalian’i Joany hoe : “Izaho manao batemy amin’ny rano ; fa eo aminareo misy anankiray tsy fantatrareo, dia ilay avy ao aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny kofehinkapany aza aho.”
Tany Betania an-dafin’i Jordany izay nanaovan’i Joany batemy, no natao izany zavatra izany.
Tamin’izany andro izany, dia nandeha haingana nankany Betilehema ny mpiandry ondry ka nahita an’i Maria sy i Josefa ary ny Zazakely mandry amin’ny fihinanam-bilona ; ary rehefa nahita izy ireo, dia nampiely ny teny nolazaina taminy ny amin’izany Zaza izany. Ary izay rehetra nandre dia gaga avokoa tamin’izay nolazain’ny mpiandry ondry taminy ; fa i Maria kosa nitadidy izany zavatra rehetra izany, ka nieritreritra azy tao am-pony. Ary nody ny mpiandry ondry nidera sy nankalaza an’Andriamanitra noho ny zavatra reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy. Ary rehefa afaka ny havaloan’andro ka hoforàna ny Zaza dia natao hoe Jesoa no Anarany araka ilay nataon’ny Anjely fony tsy mbola notorontoronina tao an-kibo Izy.
27 desambra — Zanak'i Zébédée i Jean araka ny filazan'i Masindahy Matio sy i Marka ary i Lioka, ao amin'ny Evanjely. Mpanarato tao amin'ny farihin'i Tibériade izy, ary mpianatr'i Jean-Baptiste taloha, avy eo nanara-dia an'i Jesoa, Ilay Mpamianatra tiany.
26 desambra — I Masindahy Étienne dia iray amin'ireo diakra fito nofidian'ny Apôstôly, mba hanampy azy ireo tamin'ny asa fanirahana sy ny fitoriana natony. Ao amin'ny boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly toko fahenina sy fahafito no ahitantsika ny tantaram-piainany amin'ny antsipiriany, amin'izany iraka nataony izany, na ny nifidianana azy ho diakra, na ny nisamborana azy.
Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Désiré Tsarahazana. "Raha tiantsika ny ho sambatra, dia tsy maintsy mampanjaka ny marina isika", hoy i Mgr Désiré Tsarahazana tamin’ny firarian-tsoa nataony ho an'ny Malagasy amin’izao Noely izao. Tia antsika rehetra tsy an-kanavaka Andriamanitra, noho izany dia tokony hifanaja sy hanampy ary hiaro ireo marefo indrindra.
Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Paolo Rocco Gualtieri. Nanolotra firarian-tsoa ho an’ny vahoaka Malagasy i Mgr Paolo Rocco Gualtieri, Solotenan’ny Ray masina eto Madagasikara, amin’izao Noely izao.
25 desambra — Ankalazaina amin'ity andro ity ny nahaterahan'i Jesoa, Ilay Zanak'Andriamanitra, Mpamonjy izao tontolo izao. Ny Evanjelin'ny Masindahy Matio sy Lioka no mitantara io fahaterahan'ny Tompo io. Araka ny voalazan'ny Soratra Masina dia i Maria, zanak'i Anne sy i Joachim avy ao Nazareth sy Galilée no renin'i Jesoa. Ary i Joseph, taranak'i Davida no nitaiza azy. Fofombadin'i Maria i Joseph.
24 desambra — I Masimbavy Adèle na i Adela de Pfalzel dia niaina tamin'ny taonjato fahavalo. Ny mpanjaka Dagobert II no rainy. Nanambady an'i Odon izy ary niteraka an'i Albéric. Io Albéric io no rain'i Grégoire d'Utrecht, ilay mpianatr'i Masindahy Boniface.
23 desambra — Teraka tamin'ny taona 1397 tao Kenty, diosezin'i Cracovie, i Jean de Kenty. Anne sy Stanislas no anaran'ny ray aman-dreniny, ary mbola zaza izy dia efa naneho toetra malefaka sy tia vavaka.
22 desambra — Niaina tamin'ny taonjato fahefatra i Masindahy Flavien, préfet de Rome tamin'ny andron'ny amperora Julien izy io. Ireo amperora kristianina dia nankasitraka ny fahendren'ity olomasina ity ka nahatonga azy ireo nanome andraikitra lehibe tao an-tanana.
21 desambra — Teraka ny 8 mey 1521 tao Nimègue, Pays-Bas, i Pierre Canisius. Pierre Kanis no anarany fa antsoina koa izy hoe Canisius satria mitovy ihany ny Kanis sy ny Canisius. Jacob Kanis no rainy ary i Ægidia van Houweningen no reniny. Mpanan-karena tao an-tanana ireo ray aman-dreniny ireo. Fotoana fohy tao aorian'ny nahaterahan'i Pierre no nodimandry ny reniny.
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco