Tamin’izany andro izany, raha niakatra ho any Jerosalema i Jesoa, dia nalainy mangingina ny mpianatra roa ambin’ny folo lahy ka nilazany hoe: "Indro miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak’Olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna, ary ireo hanameloka Azy ho faty, ka hanolotra Azy amin’ny jentily mba hoesoiny sy hokapohiny ary hofantsihana amin’ny Hazofijaliana; fa hitsangana indray Izy amin’ny andro fahatelo." Ary tamin’izany nanatona Azy ny renin’ny zanak’i Zebede mbamin’ny zanany lahy, ka nitsaoka Azy ary nangataka zavatra taminy. Ka hoy i Jesoa taminy: "Inona no irìnao?" Dia hoy izy: "Aoka ireto zanako roa lahy ireto mba hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray, ao amin’ny Fanjakanao." Dia hoy ny famalin’i Jesoa: "Tsy fantatrareo izay angatahinaseo. Moa mahasotro izay kapoaka hosotroiko va ianareo?" Hoy ireo taminy: "Efanay ihany." Ary hoy Izy taminy: "Raha ny amin’ny kapoakako, dia hosotroinareo tokoa; fa raha ny amin’ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako kosa, dia tsy Ahy ny hanome anareo izany, fa homena izay nanamboaran’ny Raiko azy." Ary nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’izy mirahalahy. Fa nasain’i Jesoa hanatona Azy izy ireo, ka nilazany hoe: "Fantatrareo fa ny mpanjakan’ny jentily mandidy azy mafy, ary ny lehibeny mifehy azy fatratra. Fa tsy mba ho tahaka izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo kosa, no aoka ho mpanompo anareo izy, ary izay te-ho lohany aminareo, no aoka ho mpanomponareo: dia tahaka ny Zanak’Olona izany: fa Izy tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka sy ny mpianany nanao hoe: "Efa mipetraka eo amin’ny ipetrahan’i Môizy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina; ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny izy fa tsy manao. Fehezin’izy ireo ny enta-mavesatra sarotra entina, dia atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa izy tsy mety hanetsika izany na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza. Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra, ka dia filakitera lehibebe kokoa sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an’ny olona no entiny. Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin’ny fanasana, ny fipetrahana voalohany amin’ny sinagôga, ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin’ny olona hoe Raby. Fa ianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe Raby, fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra. Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia izay any an-danitra. Aza mety hatao hoe mpampianatra; fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, dia i Kristy. Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo; fa izay hanandra-tena dia haetry, ary izay hanetry tena dia hasandratra."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo. Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo, aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia havela ianareo. Manomeza, dia homena ianareo; fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao am-pofoanareo: fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa."

Ny fifampiresahana sy ny fifanakalozan-kevitra no fomba afahana miala amin' ny fidorohana zava-mahadomelina. (24-02-2021)

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia nentin’ny Fanahy ho any an’efitra, ka nitoetra tany efapolo andro dia nalain’i Satana fanahy sy niara-nitoetra tamin’ny bibidia, ary ny Anjely nanompo Azy. Ary rahefa natao an-tranomaizina i Joany, dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ka nanao hoe: "Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely".

Tamin’izany andro izany, nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka nentiny nitokana tany an-tampon’ny tendrombohitra avo anankiray, dia niova tarehy teo anatrehany Izy. Tonga nanjelanjelatra sady fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany, ka tsy misy mpanasa lamba, mahadio lamba toy izany ety an-tany. Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy, sady niresaka tamin’i Jesoa. Dia niteny i Piera ka nanao tamin’i Jesoa hoe: "Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra aty; aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia". Fa tsy fantany izay nolazainy, satria raiki-tahotra loatra izy ireo. Tamin’izay dia nisy rahona nanarona Azy; ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: "Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy". Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo, nefa tsy nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy. Nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo, dia noraràny tsy hilazalaza amin’olona ny zavatra vao hitany, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona. Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany, sady nifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe: mitsangan-ko velona.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Efa renareo fa voalaza hoe: Ho tia ny namana ianao ary hankahala ny fahavalonao. Fa Izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo; mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo, dia ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina. Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa ho azonareo? Moa va na dia ny poblikanina aza tsy manao izany koa? Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no mihoatra amin’ny ataonareo? Moa na dia ny jentily aza tsy mba manao izany ihany koa? Koa aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo. Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana; ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin’ny Sanedrina ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin’ny gehen’afo. Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao, ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao, ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray. Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao, dieny samy mbola eo an-dalana ianareo, fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao, ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra, ka hatao an-tranomaizina ianao. Lazaiko marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe "Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita; dony, dia hovohana; fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana. Ary iza aminareo no hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny; na hanome bibilava azy raha hazandrano no angatahiny? Koa raha ianareo na dia ratsy aza mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va fa ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa an’izay mangataka aminy? Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ireo vahoaka betsaka nitangorona teo aminy nanao hoe: "Taranaka ratsy itý taranaka itý; mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany. Fa tahaka ny naha-famantarana an’i Jônasa tamin’ny olona tany Niniva no haha-famantarana ny Zanak’Olona koa amin’itý taranaka itý. Hiara-mitsangana amin’ny olona amin’itý taranaka itý ny mpanjakavavy avy any atsimo amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy hihaino ny fahendren’i Salômôna, nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto. Hiara-mitsangana amin’itý taranaka itý ny olona tany Niniva amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka tamin’ny toritenin’i Jônasa izy ireny, nefa indro misy mihoatra noho i Jônasa eto."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha mivavaka ianareo dia aza mba maro teny tahaka ny jentily, fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy. Koa aza manahaka azy ianareo, fa na mbola tsy mangataka aminy aza ianareo, fantatry ny Rainareo izay ilainareo. Koa mivavaha toy izao ianareo: Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao etý an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen. Fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo, dia havelan’ny Rainareo any an-danitra koa; fa raha tsy mamela ny hadisoan’ny olona kosa ianareo, dia tsy havelan’ny Rainareo koa ny hadisoanareo."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...