Nohariana ny zavatra rehetra na ny lanitra na ny tany. Nirahina tety an-tany ny Zanaka ary, rehefa tontosa ny asa nanirahana ny Zanaka dia nirahin'ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina mba hanamasina ny Eglizy. Ny andro Pantekôty no nidinan'ny Fanahy Masina mba honina ao amin'ny Eglizy sy ao am-pon'ny mpino... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Raha tsy manana tanjona mazava ireo mpifankatia dia mety ho fitiavana voapoizina no hifampizaràna. Betsaka ny mpivady no tsy mifankafantatra tsara ka rehefa ao anaty tokan-trano vao tojo olana samihafa. Ny fitiavana dia tokony hanjakan'ny fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra. Ny toerana tsara hanaovana ny vavaka : eo am-baravarana, an-dakozia, efitra fandriana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 06 aprily 2025 ; Alahady faha-5 - taona "D" karemy : FIAINAM-BAOVAO NY PAKA. Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao. Ny teny nivoaka tamin'ny vavan'i Jesoa dia sahala amin'ny sabatra maranitra natsatoka tamin'ny fon'ireo mpiampanga "Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitoraka azy voalohany". Mirongatra ho azy ao anatintsika ny fiheverena mitovy amin'ny farisianina sy ny mpanora-dalàna, mendrika ho saziana mafy ny manao tsy mety, izay valin-teny araka ny fo fotsiny ; amin'i Jesoa anefa dia ilaina ny fandanjalanjàna ny zavatra tokony hatao, fihetsika tsara natao ny hoe tsy hitsara fa hamonjy...
♦ Manoloana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany any Toliara dia misy ny fanambarana navoakan'ny Arsidiôsezin'i Toliara... ♦ Malagasy hatrany amin'ny 240.000 no ho voakasika mivantana amin'ny fanapahan-kevitr'i Etazonia amin'ny resaka haban-tseranana hoy ny Randrana Sendikaly... ♦ Efa ôfisialy izao fa i Madagasikara no handray ny fihaonambe faha-8 ny tanora Afrikaéna mifandray, na ny "Youth Connect Africa Summit", izay ho tontosaina ny volana novambra 2025... ♦ Maherin'ny 39.000 ireo ankizy kamboty vokatry ny ady nanafihan'i Israely tany Gaza, nanomboka ny volana ôktôbra 2023 no mankaty...
• Manoloana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany any Toliara dia misy fanambarana navoakan'ny Arsidiôsezin'i Toliara, entina amintsika eto... • Malagasy hatrany amin'ny 240.000 no hovoakasika mivantana amin'ny fanapahan-kevitr'i Etazonia amin'ny resaka haban-tseranana, hoy ny Randrana Sendikaly... • Efa ofisialy izao fa i Madagasikara no handray ny fihaonambe fahavalon'ny Tanora Afrikana Mifandray, na ny Youth Connect Africa Summit, izay hotontosaina ny volana novambra 2025...
• Efa matipaika ny fandaminana ny fandraisana ny Jobily Nasionaly ao amin'ny Diôsezin'i Miarinarivo... • Tsy maintsy mitady ny very Andriamanitra, hoy ny Papa François, tamin'ny fandalinam-pinoana natolony ny alarobia lasa teo... • Masindahy Joany Paoly II, mpivahiny tsy mahalala sasatra tamin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly...
Mamokatra mangahazo 3 tapitrisa taonina eo ho eo Madagasikara araka ny tarehimarika ny taona 2022. Mahatratra eo amin’ny 7,5 taonina isaky ny hektara ny vokatra miakatra. Manodidina ny 4 hetsy hektara ny tany amokarana mangahazo eto amintsika. Natokana ho sakafon’ny olombelona ny ampahany amin’ny mangahazo eto Madagasikara. Ny 60 isanjato, manodidina ny 8 hetsy sy iray tapitrisa taonina kosa dia natao ho sakafon’ny biby fiompy...
Ny 23 avrily no andro fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny mpanoratra sy ny vaky boky. Efa misy fomba maro izao entina hanaovana ny vaky boky, indrindra vokatry ny fandrosoana ara-teknôlôjia. Isan'ny fitaovana manampy ny tsirairay hivelatra, hamantatra zava-baovao, afahana mampiana-tena, mampatoky tena manoloana ny olona, manampy amin'ny fahaizana manapa-kevitra... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Hiaro ny tombontsoan'i Lafrantsa eto Madagasikara no tena antony hahatongavan'Andriamatoa Macron eto amintsika, hoy ny mpitarika ny antoko Teza... • Hiakatra 47 % ny haba alain'ny fanjakana amin'ireo vokatra malagasy haondrana any Etazonia. Hiteraka fitotongan'ny fanondranan'i Madagasikara entana any ivelany io fepetra io, hoy ny Profesora Ralison Roger... • Nivondrona ao anatin'ny “Triade Syndicale” ny sendika telo eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka. Tsy azo ekena ny fitoriana ny mpitarika ny SISFIM, hoy ny sendikan'ny dokotera mpitsabo mpiasam-panjakana eto Madagasikara...
♦ Fotoana lehibe ampahafantarana an'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny fandraisana ny Fihaonana an-tampon'ny filoham-panjakàna ao amin'ny COI afaka 3 herinandro hoy Andriamatoa Ramamonjisoa Régis... ♦ Manohana ny fampandehanana ny tetik'asa Fitrandrahana Fasi-Mainty ao amin'ny Faritra Atsimo-andrefana ireo ben'ny tanàna ao amin'ny Kaominina miisa 4 iantefan'ny tetik'asa. Miandry ny fanombohan'ny asa izy ireo... ♦ Manohana ny tantsaha amin'ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra nasiônaly. Mbola mitohy ny fiofanana arahan'izy 24 mianadahy, mifaninana ho lasa mpandraharaha...
♦Dinihina mandritry ny 10 andro mahery ny momba ny FEC sy ny FRD, famatsiam-bolan'ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ho an'i Madagasikara. Mandalo eto Madagasikara ny iraky ny FMI tarihan'i Constant Lokeng Ngouana... ♦ 2 avrily andro natokana ho an'ny zandary : Nomarihana tamin'ny fanomezam-boninahitra ireo manamboninahitra nahavita be teo anivon'ny zandary saingy efa lasa nisotro ronono ny andro omaly... ♦ Mirona amin'ny fampiasana ny teknôlôjia vaovao hanaovana ny serasera ho an'ny fizahan-tany ny Ofisim-Pirenena ho an'ny Fizahan-tany na ny ONTM...
Ny olombelona, raha vao teraka dia efa miankin-doha amin'ny olona hafa fa araka ny mahalehibe dia mahaleo tena tsikelikely ; amin'ny faha-20 taona dia efa mahaleo tena, tompon'ny safidy. Ilaina hatrany anefa ny fiombonana sy fifamenoana amin'ny hafa mba ahafahana manohy ny fanorenana tokantrano. Mila mifankahalala ny olona roa hanorina tokantrano mba tsy ho tampoka ny fisehon-javatra maro lafy ao an-tokantrano (fanabeazana, vina...). Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco