Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 9, 26-31)
Tamin’izany andro izany,
nankany Jerosalema i Saoly, ka nitady hikambana tamin’ny mpianatra,
nefa natahotra azy izy rehetra satria tsy ninoany fa mpianatr’i Jesoa koa izy.
Tamin’izay, nalain’i Barnabe izy ka nentiny tao amin’ny Apôstôly,
dia notantarainy tamin’izy ireo ny nahitany ny Tompo teny an-dalana,
sy ny nitenenany taminy, ary ny hasahiana nasehony tamin’ny nitoriany ny Anaran’i Jesoa tao Damasy.
Izao vao niara-niditra sy nivoaka tamin-dry zareo tao Jerosalema izy,
sady nitory tamin-kasahiana tamin’ny Anaran’ny Tompo.
Niresaka tamin’ny Jentily koa izy,
ary niady hevitra tamin’ny Helenista; kanjo notadiavin’ireo hovonoina.
Ka nony fantatr’ireo iray finoana izany,
dia nateriny tany Sezarea izy, vao nalefany ho any Tarsa.
Niadana ny Eglizy eran’i Jodea sy Galilea ary Samaria manontolo fahizany,
sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo,
no nihamaro tamin’ny famporisihan’ny Fanahy Masina.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 21, 26b-27. 28 sy 30. 31-31
Izaho hankalaza Anao ao am-piangonana,
hanala voady atrehin’ny matahotra Anao:
ny ory hihinana ka ho voky,
ireo mitady ny Tompo hidera Azy.
Veloma ny ainareo
mandrakizay mandrakizay!
Ny faran’ny tany hahatsiaro
ka hiverina amin’ny Tompo;
ny fiankohonam-pirenena
samy hiankohoka anoloany.
Ireo rehetra matory amin’ny tany
dia hiankohoka anatrehany.
Ary izay mandry eo am-bovoka
hiondrika anoloany avokoa.
Ny fanahiko hivelona aminy,
ny taranako hanompo Azy;
ny taranaka izay misandratra
hilazalazana ny Tompo,
ny vahoaka mbola ho teraka
hanambaràna ny fahamarinany hoe:
“Izao sy izao
no nataon’ny Tompo!”
Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 3, 18-24)
Anaka, aoka isika tsy ho tia am-bava sy amin’ny teny fotsiny,
fa amin’ny asa sy amin’ny fo tokoa.
Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika,
sy hahazoantsika mampatoky ny fontsika eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa raha manameloka antsika ny fontsika,
dia lehibe noho ny fontsika Andriamanitra,
sady mahalala ny zavatra rehetra.
Ry hava-malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika,
dia mahazo manatona an’Andriamanitra amin-toky isika.
Ary na inona na inona angatahintsika, dia ho azontsika,
satria mitandrina ny didiny sy manao izay tsara eo imasony isika.
Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an’i Jesoa Kristy Zanany,
sy ny hifankatiavantsika, araka ny didy nomeny antsika.
Izay mitandrina ny didiny, dia mitoetra ao aminy,
ary Izy kosa ao aminy;
ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika izy,
dia ny Fanahy izay nomeny antsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Mitomoera ao amiko, dia hitoetra ao aminareo Aho, hoy ny Tompo; izay mitoetra ao amiko no mamoa be.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Izaho no tena foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly.
Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny,
ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa.
Efa madio ianareo izao, noho ny fampianarana nataoko taminareo.
Mitomoera ao amiko, ary Izaho hitoetra ao aminareo.
Fa ny sampana izay tsy miray amin’ny foto-boaloboka,
tsy mahazo mamoa ho azy,
ary toy izany koa ianareo raha tsy mitoetra ao amiko.
Izaho no foto-boaloboka ary ianareo no sampany.
Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be,
satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.
Izay tsy mitoetra ao amiko
dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina;
ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may.
Raha mitoetra ao amiko ianareo, ka mitoetra ao aminareo ny teniko,
dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany.
Ho voninahitra ho an’ny Raiko
raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nilaza ny handray andraikitra avy hatrany ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana ho an'izay kandidà mihoa-pefy amin'izao vanim-potoana mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Nanazava momba izany ny filohan'ny HCC... ♦ Voahilika ireo lisitra avy amin'ny antoko RPSD tokony ho anisan'ireo kandidàn'ny IRMAR. Anisan'ireo tsy hanohana ny kandidàn'ity vovonana ity any Manakara ny filoha nasiônalin'io antoko io raha nanao fanambaràna... ♦ Mandà ny fampiharana ilay fandaminana vaovao momba ny tsena napetraky ny kaominina Antananarivo ireo tompona magazay, mpivarotra ary mponina manodidina eny Analakely. Nanao fanambaràna nitsipaka izany izy ireo omaly...
♦ Handray fepetra avy hatrany amin'ireo kandidà tsy manara-dalàna mandritra izao vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao ny HCC... ♦ Nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandidà natolotry ny IRMAR ao Manakara, ny Filoha Nasiônalin'ny antoko RPSD, na dia ao anatin'ny vovonana ARMADA aza ny antoko tarihany... ♦ Nisy androany ireo tompon'ny magazay sy orinasa niaraka tamin'ny mpivarotra, nitsipaka ny fandaminana vaovao momba ny tsena ao Analakely...
♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...
♦ Ministtra mpisolo toerana avokoa no mitantana ministera 7 eo anivon'ny governemanta amin'izao. Hiteraka olana amin'ny fampandehanana ny raharaham-panjakàna izany hoy ny antoko Vonona Hijoro ho an'ny Tanindrazana... ♦ Tsy ankasitrahan'ny vovonan'ny Sekoly tsy miankina ny hanokànana toerana ireo mpiadina mahaleontena mandritra ny fanadinana Bakalôrea. Famotehana ny fampianarana sy ny sekoly tsy miankina izany hoy izy ireo... ♦ Olona 3 indray no nisy naka an-keriny tao Fieferana Anjozorobe ka mitaky vola 140 tapitrisa Ariary ireo jiolahy. Handraisana fepetra manokana izao zava-misy izao hoy ny Praiministra ny faran'ny herinandro teo...
♦ Nohamasinina ho Eveka ny lehiben'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco maneran-tany ny Kardinaly Angel Fernandez Artime... ♦ Efa nivoaka ny didim-panjakàna fampiharana ny fampiakaran-karàma ho an'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina. Manomboka mihatra ho an'ny karama volana marsa lasa teo izany... ♦ Misy ny fandaminana vaovao avy amin'ny tanànan'Antananarivo momba ireo mpivarotra amoron-dalana eny Analakely. Navadika tsena ny ampahan-dalana eny an-toerana, isaky ny zoma, sabotsy ary alahady... ♦ Nankasitrahan'ny mpitondra faratampony any Iran ny nanafihan'ny tafika iraniana an'i Israël ny herinandro teo ; fahombiazana iny fanafihana iny ary nambarany fa reharehan'ny vahoaka hoy izy...
♦ Mbola tsy marin-toerana ny vidim-bary na dia anatin'ny vanim-potoanan'ny fararano aza isika hoy ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa MCI... ♦ Tompon'andraikitra voalohany amin'izay olona hofidiny hisolo vava azy ny olom-pirenena ka tokony hahay haka lesona amin'ny fihetsika sy ny endrika fanambakana ataon'ireo kandidà hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena... ♦ Ahitàna fidinany ny maripàna ambany ho an'ny afovoantany ary somary hangatsiak&a ny maraina ao anatin'ny telo andro manaraka... ♦ Miisa 21 ireo fiaramanidina sinoa nihaodihaody eny an'habakabak'i Taïwan androany maraina. Efa vonona sy manara-maso izany ny tafika mitam-piadiana ao Taïwan...
Alahady fahaefatra fankalazana ny Paka : I Jesoa, Mpiandry ondry tsara ; Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa. Izy tenany Jesoa mihitsy no milaza fa izy no Mpiandry ondry tsara, dia izy izay mahafoy ny ainy. Tsy mpikarama ny Mpiandry ondry tsara fa ny mpikarama raha vao mahita amboa dia avy dia havelany hiahaka eo ny ondry, ny karama na vola no tanjony fa tsy ny ondry nankinina taminy. Ny takian'ny fiaraha-monina dia olona mpanasoa, mpitsimbona ny madinika, mpikatsaka ny soa iombonana fa tsy tia tena...
♦ Hitohy anio amin'ny alalan'ny diabe am-bavaka hihazo ani Vohipeno ny Pelerinazy miaraka amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa, izay tanterahana ao amin'ny Diôsezin'i Farafangana... ♦ Hisy fiatraikany goavana amin'ny andavanandrom-piainan'ireo olona manana tany voakasik'ilay fanamboaran-dalana miainga eny Andranotapahina mihazo ety Ivato, ny fanohizana ny asa ka mangataka ny hampitsaharana izany izy ireo... ♦ Mbola ho sarotra ny hahavitan'ireo solombavambahoaka ny andraikitra nankinina amin'izy ireo raha toa ka tsy hahazo ny maroan'isa eny Tsimbazaza ny mpanohitra hoy ny filoha nasiônalin'ny antoko Teza... ♦ Tsy mbola naneho hevitra manoloana ilay valim-panafihana nataony tany Iran i Israel...
♦ Notokanan'ny Filohan'ny Repoblika androany, ny fonja vaovaon'i Fenoarivo Atsinanana, izay mahazaka voafonja miisa 900... ♦ Namoaka ny mpiofana andiany faha-10 misalotra ny anarana "Mamiratra" androany, ny ivonteorana fanofanana vehivavy "Mivaotra sy Mahaleo tena" ao amin'ny Filles de Marie Auxiliatrice, Ampasanimalo... ♦ Mbola tsy hahavita ny andraikiny toy ny hatramin'izay ny Solombavam-bahoaka, raha mbola tsy ho maro an'isa ny mpanohitra eny Tsimbazaza, hoy ny antoko TEZA...
♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...
♦ Nahitsy ny Filohan'ny CAF teo aloha sady Filohan'ny FMF teo aloha, Ahmad, nilaza fa kisendrasendra raha handeha ny baolina kitra malagasy, amin'izao endriny misy ankehitriny izao... ♦ Mangataka ny fampitsaharana ny asa fanamboaran-dàlana miainga eny Andranotapahana mankety Ivato, ireo manana tany voakasik'izany. Mbola minia manohy ny asa hatrany ny orinasa ankehitriny na dia efa eny amin'ny Filankevi-panjakana aza ny raharaha... ♦ Nitondra fandaminana vaovao amin'ny tsena ao Analakely indray ny mpitantana ny Kaominina ankehitriny. Hafindra toerana ary hoferana ny fotoana hivarotan'ireo mpivarotra amoron-dàlana...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco