Boky Eksaody (Eks. 20, 1-17)
Tamin’izany andro izany,
Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto nanao hoe:
“Izaho no Tompo Andriamanitrao,
izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao.
Tsy hanao sarin-javatra voasikotra ho anao,
na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony,
na ny eny amin’ny tany ambany,
na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany.
Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao,
fa Izaho Tompo Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro:
ka amin’izay mankahala Ahy,
mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra;
ary amin’izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko kosa,
mamindra fo hatramin’ny taranaka faharivo.
Tsy hanonom-poana ny Anaran’ny Tompo Andriamanitrao ianao,
fa tsy havelan’ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.
Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasinana azy.Ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao.
Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an’ny Tompo Andriamanitrao;
tsy hanao asa na inona na inona,
na ny tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy,
na ny ankizy lahinao, na ny ankizy vavinao,
na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao.
Satria ny andro enina no nanaovan’ny Tompo ny lanitra, ny tany, ny ranomasina,
mbamin’izay rehetra ao aminy,
fa ny andro faha fito dia nitsaharany,
ka izany no nanasoavan’ny Tompo ny andro Sabata sy nanamasinany azy.Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao.
Tsy hamono olona ianao.
Tsy hijangajanga.
Tsy hangalatra ianao.
Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao.
Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao,
tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao,
na ny ankizy lahiny na ny ankizy vaviny,
na ny ombiny na ny ampondrany,
na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 20, 1-3. 7-8. 12-17)
Tamin’izany andro izany,
Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto nanao hoe:
“Izaho no Tompo Andriamanitrao,
izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao.
Tsy hanonom-poana ny Anaran’ny Tompo Andriamanitrao ianao,
fa tsy havelan’ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.
Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasinana azy.Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao.
Tsy hamono olona ianao.
Tsy hijangajanga.
Tsy hangalatra ianao.
Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao.
Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao,
tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao,
na ny ankizy lahiny na ny ankizy vaviny,
na ny ombiny na ny ampondrany,
na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 18, 8. 9. 10. 11
Ny lalan’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy;
ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.
Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy:
ny fo falifaliany;
ny baikon’ny Tompo mazava,
fanilo ho an’ny maso
Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay;
ny fitsaran’ny Tompo marina,
samy rariny avokoa.
Irìna noho ny volamena,
ny volamena madio miavosa;
mamy noho ny tantely,
ny toho-tantely mitsonika.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 1, 22-25)
Ry kristianina havana,
ny Jody mila famantarana;
ny Jentily mitady fahendrena;
ary izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana.
Fanafintohinana amin’ny Jody izany, ary fahadalana amin’ny Jentily;
fa i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra kosa amin’izay voaantso,
na Jody na Jentily.
Fa izay toa fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren’ny olombelona,
ary izay toa fahalemen’Andriamanitra, dia mahery noho ny herin’ny olombelona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.
Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 2, 13-25)
Akaiky ny Pakan’ny Jody,
ka niakatra tany Jerosalema i Jesoa.
Ary hitany tao anatin’ny Tempoly ny mpivarotra omby aman’ondry sy voromailala
ary ny mpanakalo vola nipetraka tao,
ka nanao kotopia tamin’ny tady madinika Izy,
dia nandroaka azy rehetra mbamin’ny omby aman’ondry hiala amin’ny Tempoly;
nararany ny volan’ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra,
ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromailala:
“Esory eto ireto,
fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko”.
Dia tsaroan’ny mpianany fa efa voasoratra hoe:
Ny fitiavako ny tranonao no maharìtra ny aiko.
Fa niteny kosa ny Jody ka nanao taminy hoe:
“Inona no famantarana asehonao aminay no manao toy izao Ianao?”
Dia namaly i Jesoa nanao hoe:
“Ravao ity Tempoly ity,
fa hatsangako indray amin’ny hateloana”.
Ka hoy ny Jody:
“Enina amby efapolo taona no nanaovana ity Tempoly ity
ka Ianao ve dia hanangana azy indray amin’ny hateloana e”.
Ny vatany anefa no Tempoly nolazainy.
Ary nony tafatsangan-ko velona Izy dia tsaroan’ny mpianany fa voalazany izany,
ka nino ny Soratra Masina sy ny teny voalazan’i Jesoa izy ireo.
Raha mbola tany Jerosalema Izy tamin’ny fetin’ny Paka,
dia maro no nino ny Anarany, fa nahita ny fahagagana nataony;
nefa tsy natoky azy ireo i Jesoa, satria nahalala azy rehetra Izy,
sady tsy mba nila olona hilaza aminy ny amin’ny olona Izy,
fa ny Tenany ihany dia nahalala izay ao am-pon’ny olona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Mbola tsy levona ao amin'ny Ranomasimbe Indiana ilay rivo-doza Eleanor. Tombanana hitondra rotsak'orana amin'iny morontsiraka atsinanana sy atsimo atsinanan'ny nosy izy, manomboka anio alatsinainy... ♦ Hiatrika ny Andron'ny Sekoly, ny mpianatra rehetra amin'ity herinandro ity... ♦ Nahatratrarana zava-mahadomelina mahery vaika "cocaïne", 64 kilao sy 32 grama tany Toamasina. Olona telo no nosamborin'ny Pôlisy amin'izao raharaha izao. Nalefa eny amin'ny fonjaben'i Tsiafahy izy ireo...
♦ Nizara ho roa ny vondron'ny kandidà 11. Ny tsy fitovian-kevitra momba ny fitarihana ny vondrona no antony, hoy Andriamatoa Marc Ravlomanana, mpitarika ny Vovonana Firaisankina... ♦ Mila mampiasa vola eo amin'ny lafiny maha olona sy mampiroborobo ny famoroanana asa i Madagasikara, raha te hampihena ny tahan'ny fahantrana ao aminy, hoy ny Banky Iraisam-pirenena... ♦ Mitohy ny hetsika fankalazana ny faha-100 taona nijoroan'ny Antilin'i Madagasikara. Nitohy tamin'ny fambolen-kazo izany androany...
♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika ny 18 izay ahitana teratany Sinoa 4, ankoatra ireo nahazo fahafahana vonjimaika sy ireo mbola eo ambany fanaraha-mason'ny Fitsarana. Io no didim-pitsarana momba ireo olona 169 voatazona noho ny fanjonoana an-tsokosoko tany amin'ny fari-dranomasin'i Seychelles... ♦ Hanolotra kandidà iraisana amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, ny Vovonana Firaisankina, izay najoron'ireo ampahany tamin'ny vondron'ireo kandidà filoham-pirenena farany teo...
♦ Nivondrona anaty Vovonana Firaisankina, ny antoko TIM, Pro Siteny, HVM, Tsara Tahafina ary ny Antoko Pôlitika Madio. Handray anjara amin'ny fifidianana Solombavam-bahoka izy ireo, ka hanolotra kandidà iraisana amin'ny distrika 119 manerana ny nosy... ♦ Efa azo lazaina ho milamindamina ny Distrikan'i Belo-Sur-Tsiribihina, Faritra Menabe, raha nanjakan'ny asan-dahalo sy ny vono olona, teo aloha... ♦ Hotanterahana ny 20 hatramin'ny 23 jona 2024, etsy amin'ny CCI Ivato, ny andiany faha-10 amin'ny hetsika ITM sy ny andiany voalohany amin'ny IHM...
♦ Notontosaina tao amin'ny Nosy Maurice ny 11 ka hatramin'ny 17 febroary 2024 ny fiofanana sy fampiofanana momba ny fiarovana ny zaza sy ny marefo amin'ny herisetra… ♦ Manatanteraka ny “Fitsidihana miaraka” ho an'ny Faritra Afrika-Madagasikara, any Kigali Rwanda ny Filankevitra Jeneralin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco ny 20 ka 23 febroary 2024… ♦ Manentana ny kristianina hanamafy ny vavaka mba hisian'ny fandriampahalemana any amin'ny faritra atsinanan'ny Repoblika Demokratikan'i Congo ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana…
♦ Antoka iray hisian'ny fifandanjan-kery amin'ny fifidianana ho avy eo, ny fiarahana sy ny firaisan-kinan'ireo hery sy antoko ivelan'ny fitondrana, hoy ny antoko pôlitika Roso ho an'ny Demôkrasia Sôsialy... ♦ Miaka-bidy, ka eo anelanelan'ny 1100 Ariary hatramin'ny 2500 Ariary, ny vary any amin'ny Distrikan'i Mandritsara... ♦ Notokanana tao amin'ny Distrikan'i Mahanoro, ny rantsan'ny Radio Katôlika Masôva Toamasina...
♦ Voafonja iray mamita sazy any Mandoto, ny iray tamin'ireo olona 54 voatana noho ilay fikomiana nitranga tao Ankazomiriotra, tamin'ny sabotsy teo, hoy ny Lehiben'ny Fampanoavana ao Antsirabe... ♦ Tsy raikitra indray ny hetsika saika hataon'ny Antenimieran'ny Ray aman-dreny ara-drazana sy Foko Malagasy, eny Mahamasina ho an'ny rahampitso sabotsy... ♦ Niampy telo indray ireo faritra miroso mankany amin'ny tany hay, na voakasiky ny fiangazanana eto Madagasikara...
♦ Voasambotra androany teny Mahamasina, ny filoha mpitarika ny Antenimieran'ny Ray aman-dreny Foko Malagasy. Tsy fantatra mazava ny antony, fa mety misy ifandraisany amin'ny hetsika kasaina hotanterahana amin'ny sabotsy izao... ♦ Nomarihana androany 22 febroary, izay daty nahaterahan'ny mpanorina azy, ny Andro maneran-tany ho an'ny Skotisma... ♦ Niampy telo indray ireo faritra miroso mankany amin'ny tany hay na voakasiky ny fiangazanana, eto Madagasikara. Milaza ho tsy mipetra-potsiny ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana, manoloana izany...
♦ Velom-panahiana momba ny ho avin'ny fananan-tany eto Madagasikara ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'izany manoloana ny fampihatoana ny fanomezana tanim-panjakàna ny mponina... ♦ Mbola maro ny tokantrano Malagasy misy Ray sy Reny. Iharan'ny fanavahana sy fanilikilihana ireo renim-pianakaviana miteraka nefa tsy manambady araka ny fanadihadiana natoan'ny UCM niarahany nanatontosa tamin'ireo mpikaroka aty Afrika sy any Frantsa... ♦ Tanterahana eny anivon'ny hopitalim-panjakàna manerana ny nosy nanomboka androany hatramin'ny sabotsy izao ny varavarana misokatra karakarain'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka... ♦ Nihotsaka ny toeram-pitrandrahana haritany iray tsy ara-dalàna any Venezuela ny talata teo...
♦ Marihana androany ny andro eran-tany ho an'ny skotisma. Hanao hetsika eny amin'ny ANS Ampefiloha ny Antilin'i Madagasikara tafiditra amin'ny fankalazana ny faha 100 taona nijoroany... ♦ Nomarihana omaly koa ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Tenin-dreny. Nisy ny atrik'asa natokana ho an'ny mpanoratra, ny mpikabary ary ny mpikirakira ny teny Malagasy nanamarihana izany... ♦ Niakatra 28% ny tahan'ny fahaiza-mamaky teny tany amin'ireo EPP maherin'ny 10.000 nisitraka ny tetik'asa TAFITA, ary niakatra 25% izany ho an'ny fahaizana kajy... ♦ Niloa-bava momba ny toe-java-misy any Gaza ny tale jeneralin'ny OMS fa tsy misy fanajàna ny zon'olombelona intsony any amin'ity faritra palestiniana ity...
♦ Niakatra 28%, ny tahan'ny fahaiza-mamaky teny tany amin'ireo EPP maherin'ny 10.000 nisitraka ny tetikasa TAFITA, ary niakatra 25% izany ho an'ny fahaizana kajy, tany amin'ireo EPP ireo ihany... ♦ Hiara-hientana amin'ny fahatsiarovana an'i Baden-Powell indray ny Antilin'i Madagasikara, rahampitso 22 febroary, eny amin'ny ANS Ampefiloha... ♦ Mitaky ny fampitsaharana ny fametrahana ny Sekreteram-panjakana ho eo ambany fiahian'ny Fiadidiana ny Repoblika, ireo vondron'ny fiarahamonim-pirenena maromaro...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco