♦ Mifarana ny 31 janoary 2023 ny fisoratana anarana eto Madagasikara ho an'ireo handray anjara amin'ny JMJ Lisbonne 2023... ♦ Nodimandry teo amin'ny fahadimy taona naha pretra azy i P. Francisco Andrianjaka, Pretran'ny Diosezin'Antsiranana... ♦ Nitsodrano ireo sariolona maneho an'i Jesoa Zazakely nentin'ireo ankizy teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera, ny Papa François omaly...
Bokin’ny zanak’i Siràka 3, 2-6. 12-14
Sitraky ny Tompo ny hanajan’ny zanaka ny rainy;
ary nanorina ny fahefan’ny reny amin’ny zanany Izy.
Izay manaja ny rainy manonitra ny fahotany;
ary fanangonan-karena ny fanajana ny reny.
Izay manaja ny rainy, hampifalian’ny zanany;
ary hohenoina amin’ny andro ivavahany izy.
Izay manaja ny rainy ho lava andro iainana,
izay manaiky ny Tompo hanome fiononana ny reniny.
Anaka, tohano amin’ny andro fahanterana ny rainao,
ary aza mampalahelo azy ny andro iainany.
Raha avy izay haharerahan’ny fanahiny, iantrao izy,
ary aza manatsinontsinona azy,
rehefa be indrindra ny tanjakao.
Fa ny soa atao amin-dray, tsy mba ho very tadidy;
ary hisolo toerana ny fahotanao,
ny fanambinana ho tonga amin’ny tranonao.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 127, 1. 2. 3. 4-5
Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra fehizay amin’ny lalany.
Eny, ahazoanao tombontsoa ny asanao:
hasambarana moa ny anao!
Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra
eo anivon-tranonao;
ny zanako solofon’ôliva
manodidina ny latabatrao.
Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Avy ao Siôna anie ny Tompo hitahy anao hatrany:
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema
amin’ny andro rehetra hiainanao.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany KôIôsy 3, 12-21
Ry kristianina havana,
olom-boafidin’Andriamanitra ianareo sady masina sy malala,
ka mitafia famindram-po amam-piantrana,
halemem-panahy amam-panetren-tena,
fahamaotonana amam-pandeferana.
Aoka hifandefitra sy hifamela heloka,
raha misy manana alahelo amin’ny namany.
Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo
no hamelanareo heloka ihany koa.
Fa ambonin’izany rehetra izany,
dia mitafia ny fitiavana,
izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.
Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy,
izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray;
ary hahay mankasitraka anie ianareo.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy,
ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo;
ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo,
amin’ny salamo aman-kira masina.
Ary na inona na inona ataonareo,
na amin’ny teny, na amin’ny asa,
dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra,
sy amim-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo,
araka ny mety ao amin’ny Tompo.
Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo,
ary aza sosotsosotra aminy.
Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra,
fa ankasitrahin’ny Tompo izany.
Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo,
fandrao dia mamoy fo izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hanjaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’i Kristy;
ary hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 2, 13-15. 19-23
Nony lasa ny Majy,
indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Jôsefa
tamin’ny nofy ka nanao hoe:
“Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny Reniny,
ary mandosira any Ejipta,
dia mitoera any mandrapilazako aminao indray,
fa i Herôda efa hitady ny Zazakely hovonoiny”.
Mbola alina, dia nifoha izy,
nitondra ny Zazakely sy ny Reniny,
ka lasa nankany Ejipta.
Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Herôda,
mba ho tanteraka ny tenin’ny Tompo
voalazan’ny Mpaminany hoe:
“Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako.”
Ary rehefa maty i Herôda,
indro nisy Anjelin’ny Tompo,
niseho tamin’i Jôsefa tany Ejipta tamin’ny nofy,
ka nanao hoe:
“Mifohaza ianao, ento ny Zazakely, sy ny Reniny,
ka modia any amin’ny tanin’i Israely,
fa efa maty izay nitady ny ain’ny Zazakely”.
Dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny Reniny
ka tonga tany amin’ny tanin’i Israely.
Nony reny anefa fa i Arkeiaosy no nanjaka tany Jodea
nandimby an’i Herôda rainy,
dia natahotra hankany izy,
ka nankany Galilea nony efa nilazan’Andriamanitra tamin’ny nofy.
Ary nony tonga tany izy,
dia nonina tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta
mba ho tanteraka ilay tenin’ny mpaminany hoe:
Fa hatao hoe Nazareanina Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Nitondra fihavaozam-panahy ho an'ny krsitianina ny fankalazana ny faha-60 taonan'ny diosezin'Ambatondrazaka ny taona 2021. Fanamby telo lehibe no atrehan'izy ireo ankehitriny : ny fanatsarana ny rafitra hifanaraka amin'ny an'ny Eglizy maneran-tany, ny fanentanana ny kristianina hivavaka sy hiaina ny sakramenta, ary handray andraikitra ao amin'ny fiainan'ny Eglizy. Fifampizarana entin'i P. Sata Jean Noël Andrianasolo
Manatanteraka fiofanana iraisam-pirenena ao amin'ny Ivo-toeran'ny Soeurs de la Sagesse ao Benasandratra ny Fanilon'i Madagasikara nanomboka ny 29 oktobra 2022. Miisa 22 ireo mpandray anjara ka malagasy ny 19 amin'izy ireo. "Samaritanina tsara fanahy : manao soa ho an'ny tena, ho an'ny hafa, ary amin'ny natiora", io no lohahevitra nofidian'ireo mpampiofana roa avy amin'ny CICG-Europe (Conférence Internationale Catholique du Guidisme) sy ny aomonie maneran-tany.
Ilaina ny fahaizana mifanampy ao anivon'ny ankohonana ao. Ny fifanampiana dia manamafy sy manatsara ny rivo-piaraha-monina. Ny fahaiza-mihaino sy ny fahaizana mifanampy dia mifameno. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'i Jeneraly Désiré Ramakavelo.
Mila mifanampy ny fianakaviana, ary atao zava-dehibe ilay fomba fiheverana malagasy hoe "tantsoroka sy valy tanana". Mampifanakaiky am-po ary mitondra amin'ny fifampitokisana sy ny fahatokisan-tena ny fifanampiana ary ahafahana mpampivelatra ny fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'i Jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Mbola manavao ny fanantenana ataony, mba hanohizana ny vavaka ho an'ny fangatahana ny hanandratana ho olomasina an'i Victoire Rasoamanarivo, ny raiamandreny eo anivon'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara... ♦ Kristianina manodidina ny 1800 no niatrika ny fihatahana masina tao amin'ny Distrikan'i Brickaville, Kaominina Andovoranto, izay toerana nahafatesan'i Mgr Henri de Solages... ♦ Hofaranana ny 15 hatramin'ny 17 desambra 2022, ny fankalazana ny faha-60 taona niorenan'ny Lycée Catholique Sainte Chantal, Soanierana...
Bokin'i Izaia Mpaminany 7, 10-14
Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’i Akaza ny Tompo nanao hoe:
“Mangataha famantarana amin’ny Tompo Andriamanitrao;
mangataha izany, na any amin’ny faravodin’ny Seoly,
na any amin’ny havoan’ny lanitra”.
Ka hoy i Akaza:
“Tsy hangataka aho; tsy haka fanahy ny Tompo aho”.
Ka hoy i Izaia:
“Mihainoa, ry taranak’i Davida:
Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona,
no dia mbola mahasasatra an’Andriamanitra koa ianareo?
Noho izany dia Tenan’ny Tompo no hanome famantarana anareo;
Indro hanana anaka ny virjiny, ka hiteraka Zazalahy,
ary ny Anarany hataony hoe “Emanoela” izany hoe:
Andriamanitra eo anivontsika.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 3, 1-2. 34ab. 5-6
An’ny Tompo ny tany sy izay mameno azy,
izao tontolo izao sy ny mponina ao aminy:
Izy nanorina azy tambony ranomasina,
nampitoetra azy tambonin’ny ony.
Iza no hiakatra am-bohitry ny Tompo?
Zovy no honina amin’ny toerany masina?
Dia izay mahitsy fo sy madio tanana,
tsy mba mianiana hahavoa namana.
Izy no tahin’ny Tompo,
vonjen’ilay Andriamanitra Marina,
taranaka mitady ny Tavany,
mitady ny Andriamanitr’i Jakôba.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma 1, 1-7
Izaho Paoly mpanompon’i Kristy Jesoa,
voaantso ho Apôstôly,
sy voatokana hitory ny Evanjelin’Andriamanitra,
— izay nampanantenainy rahateo tamin’ny alalan’ny mpaminany ao amin’ny Soratra Masina —
dia mamangy anareo rehetra malalan’Andriamanitra any Rôma.
Io Evanjely io
no misy ny fanambaran’Andriamanitra momba ny Zanany
(izay naterak’i Davida,
ho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganany ho velona,
araka ny fanahin’ny fahamasinana),
dia i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha-Apôstôly anay
mba hampanaiky ny Jentily rehetra ny finoana,
amin’ny Anarany, ary anisan’ireny koa ianareo;
noho ny fiantsoan’i Jesoa Kristy.
Ry olo-masina voaantson’Andriamanitra:
ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika,
sy i Jesoa Kristy Tompo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Indro ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy,
ary ny Anarany hatao hoe: Emanoela,
izany hoe Andriamanitra eo anivontsika. Aleloia.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 1, 18-24
Toy izao no nahaterahan’i Kristy:
i Maria Reniny dia efa fofombadin’i Jôsefa;
fa raha mbola tsy niray trano izy ireo,
dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy.
Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina
sady tsy te hanala baràka azy,
dia nikasa hametraka azy mangingina.
Nefa raha mbola nieritreritra izany izy,
dia indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy,
tamin’ny nofy ka nanao hoe:
“Ry Jôsefa, zanak’i Davida,
aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao,
fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina,
ary hiteraka Zazalahy izy,
ka ny Anarany hataonao hoe Jesoa,
fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany”.Ary izany rehetra izany no tonga,
dia mba hahatanteraka
izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe:“Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy,
ary ny Anarany hatao hoe Emanoela,
izany hoe: amintsika Andriamanitra”.
Ary rehefa nahatsiaro tamin’ny torimaso i Jôsefa,
dia nanao araka izay nandidian’ny Anjely azy,
ka nampakatra ny vadiny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy 49, 2. 8-10
Tamin’izany andro izany,
namory ny zanany lahy i Jakôba ary nilaza taminy hoe :
“Mivoria, ry zanakalahin’i Jakôba, ka mihainoa.
Mihainoa an’i Israely rainareo.
Ry Jodà, ianao hoderain’ny rahalahinao ;
ny tananao ho eo amin’ny vozon’ny fahavalonao,
ny zanaky ny rainao hiankohoka eo anatrehanao.
Liona tanora i Jodà: Niakatra avy nandripaka ianao, anaka.
Nanongalika izy, dia nanao fandrin-diona, fandrin-diombavy,
zovy no hanaitra azy?
Tsy hiala amin’i Jodà ny tehim-panjakana,
tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehim-pahefana,
mandra-piavin’i Silao: Izy no hotoavin’ny firenena.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 71, 2. 3-4ab. 7-8. 17
Andriamanitry ny fahamarinana ô,
mba tolory ny andriana mpanapaka
sy ny zanak’andriana ho dimbiny
ny fahaiza-mitsara ara-drariny!
Ka ny vohitra hitrotro fiadanana.
Ny havoana hivimbina ny hitsiny.
Ny mahantra sy ny ory hotsimbininy.
Ny mpamoritra kosa hofongorana.
Amin’ny androny hamony ny rariny,
ary mandra-pahafatin’ny volana.
Dia hisy fandriam-pahalemana,
lavorary sy feno tanteraka!
Ranomasina no ho sisin-taniny,
ary ny ony no ho valam-parihiny;
ka ny rafiny ombam-pahavalony
handohalika sy hilavo lefona
Ny Anarany hankalazaina
sy haharitra toy ny masoandro.
Ary indro hatao fitahiana,
ireo foko manerana an-tany.
Aleloia. Aleloia.
Ianao Filohan’i Davida izay mamoha ny varavaran’ny fanjakana tsy manam-pahataperana,
avia ary tsoahy amin’ny fatorany ny voagadra tazonin’ny haizina.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 1, 1-17
Filazana ny Razan’i Jesoa Kristy,
Zanak’i Davida, Zanak’i Abrahama.
I Abrahama niteraka an’i Isaaka,
i Isaaka niteraka an’i Jakôba;
i Jakôba niteraka an’i Jodà mirahalahy avy;
i Jodà niteraka an’i Faresa sy i Zarà tamin’i Tamara;
i Faresa niteraka an’i Esrôna,
i Esrôna niteraka an’i Arama;
i Arama niteraka an’i Aminadaba;
i Aminadaba niteraka an’i Naasôna;
i Naasôna niteraka an’i Salmôna;
i Salmôna niteraka an’i Boôza tamin’i Rahaba;
i Boôza niteraka an’i Obeda tamin’i Rôta;
i Obeda niteraka an’i Jese,
i Jese niteraka an’i Davida mpanjaka.
I Davida mpanjaka niteraka an’i Salômôna tamin’ilay vadin’i Oria;
i Salômôna niteraka an’i Rôbôama;
i Rôbôama niteraka an’i Abiasa;
i Abiasa niteraka an’i Asà,
i Asà niteraka an’i Jôsafata;
i Jôsafata niteraka an’i Jôrama,
i Jôrama niteraka an’i Oziasa;
i Oziasa niteraka an’i Jôatama;
i Jôatama niteraka an’i Akaza;
i Akaza niteraka an’i Ezekiasa;
i Ezekiasa niteraka an’i Manase,
i Manase niteraka an’i Amôna;
i Amôna niteraka an’i Jôsiasa;
i Jôsiasa niteraka an’i Jekôniasa mirahalahy avy,
tamin’ny andro nifindrana tany Babilôna.
Ary rahefa nifindra tany Babilôna,
i Jekôniasa niteraka an’i Salatiela;
i Salatiela niteraka an’i Zôrôbabela;
i Zôrôbabela niteraka an’i Abioda,
i Abioda niteraka an’i Eliakima;
i Eliakima niteraka an’i Azôra,
i Azôra niteraka an’i Sadôka;
i Sadôka niteraka an’i Akima;
i Akima niteraka an’i Elioda;
i Elioda niteraka an’i Eleazara;
i Eleazara niteraka an’i Matana,
i Matana niteraka an’i Jakôba;
ary i Jakôba niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria
izay niteraka an’i Jesoa ilay atao hoe Kristy.
Koa ny taranaka rehetra
hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Davida,
dia taranaka efatra ambin’ny folo;
ary hatramin’i Davida ka hatramin’ny nifindrana tany Babilôna,
dia taranaka efatra ambin’ny folo;
ary hatramin’ny nifindrana tany Babilôna ka hatramin’i Kristy,
dia taranaka efatra ambin’ny folo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny fahaizana mihaino ny hafa dia isan'ireo fanalahidin'ny fahombiazan'ny fiainana ary mahatsara azy. Hampirindra ny fiainana dia mifampihainoa isika olona rehetra : ny mpivady, ny mpianaka ary ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Hotanterahana ny 12 febroary 2023 ny fametrahana araka ny fomban'ny Fiangonana an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz ho evekan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Hankalazaina ny 15 janoary 2023 ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala ao amin'ny Diosezin'Ambanja... ♦ Manentana ny kristianina maneran-tany, ny Papa François, amin'ity volana desambra ity, mba hahitan'ny sampan-draharaha miahy ny maha olona, olona vonona hikatsaka ny soa iombonana...
Bokin’i Izaia Mpaminany 56, 1-3a. 6-8
Izao no lazain’ny Tompo:
Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny,
fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.
Sambatra ny olona hanao izany,
sy ny zanak’olombelona hifikitra mafy amin’izany,
ka hitandrina ny sabata, tsy mandika azy,
sy hifehy ny tanany tsy hanao ratsy akory!
Aoka ny hafa firenena efa nifikitra tamin’ny Tompo tsy hanao hoe:
“Hoesorin’ny Tompo marina aho,
tsy ho isam-bahoakany.”
Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin’ny Tompo
mba hanompo Azy sy ho tia ny Anarany ary ho mpanompony;
izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy,
sy miraikitra mafy amin’ny fanekeko,
dia hoentiko ho ao an-tendrombohitra masina,
sy hampifaliako ao an-tranoko fivavahana,
hankasitrahina eo ambony ôtely ny sorony dorana aman-tsorony:
fa ny tranoko hatao hoe:
“Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra”
— teny marin’ny Tompo — izay mamory ny lasan-ko babo amin’i Israely!
Mbola hamory ny sasany koa Aho ho eo aminy,
hanampy ireo efa voavory sahady.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 66, 2-3. 5. 7-8
Hiantran’Andriamanitra anie isika hotsimbininy;
ka hataony mamiratra eo amintsika ny tavany.
Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao,
ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao.
Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony,
fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny
sy manjaka amin’ireo firenen-drehetra isan-tokony.
Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra.
Andriamanitra mantsy Andriamanitsika: mitsimbina.
Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany.
Aleloia. Aleloia.
Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitray ô,
ny tavanao aseho dia ho voavonjy izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany 5, 33-36
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe:
“Naniraka tany amin’i Joany ianareo, ary nanambara ny marina izy.
Tsy dia ny fanambarana avy amin’ny olona anefa no iankinako,
fa ny mba hahavoavonjy anareo no hilazako izany.
I Joany dia jiro nirehitra sy nazava,
ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavany.
Fa manana fanambarana manoatra ny an’i Joany Aho,
satria ny asa nomen’ny Ray hovitaiko sady ataoko tokoa
no manambara fa iraky ny Ray Aho.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco