Tamin’izany andro izany, i Jesoa nahita poblikanina anankiray atao hoe Levi, nipetraka teo amim-pamonan-ketra, ary hoy Izy taminy : "Manaraha Ahy." Dia nafoiny ny zavatra rehetra, ka nitsangana nanaraka Azy izy. Nanao fanasana lehibe ho Azy tao an-tranony i Levi, ary nisy poblikanina sy olon-kafa betsaka koa niara-nihinana taminy tao. Nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna ka nanao tamin’ny mpianany hoe : "Nahoana no miara-mihinana sy misotro amin’ny poblikanina sy ny mpanota ianareo ?" Fa novalian’i Jesoa hoe : "Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka."

Tamin’izany andro izany, dia nankao amin’i Jesoa ny mpianatr’i Joany ka nanao hoe. "Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady ?" Ary hoy i Jesoa taminy : "Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra ? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin’izay vao mifady hanina izy."

Ilaina ny mpanabe mba ampafantatra ny zavatra tsara sy ny ratsy tsy tokony hatao. (03-02-2021)

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe : "Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona, ka harian’ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny ; fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo." Ary hoy koa Izy tamin’ny olona rehetra : "Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany isan’andro ka hanaraka Ahy. Izay te-hamonjy ny ainy dia hahavery azy fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy. Ary inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao aza izy, nefa very ny tenany ka voaheloka izy ?"

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe : "Tandremo sao ataonareo eo imason’ny olona ny asa soa ataonareo mba hahitany azy ; fa raha izany, dia tsy hahita valisoa amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao, dia aza mitsoka trômpetra eo anoloanao tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagôga sy eny an-dalam-be, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany, Fa raha manao fiantrana ianao, aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon’ny havanana, mba hiafina ny fiantrana ataonao, ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao. Ary raha mivavaka ianareo ; aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin’ny Sinagôga sy eny anjoron-dalana, mba hahitan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa, fa efa azony ny valisoany. Fa Ianao kosa raha hivavaka, dia midira ao ainin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavarana, dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina, ary ny Rainao izay mahita ny ao amin’ny mangingina no hamaly anao. Ary raha mifady hanina ianareo, dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy, izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. Fa ianao kosa raha mifady hanina, dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao, mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina, fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina ; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao".

Tamin’izany andro izany, nanadino tsy nitondra mofo ny mpianatra, ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo an-tsambo kely. I Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe : "Mitandrema tsara ianareo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda." Dia niara-nihevitra izy ireo ka nifampilaza hoe : "Noho isika tsy manana mofo izay." Fantatr’i Jesoa ny heviny ka hoy Izy taminy : "Ahoana no iheveranareo izay tsy fanananareo mofo ? Mbola tsy mahazo hevitra sy tsy mahazo saina ihany va ianareo ? Donto ny fonareo ? Mana-maso fa tsy mahita va ianareo ? ary manan-tsofina fa tsy mahare ? Ary tsy mahatadidy va ianareo ? Raha nizara ny mofo dimy tamin’ny olona dimy arivo Aho, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo ?" Dia hoy ireo taminy hoe : "Roa ambin’ny folo." Dia hoy i Jesoa : "Ary raha nizara ny mofo fito tamin’ny olona efatra arivo, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo ?" Hoy ireo hoe : "Fito." Dia hoy Izy taminy : "Ka nahoana àry no mbola tsy mahalala ihany ianareo."

Namerina nampahatsiahy ireo solombavambahoaka ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, momba ny fomba fanehoan-kevitr'izy ireo. Tsy ho voasahan'ny zo tsy azo henjehina ny teny atao ivelan'ny andraikitra maha parlemantera, hoy Ramatoa Christine Razanamahasoa...

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny Farisianina, ka niady hevitra taminy sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy, mba hakany fanahy Azy. Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe : "Ahoana no itadiavan’itý taranaka itý famantarana ? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana itý taranaka itý." Dia nilaozany izy ireo ka niondrana an-tsambo kely indray Izy nankeny ampita.

Tamin’izany andro izany : nony betsaka ny vahoaka sady tsy nanan-ko hanina dia niantso ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe : "Mampalahelo ahy itý vahoaka, fa efa hateloana izay tsy nisaraka tamiko ka tsy manan-ko hanina ; ary raha ampodiko ho any an-tranony izy tsy mihinana dia ho reraka eny an-dalana, fa avy lavitra ny sasany." Dia hoy ny mpianany namaly Azy : "Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo atý an’efitra ?" Ary Izy nanontany azy hoe : "Manana mofo firy ianareo ?" "Fito", hoy izy ireo. Dia nasainy hipetraka tamin’ny tany ny vahoaka ary noraisiny ny mofo fito, ka nony vita ny fisaorana dia novakìny, sy nomeny hozarain’ny mpianany, ary nozarainy tamin’ny vahoaka. Ary nanana hazandrano madinika vitsivitsy koa Izy, ka notsofiny rano dia nasainy hozaraina. Ary nihinana ny olona ka voky, ary ny sombintsombiny sisa tsy lany nentiny dia nisy fito sobika. Tokony ho efatra arivo anefa no nihinana ; dia nampodiny. Dia niondrana an-tsambokely niaraka tamin’izay Izy sy ny mpianany, ka tonga tany amin’ny faritanin’i Dalmanotà.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niala tany amin’ny faritanin’i Tira, ary namaky ny faritanin’i Sidôna ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapaoly. Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana nentin’izy ireo teo aminy sy nangatahany mba hametrahany tanana. Dia nitondra azy niavaka tamin’ny vahoaka Izy, ka nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany. Rahefa izany dia niandrandra ny lanitra Izy, sady nisento ary nanao taminy hoe : "Efeta, izany hoe, misokafa." Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha ny fatoran’ny lelany, ka niteny tsara izy, ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza ; fa araka ny nandrarany azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza ; sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe : "Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa, dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy Sidôna, ary niditra tao an-trano anankiray, fa tsy te-ho fantatr’olona, nefa tsy nahazo niery. Fa vetivety foana dia nisy vehivavy anankiray nanan-janakavavy azon’ny fanahy maloto nandre izany, ka tonga niankohoka tamin’ny tongony. Jentily avy amin’ny firenena Sirôfenisa ravehivavy, ary ny nangatahiny taminy dia ny handroahany ny demony amin’ny zanany vavy. Fa hoy Izy taminy : "Aoka ho voky aloha ny zanaka ; fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ny amboa." Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe : "Marina izany, Tompoko, kanefa ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ao ambany latabatra ihany." Ary hoy i Jesoa taminy : "Mandehana, fa noho izany teny izany, dia efa niala tamin’ny zanakao vavy ny demony." Nony tonga tany an-tranony izy, dia nahita ny zanany vavy nandry teo am-parafara fa efa nialan’ny demony.

Tamin’izany andro izany, niantso ny vahoaka nankeo aminy indray i Jesoa ka nanao taminy hoe : "Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara. Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy. Raha misy manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino." Nony niala teo amin’ny vahoaka Izy ka tonga tany an-trano, dia nanontanian’ny mpianany ny amin’ilay fanoharana, ary hoy Izy taminy : "Hay ! ianareo koa mba kely fahalalàna toy izany ! Tsy fantatrareo va fa izay avy eo ivelany dia tsy mahaloto azy, satria tsy miditra ao am-pony izany fa ao an-kibony ihany, ka ariana any an-katakonana? Izany no mahadio ny hanina rehetra. Fa izay mivoaka avy amin’ny olona, hoy izy, no mahaloto ny olona ; satria avy ao anaty, dia avy amin’ny fon’ny olona no iavian’ny sain-dratsy dia ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona, ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana ; izany zavatra rehetra izany no avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy."

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...