• Hiampy 42.000 m3 isan'andro atsy ho atsy ny rano vatsian'ny Jirama ho an'ny mponin'Antananarivo. Nanomboka nampiasaina sy notokanana androany ny fitaovana fanadiovan-drano vaovao eny Mandroseza... • Homena lanja ny fijerena ireo tena marefo ara-pivelomana, mandritra ny iray volan'ny fiahiana ara-tsosialy. Natomboka tamin'ny fomba ofisialy androany teny Analakely izany hetsika izany, sady nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fianakaviana... • Nanapa-kevitra ny komity mpikarakara ny fifaninana ara-panatanjahan-tena ho an'ny orinasa fanaovan-gazety, na ny Inter-média, 2026, fa ahena ho 1 hetsy Ariary ny sara-pisoratana anarana ho an'ny taranja baolina kitra sy ny Basketball...

• Ny 3 jona izao indray vao hirosoana ny Fikaonandoham-pirenena, raha ny fampahafantarana nataon'ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Hanitra Razafimanantsoa. Anton'io fihemorana io ny fifampidinihana sy ny fandaminana tsy maintsy natao... • Andro faharoa amin'ny Foaraben'Ambohimalaza andiany voalohany ny anio. Omena lanja mandritra izany ny kalitao sy ny famokarana ary ny fametrahana ny vokatra Label Bio... • Nanao bemidina nadamina ny olana amin'ny tany ambolen'ny mponina sy ny faritra arovana ny any Belo sur Tsiribihina...

• Notendren'ny Papa Léon faha-14 ho Nonce Apostolique any Ouganda, i Monseigneur Tomasz Grysa, Nonce Apostolique eto Madagasikara... • Nitory ny Filohan'ny Fanavoazana ny Repoblika, Kolonely Randrianirina Michaël eny amin'ny HCC, ny Solombavam-bahoaka Rajerison Antoine. Nitsikera avy hatrany izany ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Siteny Randrianasoloniaiko... • Nitondra fanazavana momba ny fisavana teny amin'ny Arena Ivandry, misy ny haino aman-jery Viva, ny Tonia Mpampanoa lalana, Rakotoniaina Narindra Navalona...

An'Andriamanitra ny aina. Izy no manome, Izy koa no maka hoy ny fahendren-dRazantsika. Adidy ankinin'Andriamanitra amin'ny olombelona ny fiahiana ny aina, ny miaro azy ; noho izany dia anadinan'Andriamanitra antsika olombelona izany. Tsy maintsy harovana amim-pitandremana lehibe ny aina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...