Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 19, 4-8)
Tamin’izany andro izany, i Elia nandositra ny hatezeran’i Jezahela
ka nandroso lalana indray andro tany an’efitra;
ary nony mby tany izy, nipetraka teo ambanin’ny kofafambohitra anankiray,
dia nangataka ny ho faty, nanao hoe:
“Aoka izay! Alao amin’izao ny aiko, ry Tompo ô,
fa tsy tsara noho ny razako aho”.
Dia nandry izy, ka natory teo ambanin’ny kofafambohitra.
Fa indro nisy Anjely nanohina azy kosa, nanao taminy hoe:
“Miarena ianao hihinana”,
Nijery izy, ka indro tao amin’izay niondanany,
nisy mofo nendasina tamin’ny vato nohafanaina, sy rano iray tavoara;
ary rehefa nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.
Fa tonga fanindroany indray ilay Anjelin’ny Tompo, nanohina azy,
sy nanao taminy hoe:
“Miarena ianao hihinana, fa lavitra loatra ho anao ny dia halehanao”.
Dia niarina izy, nihinana sy nisotro,
ary nandeha efapolo andro sy efapolo alina,
tamin’ny hery azony tamin’izany hanina izany,
ho any Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 33, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9
Izaho misaotra ny Tompo lalandava;
ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Ombay aho mankalaza ny Tompo,
miaraha isika midera ny Anarany.
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny,
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.
Mibanjîna Azy fa ho mirana,
ny henatra tsy hanaloka ny tavanareo;
ity ory velona antso, ka novalian’ny Tompo,
novonjeny tamin’ny ahiahiny rehetra izy.
Ny Anjelin’ny Tompo milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra Azy.
Ankafizo ity hamamin’ny Tompo:
sambatra ny olona mifefy aminy.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 4, 30 — 5, 2)
Ry kristianina havana,
aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra
Izay nanasiana tombo-kase anareo, ho amin’ny andro fanavotana.
Esory aminareo rehefa mety ho lolom-po, fahatezerana,
fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana.
Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy,
ka hifampiantra sy hifamela heloka,
toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy.
Koa aoka àry hanahaka an’Andriamanitra, toy ny zanaka malala ianareo.
Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy,
Izay nanolo-Tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika,
mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 41-52)
Tamin’izany andro izany,
nimonomonona tamin’i Jesoa ny Jody satria Izy nanao hoe:
“Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra”.
Hoy izy ireo:
“Moa tsy i Jesoa zanak’i Jôsefa va ity,
izay fantatsika ny rainy aman-dreniny?
Ka ahoana àry no anaovany hoe:
‘Nidina avy any an-danitra Aho?’”
Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Aza mimonomonona ianareo.
Tsy misy olona mahay manatona Ahy akory
raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy,
ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Voasoratra ao amin’ny Mpaminany hoe:
‘Hampianarin’Andriamanitra izy rehetra’.
Koa izay rehetra nahare tamin’ny Ray ka nianatra taminy no manatona Ahy.
Tsy dia hoe nisy nahita ny Ray akory:
fa Ilay avy amin’Andriamanitra no hany nahita ny Ray.
Lazaiko marina dia marina aminareo:
Izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay.
Izaho no Mofon’aina.
Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra, nefa maty ihany;
tsy toy izany ny Mofo nidina avy any an-danitra,
fa tsy ho faty izay mihinana azy.
Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra:
raha misy mihinana ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay izy,
ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Tsy miombon-kevitra amin'ny hitazonana ny datim-pifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina kaominaly amin'ny volana novambra ho avy izao ny vovonana iombonan'ny tanora malagasy na ny COJM... ♦ TSy maintsy omena valiny avokoa ny fitarainana rehetra momba ny fomba fiasa eny amin'ny seranam-piaramanidina hoy ny Filoham-pirenena nandritra ny filan-kevitry ny ministra. Tompon'andraikitra miisa roa no ahiahiana amin'ny fanaovana kolikoly mampitaraina ny mpandeha... ♦ Misedra olana amin'ny fanondranana ny vokany ny kaoperativa Taratra any Analanjirofo amin'izao fotoana izao. Betsaka loatra hoy ny tompon'andraikitra ny pitsopitsony ara-bola alo noho ny lamina misy...
Manana ny lanjany ny safidy eo amin'ny fiainantsika manokana, sy ny fiaraha-monina ary ny firenena. Ny safidy dia fomba fifandraisan'olona roa, napetrak'Andriamanitra, na sehatra roa samihafa, ka hahitana vokatra tsara ho an'ny andaniny sy fahafahampo ho an'ny ankilany ; taratra ao anatin'izany ny fifanajana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Mitaky ny hanamafisana ny sazy ho an'ireo teratany vahiny mpitrandraka an-tsokosoko ny haren-dranomasina eto Madagasikara ny firaisamonim-pirenena malagasy. Naneho ny heviny momba izany izy ireo omaly... ♦ Misedra olana indray ny fitaterana solika mavesatra avy any Toamasina ampiasain'ny Jirama. Anton'ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo amin'izao fotoana izao... ♦ Laharam-pamehana ny fampiharana ny fehin-kevitra tamin'ny drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo na ny PNDE hoy ny COJM. Ny COJM izay vovonana iombonan'ny fikambanan'ny malagasy tanora...
♦ Mitaky ny hanamafisana ny sazy ho an'ireo teratany vahiny mpitrandraka an-tsokosoko ny haren-dranomasina eto amintsika ny firaisamonim-pirenena malagasy... ♦ Misedra olana indray ny fitaterana solika mavesatra avy any Toamasina ampiasain'ny orinasa JIRAMA. Anton'ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo amin'izao fotoana izao... ♦ Laharam-pahamehana ny fampiharana ny fehin-kevitra tamin'ny drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo na ny PNDE, hoy ny COJM. Ny COJM izay vovonana iombonan'ny fikambanan'ny Malagasy Tanora...
♦ Ministeran'ny fahasalamana : Malagasy 8.300 isa, isan-taona no matin'ny fifohana sigara, mila hamafisina ny ady atao amin'ny fivarotana antsokosoko ny sigara... ♦ Fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary : Fomba fiasa vaovaon'ireo tambazotra mpanao izany indray ny fampiasana ny tambazotran-tserasera "facebook" hanangonana izany... ♦ Lavon'ny balan'ny pôlisy avy amin'ny USI ny jiolahy telo lahy saika hanao fanafihana teny Ilafy, omaly talata faha-23 ny volana jolay, araka ny fampitam-baovaon'ny pôlisim-pirenena... ♦ Hanohy ny asa fampandehanan-draharaha mandrapaha-vita ny lalao olympique ny governemanta mpisolo-toerana ao Frantsa araka ny fanambarana nataon'ny filoha Frantsay...
Bokin’i Nahoma Mpaminany (Nahom. 2, 1. 3 ; 3, 1-3. 6-7)
Indro, eny an-tendrombohitra,
ny tongotry ny iraka mitondra filazana mahafaly, izay manambara fiadanana.
Ankalazao ny fetinao, ry Jodà, efao ny voadinao!
Fa tsy handalo eo aminao intsony izy; efa levona mihitsy ny ratsy fanahy.
Fa ny Tompo nampody ny voninahitr’i Jakôba? mbamin’ny voninahitr’i Israely,
satria norobain’ny mpandroba izy sady nosimbany ny fotoboalobony.
Loza ho an’i Niniva, ilay tanàna mpandatsa-dra;
feno fanambakana amam-pahasiahana; tsy mitsahatra amin’ny halatra!
Injany re ny firivirivin’ny karavasy, ny firodorodon’ny kodia,
ny katrokatroky ny soavaly ny fiantraitraiky ny sarety!
Mpitaingin-tsoavaly miezaka, sabatra mamirapiratra,
lefona manjelatra, olo-maratra sesehena, maty miavosa, faty tsy hita isa...
Voafingampingan’ny faty ny olona!
Hotsipazako loto ianao sy halàko baraka, sy hataoko fijerin’ny olona ianao.
Izay mahita anao, handositra lavitra anao avokoa, sy hanao hoe:
“Rava i Niniva!”
Iza no hangoraka azy? Aiza no hitadiavako mpampionona anao?
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Det. 32, 35b-36a. 39abde. 41
Antomotra ny andro hahitany loza,
ary ho avy faingana izay anjara ho azy.
Fa homen’ny Tompo rariny ny vahoakany,
ary noho ny mpanompony dia hanenina Izy.
Jereo amin’izao, fa Izaho, dia Izaho ihany no izy;
ary tsy misy andriamanitra miolotra amiko;
Izaho no mahafaty sy mahavelona;
Izaho no naharatra, ary Izaho koa no hahasitrana.
Rahefa hanasa ny sabatro manelatselatra
sy handray ny fitsarana ny tanako,
dia hasiako valim-bonoana ny fahavaloko,
ary hampandraisiko tody izay mandrafy Ahy.
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy mahalala Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 24-28)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Raha misy ta-hanaraka Ahy,
aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy.
Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy,
ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy.
Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy,
nefa very ny fanahiny?
Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?
Fa ny Zanak’Olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy
miaraka amin’ny anjeliny,
ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy.
Lazaiko aminareo marina tokoa,
fa ny sasany eto, dia tsy hanandrana fahafatesana,
raha tsy efa mahita ny Zanak’Olona avy amin’ny fanjakany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato : Fanambin'ny Filohan'ny Repoblika ny hampihena na hanafoana tanteraka ny kolikoly eny amin'ny fadin-tseranana... ♦ Azo atao ny misoroka ny fandanindaniam-poana ny volam-panjakàna amin'ny alalan'ny fanaraha-maso ireo fampiasam- bolam-panjakàna hoy ny tale jeneralin'ny Sampandraharaha misahana ny fitsirihana ara-bola... ♦ Filohan'ny fikambanan'ny mpianatra eny amin'ny Université Antananarivo : Nanao fanambarana nanatsikafona ireo olana maro misy eny anivon'ny anjerimanontolo... ♦ Teratany Irakiana miisa 10 nigadra tao amin'ny fonjan'i Al Hout ao Nassiriya no novonoina nahaton'ny fitondram-panjakàna tany an-toerana tamin'ny tady...
♦ Nidina teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny tolak'andro teo. Nilokaloka ireo tompon'andraikitra voakasika mivantana fa hanatanteraka ny fanatsarana ilaina hanafoanana ny kolikoly... ♦ Tsy misy miova ny fepetra hisitrahana ireo trano anatin'ny fandaharan'asan'ny fanjakana Malagasy, napetraka amin'ny faritra samihafa eto amin'ny nosy... ♦ Naotolotra ny fampanoavana androany ny raharaha Miah Raveloson, ilay tovovavy maty voadonan'ny fiara teny Nanisana ny 17 jolay. Ny tovolahy sakaizany ihany no nahavanona ny famonoana...
♦ Tsy tokony hiandrasana Governemanta vaovao ny famaritana ny datin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina hoy ny antoko VHT, araka ny nambaran'ny filoha nasiônaliny... ♦ Milaza ny hidina ifotony etsy amin'ny seranam-piaranamanidina iraisam-pirenena Ivato anio tolak'andro ny filoham-pirenena. Fidinana ifotony, taorian'ny fitarainan'ny maro, izay niparitaka be tamin'ny tambajotran-tserasera... ♦ Mbola tsy nidina ny vidin'ny lafarinina eny an-tsena na teo aza ilay toromarika nomen'ny Ministeran'ny varotra. Tokony mametram-pialàna izay tompon'andraikitra tsy mahavita ny asa hoy ny MCI... ♦ Niroso tamin'ny fampiharana sazy ara-toe-karena ho an'i Russie ihany koa ny fitondràna Ukraine...
♦ Samy mitebiteby ireo mpiadina sy ny ray aman-dreny amin'ny fizotry ny fanadinana Bakalôrea. Miahiahy amin'ny resaka fivoahan'ny laza adina izy ireo ka miomana ara-tsaina amin'izay mety hitranga rehetra, hatramin'ny fiafaran'ny fanadinana... ♦ Milaza ny hampiato ny fandraofana sy fitaomana fako ireo mpiasan'ny SMA. Nifamotoana teny amin'ny foiben'ity orinasa teny Nanisàna indray izy ireo omaly, nitaky ny handoavana ny karamany volana jona... ♦ Mbola mitohy foana ny fanotorana tany ao an-drenivohitra ao amin'izao na dia miato aza izany ; nametra-panontaniana amin'ny mpitantana ny Kaominina Antananarivo momba izany ireo mpanolontsainn'ny tanàna omaly...
♦ Mpiadina maherin'ny roa hetsy no niadina ny fanadinana Bakalôrea manerana ny nosy, nanomboka androany. Milaza ny efa miomana ara-tsaina ireo mpiadina sendranay tao an-drenivohitra, mitaintaina noho ny resaka “fuite de sujet”... ♦ Milaza ny hampiato ny fitaomana ny fako androany, ireo mpiasan'ny SMA, mitaky ny handoavana ny karamany volana jona... ♦ Mbola mitohy hatrany ny fanotorana tany ao an-drenivohitra amin'izao, na dia miato aza izany. Nametra-panontaniana amin'ny mpitantana ny Kaominina Antananarivo, ireo mpanolotsain'ny tanàna, androany...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco