♦ Notokanana tamin'ny talata 16 jolay 2024, ny toerana izay misy ireo Masera Notre-Dame du Mont Carmel avy any Inde. Hiasa ao amin'ny faritra Avaradrano, Diôsezin'i Morondava... ♦ Nanomboka ny alakamisy teo ny andiany faha-40 amin'ny Fihaonambe sy Filankevitra Nasiônaly tanterahan'ny ACUM... ♦ Tanterahana any Asuncion, renivohitr'i Paraguay, nanomboka ny alatsinainy teo ny Fihaonambe faha-21 ho an'ireo miandraikitra ny Pastôralin'ny Tanora any Amerika Latina sy ny Nosy Caraïbes...

♦ Ao anatin'ny fandinihana ireo paikady hahafahana manafaingana ny fampandrosoana ireo Distrika nahazoany fandresena ny FIVOY, ankehitriny... ♦ Namoy namana iray indray ny fianakaviamben'ny mpanao gazety. Nodimandry teo amin'ny faha-51 taonany i Razanakarivelo Herinanahary Alain, fantatra amin'ny anarana hoe HERNAN Rivelo... ♦ Antoka iray hahafahana maka fanapahan-kevitra mifanaraka amin'ny zava-misy, ny fananana antontam-baovao sy antontan'isa ara-potoana sy mitombina. Dinihina amin'ilay atrikasa rejiônaly tanterahana eto Madagasikara izany...

♦ Nahitana hetsika avokoa ireo oniversitem-panjakana miisa telo. Tsy olana vaovao fa mifandraika amin'ny vatsim-pianarana sy ny foto-drafitrasa hatrany no nitarika izany... ♦ Antony iray manahiran-tsaina ny fitondrana ka tsy amoahany ny datim-pifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsain'ny Tanàna, ny fandresen'ny mpanohitra tany amin'ny renivohi-paritany, nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka farany teo, hoy ny SFDM... ♦ Nahitana fihenana hatrany amin'ny antsasa-manila ny tranga fanolanana, manerana an'i Madagasikara, tao anatin'ny enim-bolana...

♦ Miandry ny fitsanganan'ny Governemanta vaovao, vao mety hisy ny famaritana ny datim-pifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina. Mijanona ho soson-kevitra hatramin'izao ilay datin'ny 6 nôvambra naroson'ny CENI... ♦ Volamena maherin'ny 6.400 kilao no tafavoaka an-tsokosoko teto Madagasikara, teo anelanelan'ny taona 2019 sy 2023... ♦ Mbola sarotsarotra ny famerenana amin'ny laoniny ny herinaratra any Toamasina, tao aorian'ny fahatapahana faobe omaly hariva. Vinavinaina mbola hitohy hatramin'ny rahampitso hariva ny asa, hoy ny JIRAMA...

♦ Manolo-kevitra amin'ny fiaraha-miasa misimisy kokoa eo amin'ny mpikirakira fifidianana rehetra ny firaisamonim-pirenena "Mijoro Mandroso" hanatsaràna ny zotram-pifidianana eto Madagasikara. Manana mpanara-maso 600 isa mahery miparitaka amin'ny Distrika 115 amin'ny fifidianana kaominaly izy ireo... ♦ Niaina anaty haizina vokatry ny fahatapahan'ny herinaratra faobe ny tao Toamasina. Firehetan'ny tariby ambanin'ny tany mitondra ny herinaratra no antony saingy niampy indray ny fahavoazana ny maraina teo vokatry ny firehetan'ny milina fanapariahana herinaratra... ♦ Amperin'asa ao amin'ny Faritra Boeny ny Tetik'asa FSRP ; miandrandra fivoarana amin'izany tetik'asa izany ny tantsaha...

Ny safidy tsara dia ahitana fahafahampo ho anao, ary vokatra tsara ho an'ny manodidina. Na eo amin'ny ankohonana misy anao izany, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eto amin'ny firenena ; olom-pirenena tompon'adidy ianao sy izaho koa aoka hanana heri-po hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦Asa andrasana amin'ny governemanta vaovao hijoro eo ny famaritana ny datim-pifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsain'ny tanàna... ♦ Manana fotoana hatramin'ny alatsinainy 22 jolay izao ireo nisoratra anarana amin'ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja, hanamarina ny anarany ao anatin'ny lisitra vonjy maika... ♦ Tanterahana eny amin'ny zaridainan'Antaninarenina hatramin'ny sabotsy izao ny foaran'ny FROMAZY avy eto an'ivon-tany. Mpandray anjara 20 mahery no mampiranty ny vokany, izay hita fa efa mahafolaka ary mahafehy ny fenitra misy... ♦ Nifanakalo babo an'ady i Rosia sy Ukraine ; miisa 95 avy ireo voafonja nifanakalozan'ny andaniny sy ny ankilany...

♦ Asa andrasana amin'ny Governemanta vaovao hijoro eo, ny famaritana ny datim-pifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsain'ny Tanàna... ♦ Manana fotoana hatramin'ny alatsinainy 22 jolay 2024, ireo nisoratra anarana amin'ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja, hanamarina ny anarany ao anatin'ny lisitra vonjy maika... ♦ Hanamafy ny fiarovana ny Zandarimariam-pirenena mandrita ny fotoam-pialantsasatra...

♦ Dimy andro mialoha ny fanadinam-panjakàna bakalôrea : Maro amin'ireo tanora hiatrika ny fanadinana no mbola manenjika ireny karazana hetsika fara-doboka ireny... ♦ Manomboka miha maro ireo olona miazo ny Faritra mandeha miala sasatra, mahalasa fiara 170 isan'andro izao ny eny amin'ny toby fiantsonan'ny fiara Makis Andohatapenaka ka i Mahajanga no maro mpandeha... ♦ Nisokatra ny alatsinainy 15 jolay lasa teo ny taom-piotazana "la vanille" maitso ho an'ny Faritra Fitovinany sy Atsimo-Atsinanana, tsy nisy ny fameram-bidy fa miankina amin'ny tolotra sy ny tinady eo amin'ny tantsaha sy ny mpanangom-bokatra izany... ♦ Hisokatra ny 29 jolay ny fametrahana ny firotsahan-kofidiana filoham-pirenena any Tunisie...

♦ Patrick Raharimanana avy amin'ny Gasy-Patriote, afaka nody taorian'ny fotoam-pitsarana azy omaly, ny 20 aogositra izao no hivoaka ny didim-pitsarana momba ny raharaha hanenjehana azy... ♦ Takian'ny fikambanan'ny loholona sy ny CST teo aloha ny famoahana am-ponja an'Andriamatoa Rasambozafy Cyril sy ny solombavambahoaka ao Vaingandrano Mahavitara Sylvestre... ♦ Nahitàna fiakarany ny teti-bola hiatrehana ny fanadinam-panjakana Bakalôrea amin'ity taona ity, tsy misy atahorana ny tambin-karama ho an'ireo mpitsara sy mpiambina hoy ny tale misahana ny fitantanam-bola eny amin'ny Oniversite an'Antananarivo...

♦ Nahiditra am-ponja vonjimaika ao Mananjary ny filoha mpitarika ny BAM, Rasambozafy Cyril. Takian'ny fikambanana misy azy sy ny fikambanan'ny loholona sy ny CST teo aloha, ny famoahana azy sy ny Solombavam-bahoaka ao Vangaindrano, Mahavitara Sylvestre... ♦ Ho hita taratra ny fanovana eny amin'ny Antenimeram-pirenena eny Tsimbazaza. Lokalokan'ny kestora voalohany, Rivotiana Jean Bosco, raha nifamindra fitantanana tamin'ny kestora voalohany teo aloha izy... ♦ Bakalôrea 2024. Tsy misy hataohorana ny tambikarama. Nahitana fiakarana tamin'ity taona ity, ny vola hiatrehana ny fanadinana...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 26, 11-16. 24)

Ny Tompo marina tokoa no naniraka ahy ho atý aminareo hilaza ireo teny ireo.

Tamin’izany andro izany,
hoy ny mpisorona ama-mpaminany tamin’ireo loholona sy ny vahoaka rehetra:

“Mendrika hovonoina ity lehilahy ity, fa naminany loza hanjò ity tanàna ity,
araka ny efa ren’ny sofinareo.”

Fa niteny tamin’ny loholona sy ny vahoaka rehetra i Jeremia nanao hoe:

“Ny Tompo no naniraka ahy haminany ny zavatra rehetra efa renareo,
hamelezana ity trano ity.
Koa ankehitriny, ahitsio ny lalanareo sy ny ataonareo;
ary mihainoa ny feon’ny Tompo Andriamanitrareo,
dia hanenenan’ny Tompo ny loza nolazainy hamelezana anareo.
Ary ny amiko, dia intý aho, eto an-tananareo,
ka ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina.
Fantaro anefa, fa raha mamono ahy ianareo,
dia handatsaka ra tsy manan-tsiny aminareo sy amin’ity tany ity,
ary amin’ny mponina eo aminy,
satria ny Tompo marina tokoa no naniraka ahy ho atý aminareo
hilaza ireo teny rehetra ireo ho ren’ny sofinareo.”

Dia hoy ny loholona mbamin’ny vahoaka rehetra,
tamin’ireo mpisorona sy ireo mpaminany:

“Tsy mendrika hovonoina ity lehilahy ity,
satria tamin’ny Anaran’ny Tompo Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.”

Ary ny tanan’i Ahikama zanak’i Safana dia nanohana an’i Jeremia.
Ka tsy natolotry ny vahoaka hovonoin-ko faty izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 68, 15-16. 30-31. 33-34

Mivavaka aminao aho, ry Tompo.

Afaho amin’ny fotaka aho tsy ho difotra,
fa ho afaka amin’ny firohon’ny rano lalina;
tsy ho safotry ny onja na hatelin’ny hantsana,
tsy hanakombonan’ny fasana ny vavany.

Fa izaho ilay ory sy nijaly kosa
dia harovan’ny Vonjinao, ry Andriamanitra:
ka hidera amin-kira ny Anaran’Andriamanitra
ary hankalaza Azy amin-tsaotra.

Ny ory mahita ka mifaly.
Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra:
fa ny Tompo mihaino ny mahantra,
ny babo tsy hainy hamavoina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 1-12)

Naniraka hampanapaka ny lohan’i Joany i Herôda ary lasa nilaza izany tamin’i Jesoa ny mpianany.

Tamin’izany andro izany,
ren’i Herôda tetrarka ny lazan’i Jesoa, ka hoy izy tamin’ny mpanompony:

“I Joany Batista izay;
efa nitsangan-ko velona izy, ka izany no ahavitany fahagagana maro.”

Fa i Herôda efa nampisambotra an’i Joany,
ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina,
noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny.
Satria i Joany nilaza taminy hoe:

“Tsy mahazo manambady io ianao.”

Nitady hamono azy i Herôda saingy natahotra ny vahoaka,
satria nataon’ny olona fa mpaminany i Joany.
Ary tamin’ny andro nankalazana ny nahaterahan’i Herôda,
dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada,
ka nahafaly an’i Herôda.
Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona.
Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe:

“Omeo ahy eto amin’ny lovia ny lohan’i Joany Batista.”

Dia nalahelo ny mpanjaka,
kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy,
dia nasainy homena azy ihany izany;
ary naniraka nampanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina izy.
Dia nentina tamin’ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy,
ary nentiny tany amin-dreniny.
Nalain’ny mpianatr’i Joany kosa ny faty dia naleviny,
vao lasa izy nilaza izany tamin’i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...