♦ Miisa 891 ireo Pachypodium na Vontaka tratra tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, saika hahondra an-tsokosoko any ivelany... ♦ Very hasina ny fierenena no sady afa-baraka, hoy ny Fikambanan'ny Zanaky ny Faritra Atsimo Atsinanana, manoloana ny antsojay mihatra amin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena amin'izao... ♦ Nahazo ivon-toerana "Centre Bébé Kangourou", hikarakarana manokana ireo zaza teraka tsy tonga volana sy tsy ampy lanja, ny hôpitaly eny Anosy Avaratra, Antananarivo Avaradrano...
♦ Mbola nitoetra ao amin'ny Kaominina Ampisikinana, Distrikan'i Vohemar, ilay Cyclone Tropical Gamane, tamin'ny 9 ora maraina teo. Mihatra hatrany ny filazana loza mitatao ho an'ny Faritra Diana sy Sava, na dia mihena aza ny heriny... ♦ Nisokatra androany ary haharitra 12 andro ny fandraisana ny antotantaratasy firotsahan-ko fidiana ho Solombavam-bahoaka... ♦ Hanao hetsika fanentanana hiantohana ny Paka hieren-doza amin'ity taona ity, ny fitantanana ankapoben'ny fiarovana ny loza an-dalambe na ny DSGR. Hiasa avokoa ireo ivon-toerana fitsarana fiarakodia manerana ny nosy, amin'ny faran'ny herinandro izao...
♦ Hipaka anio ao amin'ny morontsirak'i Sava, amin'ny tanjaka Cyclone Tropical, ilay rivodoza Gamane niforona tao amin'ny Ranomasimbe Indiana... ♦ Manentana ny tsirairay handray andraikitra amin'ny fiainam-pirenena amin'ny maha olom-pirenena ny FFKM, amin'ny fifidianana ho avy. Isan'izany ny fijerena sy ny fanamarinana ny anarana ao anatin'ny lisitry ny mpifidy... ♦ Tsy mandray anjara araka ny tokony ho izy amin'ny fitomboan'ny arin-karena faobe sy ny fampihenana ny tahan'ny fahantrana, ny firafitry ny tanan-dehibe eto Madagasikara, araka ny fanadihadiana nataon'ny Banky Iraisam-pirenena...
♦ Hipaka any amin'ny morontsirak'i Sava, rahampitso tolakandro na alina, amin'ny tanjaka Cyclone Tropical na Cyclone Tropical Intense, ilay rivodoza Gamane niforona tao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Mety hahatratra 150 hatramin'ny 165 km/h ny rivotra hiaraka aminy... ♦ Manentana ny tsirairay handray andraikitra amin'ny fiainam-pirenena amin'ny maha olom-pirenena ny FFKM, amin'ny fifidianana ho avy. Isan'izany ny fijerena sy ny fanamarinana ny anarana ao anatin'ny lisitry ny mpifidy...
♦ Tompon'antoka amin'ny fahapotehana sy ny fahantran'ny firenena ny mpanao pôlitika mpamadika palitao, hoy ny Sekretera Nasiônalin'ny antoko TGV... ♦ Mandray anjara amin'ny fampivoarana ny fanabeazana eto Madagasikara ny orinasa Ravinala Airports. Nanavao ny efitrano sy ny trano famakiam-boky tetsy amin'ny EPP Ivato Tanàna ity orinasa ity... ♦ Nivadika ho rivodoza Gamane, ilay faritra andro ratsy tao amin'ny Ranomasimba Indiana...
♦ Fihetsika fanakorontanana sy fikasana fanonganam-panjakàna no ataon'ny filohan'ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa hoy ny solombavambahoaka mivondrona ao amn'ny IRD... ♦ Hamafisina ny fiarovana sy ny fisorohana ny loza etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, nahazo fitaovana ilaina amin'izany avy amin'ny Masoivoho Frantsay ny kaompanian'ny zandarimariam-pirenena Ivato Aéroport... ♦ Nahazo milina fanodinana ny voamaina ho lafarinina ny any amin'ny distrika Ambato-Boeny, tafiditra amin'ilay tetik'asa ODOF izy io... ♦ Nandresy vonjy maika tamin'ny fifidianana filohan'ny repoblika tany Sénegal ny alahady teo ny kandidan'ny mpanohitra Andriamatoa Bassirou Dio Maye Faye...
♦ Fihetsika fanakorontanana sy fikasana hanongam-panjakana no ataon'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa, hoy ny Solombavam-bahoka mivondrona ao amin'ny IRD... ♦ Ho fanamafisana ny fiarovana sy ny ho fisorohana ny loza etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, dia notoloran'ny DCIS, eo anivon'ny Masoivoho frantsay, fiara tsy mataho-dalana, ny Kaompanian'ny Zandarimariam-pirenena etsy Ivato... ♦ Misy andro ratsy miforona any amin'ny 168 km, avaratra atsinananan'i Vohemar...
♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...
♦ Tsy niandry ela ny valin-kafatra avy amin'ny solombavambahoaka IRD izay mitaky ny fandraisana andraikitra amin-dRamatoa Razanamahasoa Christine filohan'ny antenimieram-pirenena... ♦ Mbola maro ireo fepetra tsy voahaja hahafahana miroso amin'ny fifidianana tena lavitry ny herisetra raha ny zava-misy ankehitriny hoy ny tamba-jotra misoroka ny fifandirana amin'ny fifidianana na ny ROPE... ♦ Misedra olana goavana ny mpiasa malagasy hoy ny eo anivon'ny Valaben'ny Sendikan'ny mpiasa malagasy na ny SSM... ♦ Natokan'ny fitondrana rosiana ho andro fisaonana omaly alahady taorian'ilay asa fampihorohoroana nitranga tao Moscou...
♦ Nanaporofo ny fisarahan-dalana eo aminy sy ny fitondrana ankehitriny ny filohan'ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa. Milaza ho vonona sy hijoro ho vahaolana ny tenany saingy mbola tsy namaritra mazava ny dingana ho atao amin'izany... ♦ Miala sasatra noho ny fiatrehana ny herinandro Masina hidirana any amin'ny Paka ny sekoly katôlika eto Madagasikara raha toa ka manohy ny fianarana toy ny mahazatra ny sekolim-panjakàna... ♦ Iniana tsy resahana fa antony iray mampirongatra ny fanolanana ny fahantrana. Misy ireo ray aman-dreny manao sorona ny zanany raha ny fanadihadiana nataon'ny mpanao gazety Rina Raymond... ♦ Nahatsiaro am-bavaka ireo olona 137 maty tao Moscou ny Papa François...
♦ Miantso ny hery velona sy ny ankolafi-politika tsy ankanavaka hanatrika ilay fihaonana hatao eny Tsimbazaza anio ny filohan'ny antenimieram-pirenena. Fihaonana hanehoana ny olana eto amin'ny Firenena sady hikatsahana vahaolana momba izany... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny amin'ny fampirantiana eny amin'ny zaridainan'Anosy ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana ny 29 marsa 1947... ♦ Nivory omaly sendikan'ny Mpiraki-draharaham-panjakàna eto Madagasikara. Herinandro no omen'izy ireo ny fitondrana hamaliana ny fitakiana, raha tsy izany handray fepetra amin'ny tohin'ny tolona izy ireo... ♦ Notafihin'ny kômandô mitam-piadiana alina ny efitrano fijerena fampisehoana iray tao Moscou any Rosia, maro ny maty...
♦ Manamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny famantarana ny toetry ny andro isika eto Madagasikara. Hifarana anio ny hetsika natokana anamarihana izany eny amin'ny Lapan'ny Tanàna Analakely... ♦ Haparitaka eny amin'ny tantsaha ilay karazam-bary Mavitrika vokatry ny fikarohana nataon'ny manam-pahaizana teto Madagasikara sy tany ivelany. Misy ny paik'ady momba izany hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Notolorana fankasitrahana ireo mpianatra teny Japoney mendrika teny amin'ny Oniversite an'Antananarivo. Tsy ampy nefa ny mpampianatra... ♦ Notsipahan'ny rosianina sy ny sinoa tamin'ny alalan'ny didy tsy azo ivalozana ny volavolan-kevitra naroson'i Etazonia, mitaky ny hampihtoana ny ady any Gaza...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco