♦ Naverina nosokafana ao Addis-Abeba, Ethiopie tamin'ny 13 febroary 2024 ny Biraom-pifandraisan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara amin'ny Vondrona Afrikanina... ♦ Fanamby ho an'ny Salezian'i Don Bosco ny hanangana tontolo vaovao, araka ny fivoaran'izao tonotolo izao, hoy ny Recteur Majeur, ny Kardinaly Ángel Fernández Artime, tamin'ny fitsidihana miaraka nataony, ho an'ny Faritra Afrika sy Madagasikara... ♦ Hotanterahana ao Rôma ny 20 avrily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Kardinaly Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco maneran-tany...

♦ Omena sehatra ao anatin'izao vaovao antoandro izao ireo vehivavy, amin'ity datin'ny 8 marsa ity... ♦ Tsy misy fanavahana fa iharan'ny sazy avoko ireo rehetra voaheloka amin'ny fanolanana, ary efa nanome toromarika ny hampiharana ilay fehezan-dalàna famaizana mikasika ny fanolanana, ny Minisitry ny Fitsarana... ♦ Efa manomboka milamina ny ao Manakara, tao aorian'ny fivoriana notarihan'ny Préfet any an-toerana...

♦ Natokana hanamarihana ny ady ho an'ny fitovian-jo feno ho an'ny vehivavy, ny andro anio 8 marsa... ♦ Tsy maintsy hirosoana ny fampiharana ny lalàna vaovao, ho an'ireo izay tratra manolana, hoy ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina... ♦ Miandrandra zotram-pifidianana malalaka, mangaragahara sy mampiaty ary azo itokisana, ireo fiarahamonim-pirenena miisa 22...

♦ Hitombo ny isan'ireo Solombavam-bahoaka handrafitra ny Antenimieram-pirenena. Misy ny kajikajy pôlitika ataon'ny fitondrana amin'izany, hoy ireo mpisehatra pôlitika sasantsasany... ♦ Nanamafy ny hirosoana amin'ny fampiharana ilay lalàna vaovao ho an'ireo mpanolana zaza ny Filoham-pirenena, androany... ♦ Nitombo avo enina heny, raha mitaha tamin'ny telo taona lasa, ireo Malagasy manao fizahan-tany anatiny. Tafakatra 63.000 ny isan'izy ireo tamin'ny taona 2023, araka ny antontan'isan'ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahan-tany...

♦ Hitohy hatramin'ny rahampitso ny oram-baratra amin'ny tapany atsimon'ny nosy. Mahazo fampitandremana miloko mena ny Faritra Atsimo-Atsinanana sy ny Distrika sasany ao amin'ny Faritra Anosy, Atsimo-Andrefana ary Menabe... ♦ Nampitomboana iray ka lasa 120 ny isan'ny disitrika eto Madagasikara. Natsangana ho distrika nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly ny ao Antanimora-Atsimo... ♦ Lesoka amin'ny fanomezana traik'efa ny tanora eto amintsika hoy nySendikan'ny Indostria eto Madagasikara  ny tsy fahafahan'ny orinasa amin'ny sehatra tsy miankina mandray tanora manao fizaran'asa... ♦ Miantso ny fampisaharana haingana ny ady any Gaza ny fanjakàna any Chine...

♦ Nanao hetsika nanapaka lalana sy nandoro kodiarana omaly ny andian'olona eny amin'ny Fokontany Andohatapenaka-I ao Antananarivo renivohitra. Misy mivarotra an-tsokosoko ny tanin'izy ireo ka manaitra ny tompon'andraikitra mahefa izy ireo hanara-maso akaiky izany... ♦ Hanome tantsoroka ny federasiôna ivondronan'ny vehivavy mpandraharaha ao amin'ny faritry ny COMESA amin'ny fanatontosana ny tsenabe iraisam-pirenena Trade Fair andiany fahadimy atao eto Madagasikara ny ministera misahana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra... ♦ Miatrika ny fanadinam-panjakàna fihodinana faharoa ireo mpianatry ny CNETMAD manodidina ny 17.000 miparitaka amin'ny ivon-toerana miisa 51 manerana ny Nosy...

♦ Hanome tantsoroka ny federasiôna ivondronan'ny vehivavy mpandraharaha ao amin'ny faritry ny COMESA, amin'ny fanatontosana ny tsenabe iraisam-pirenena Trade Fair faha-5 hatao eto amintsika, ny Minisitera Misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra... ♦ Miatrika ny fanadiam-panjakana fihodinana faharoa, ireo mpianatry ny CNTEMAD manodidina ny 17.000 miparitraka amin'ny ivontoerana 51 manerana ny nosy... ♦ Nidina an-dalambe nanapaka làlana sy nandoro kodiarana androany, ireo andian'olona monina eny Andohatapenaka voalohany. Nambaran'izy ireo fa nisy nivarotra ny taniny...

♦ Notendren'ny Papa François hiandraikitra ny Siège Titulaire d'Ursona ny Kardinaly Angel Fernandez Artime, lehiben'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco eran-tany. Ny 20 avrily izao no ametrahana azy amin'izany toerana izany... ♦ Hahazo vahana hatrany ny oram-baratra any amin'ny tapany atsimon'ny nosy noho ny fisian'ilay faritra andro ratsy ao amin'ny lakan-dranon'i Môzambika. Mahazo fampitandremana miloko mena ny Faritra Atsimo Atsinanana, Faritra Atsimo Andrefana, miampy an'i Morondrava sy Taolagnaro... ♦ Mbola miaina anaty tebiteby ireo olona manana toe-batana varira amin'izao fotoana izao. Miisa efatra indray tao anatin'ny roa volana ny tranga fakàna ankeriny nihatra tamin'izy ireo...

♦ Manamafy ny fiara-miasa ny Eglizy Katôlika aty Afrika sy ny vondrona Afrikanina. Amperin'asa indray ankehitriny ny biraom-pifandraisan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka Afrika sy Madagasikara amin'ny Vondrona Afrikanina ao Addis Abeba any Etiopia... ♦ Notanterahana teny amin'ny fidasin'ny lapan'ny tanànan'Antananarivo teny Analakely ny lanonam-panjakàna fandraisana ny fahefana sy nanolorana samboady ny PDS ho an'ny kaominina Antananarivo Renivohitra Ramanambitana Richard. Nametraka izany ny Prefet an'Antananarivo, ny jeneraly Angelot Ravelonarivo... ♦ Manomboka anio ny fanokafana ny fankalazana ny andron'ny 8 marsa ao Toamasina...

♦ Manamafy ny fiaraha-miasa ny Eglizy Katôlika aty Afrika sy ny Vondrona Afrikanina. Amperin'asa indray ankehitriny ny Biraom-pifandraisan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy Madagasikara amin'ny Vondrona Afrikanina ao Addis-Abeba... ♦ Notanterahana teny amin'ny fidasian'ny Lapan'ny Tananan'Antananarivo teny Analakely, ny lanonam-panjakana fandraisana fahefana sy nanolorana samboady ny PDS an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramanambitana Richard...

♦ Hifandanja tsara ny tanjaky ny fitondràna sy ny mpanohitra amin'ny fifidianana amin'ny 29 mey, raha ny hevitry ny antoko Fiombonana. Tsy hamaritra izany ny voka-pifidianana tamin'ny volana novambra, hoy izy ireo... ♦ Nahasahana ny sakafon'ny voafonja ny fambolena tao amin'ny Camp Pénal ao Moramanga sy Vatomandry. Nitsidika ireo toerana ireo ny Ministry ny Fitsaràna ny faran'ny herinandro teo, nahita izany fivoarana izany... ♦ Efa natolotra ny sampan-draharaha misahana ny heloka mamoafady eo anivon'ny Pôlisim-pirenena i Da-Willy, ilay nanolana zaza 6 taona teny Imerintsiatosika. Voasambotra teny Anosibe androany vao maraina be izy...

♦ Efa nivoaka tanteraka any an-dranomasina ny foiben'ilay andro ratsy nandalo tany avaratry ny nosy. Hiitatra any amin'ny faritra avaratra-andrefana ny rotsak'orana aterany ato anatin'ny roa andro manaraka hoy ny Météo... ♦ Hanapan-kevitra amin'ny tohin'ny fitakiany ny Zoma izao ny sendikan'ny mpiraki-draharaham-pitsaràna eto Madagasikara. Ampy izay ny fampanantenana tsy nahitam-bokany hoy ny filohany... ♦ Nametraka fanamby ny hamerina hasina an'Antananarivo ny filhan'ny delegasiôna manokana, omaly. Nomen'ny filoham-pirenena baiko sahady izy, hanala ny fakon'Antananarivo atao anatin'ny 7 ka hatramin'ny 10 andro...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...