Ny fanatontoloana dia dingana fanokafana ny tsenam-pirenena ho an'ny vondrom-piaraha-monina iraisam-pirenena, manamafy ny fifanankalozana entana, asa, fampiasam-bola, olona ary vaovao samihafa sy ny teknôlôjia môderina mandrindra ny fifandraisana. Misy fiantraikany eo amin'ny fiainam-pianakaviana ny fanatontolona toy ny fahaverezan'ny soatoavina sy ny kolontsain'ny fianakaviana, hatramin'ny fahapotehan'ny teny Malagasy, manimba ny fifandraisan'ny fianakaviana, manimba ny fitaizana ireo tanora... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Niverina indray ny fametraham-pialana teny amin’ny CENI Alarobia, 6 taona aty aoriana. Handrasana ireo mpikambana vaovao handrafitra ny birao maharitry ny CENI… ♦ Handrasana anio maraina ny fanehoan-kevitra voalohany hentin-dRamatoa Ramanantsoa Harilala, taorian’ny didim-pitsaràna izay nanafoanana ny vato azony sy mandidy ny hamerenana ny fifidianana ao Antananarivo-renivohitra… ♦ Milaza ho leo ny fahataran’ny karama eo ihany koa ny fandoavana ny vola CNaPs sy OSTIE ireo mpiasan’ny SMA ka mitaky ny handravana ny orinasa… ♦ Sarotra ny hisian’ny fitoniana amin’ny ady any Moyen-Orient, nisongadina tamin’ny hafatra voalohany nataon’ny mpitari-dalàna faratampony any Iran ny fanidiana ny elidrano afahana mamoaka solika...

♦ Azo raisina ary voamarina ny fahabangan-toerana ao amin’ny birao maharitry ny CENI, taorian’ny fametraham-pialan’ireo mpikambana miisa 8, hoy ny Fitsaràna Avo momba ny Lalàm-panorenana… ♦ Mijanona ho sora-bola fotsiny aloha ny fampanantenana nataon’ireo firenena vahiny hatramin’izao, fa tsy mbola naharay ny fanampiana ara-bola avy amin’ireo ny BNGRC, birao nasiônaly misahana ny loza voajanahary, taorian’ny fiavin’ny rivodoza Gezani… ♦ Mitaky ny handravàna ny Société Municipale  d’Assainissement (SMA) eo anivon’ny Kaominina Antananarivo-renivohitra ireo mpiasa, niroso tamin’ny fitokonana mandritry ny fotoana tsy voafetra izy ireo...

♦ Nametra-pialàna ireo mpikamban'ny birao maharitry ny CENI miisa valo. Efa tafapetraka teny amin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana eny Ambohidahy ny 5 marsa teo ny taratasy fampahafantarana momba izany... ♦ Tsy tokony hanana zo handiso ny fitantanana ny raharaham-pirenena intsony ny mpitondra amin'izao sy ny ho avy eo hoy ny Transparency International Initiative Madagasikara. Maro ny zavatra simba noho ny fanaovana ampihimamba ny Fanjakàna hoy ny TIIMG... ♦ Nofaranana androany tamin'ny alalan'ny fitsidihana ny toeram-pambolem-bary tao Manakasina, Ambohimanga Rova sy tao Mahitsy ny fahaonambe faha-10 ny CARD...

♦ Tsy tokony avela ho baranahiny ny fitantanana ny renivohitr'i Madagasikara hoy ny filoha teo aloha, sady filoha nasiônalin'ny antoko TIM. Mila hafainganina koa hoy Andriamatoa Marc Ravalomanana ny fanendrena ny praiministra sy ny fijoroan'ny governemanta... ♦ Namelabelatra ny momba ny tetezamita hizorana mankany amin'ny fanavaozana ny Vovonana Ampandrana. Andrim-panjakàna hiaro ny repoblika hoy izy ireo no mila hajoro... ♦ Hitohy anio eny Anosy ny atrik'asa namolavolana antontan-taratasy fahatelo momba ny fandraisana anjara nasiônaly ho fiatrehana ny fiovan'ny toetr'andro "CDN" fahatelo...

♦ Misy ihany ireo hevi-dehibe tsy mazava tao anatin'ny tatitra nomen'ny fitondrana, ny SADC hoy ny vovonana Ampandrana (VonA), androany... ♦ Misy mitaona ny entana ao amin'ny Lapan'ny tanàna araka ny tatitra voarain'Andriamatoa Ravalomanana Marc avy amin'ireo mpanolontsaina monisipaly lany tamin'ny anaran'ny antoko TIM... ♦ Ao anatin'ny famolavolana ny antontan-kevitra fahatelo momba ny fandraisana anjara nasiônaly ho fiatrehana ny fiovan'ny toetr'andro i Madagasikara ankehitriny... ♦ Tsy hisy fetrany ny fitohizan'ny fanafihana an'i Iran, hoy ny Ministry ny fiarovana Israeliana...

♦ Governemanta mamaly ny tolona sy ny fitakiana natao no tokony hitsangana ho avy eo hoy ny KFIM, ireto farany izay manamafy hatrany ny handravana ihany koa ireo andrim-panjakàna tsy nahavita ny asany... ♦ Nahazo fanampiana milanga 30 taonina avy amin'i Inde entina hanampiana ny Faritra Atsinanana ny Birao nasiônaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC)... ♦ Mitohy ny asa fikojakojana sy ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-7, mampitohy an'Antananarivo - Atsirabe, anatin'ny fandrakofana tara eo Behenjy makaty Antananarivo ny asa ankehitriny...

Ny aina dia manana ny hasiny. Misy ireto dingam-piainana ireto, azo sokajiana ho tena sarobidy satria fototry ny fitohizanaina dia ny ao am-bohoka izany hoe eo amin'ny fiforonan'aina hatramin'ny faha 9 volana, ny fiainan'ny menavava manomboka amin'ny fahaterahana hatramin'ny faha 2 taonany, ny dingaha maha zazakely dia 2taona hatramin'ny 5taona. Ilana famendrehana hatrany ny fandanjalanjàna ny fikoloana ny aina... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ .Manaiky sy manaja ny fanapahan-kevitry ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika tamin'ny fampiatoana azy tamin'ny andraikitra nosahaniny ny Praiministra teo aloha Herintsalama Rajaonarivelo.. ♦ Hampiantso fivoriana tsy ara-potoana ireo solombavambahoaka afahana manolotra ny anaran'izay ho praiministra vaovao, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Siteny Randrianasoloniaiko... ♦ Mampiantrano ny andiany faha-10 amin'ny fivoriamben'ny CARD isika eto Madagasikara, fivoriana hametrahana vina hampitombo avo roa heny ny voka-bary aty Afrika hatramin'ny taona 2030...

♦ Tanterahana eto Madagasikara mandritra ny efatra andro ny fivoriamben'ny CARD andiany faha-10. Hampitombo n y voka-bary aty Afrika ho avo roa heny ny vinan'ny CARD hatramin'ny taona 2023... ♦ Mangataka ny fifanomezan-tanana amin'ny olom-pirenena hanatsara ny sehatry ny fananan-tany eto Madagasikara ny sekretera jeneralin'ny ministeran'ny fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany. Mankalaza ny faha-130 taona ny sampan-draharahan'ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany eto Madagasikara... ♦ Fanetribe mampahantra ny vahoaka sy ny firenena ny fanaovan'ny matanjakà ampihi-mamba ny Fanjakàna, hoy ny Transparensy International Initiative Madagasikara...

♦ Tsy tokony hijanona ho fombafomba na dingana ara-taratasy fotsiny ny didim-pitsarana hoy ny ONG Tolotsoa manoloana ny famerenana ny fifidianana ben'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra... ♦ Miisa 9.238 ireo sokatra tratra nahondrana sy saika ahondrana any ivelany teo anelanelan'ny taona 2024-2025. Tsy misy afatsy ny fanamafisana ny sazy ho tena henjana ihany no vahaolana hoy ny AVG... ♦ Ahemotra amin'ny andro hafa ny fanokafana ny Fikaonan-doham-pirenen'ny Tanora izay nokasaina ho tanterahina rahampitso alarobia 11 marsa... ♦ Miha mahery vaika vokatry ny ady any amin'ny faritra Moyen-orient ny krizy ao Liban...

Ny "kipotsaka" dia karazan-dahabolana mifototra amin'ny tsilalaon-teny aman-kevitra. Ampiasaina rehefa hampita hafatra fohy izy io ka eo alohan'ilay fehezanteny na andiam-pehezanteny mirakitra ny tena hafatra dia andrafetana fehezanteny na andiam-pehezanteny tsy manana hevitra mifandraika mihitsy amin'ny votoatin'izay hafatra hampitaina amin'ilay itenenana. Ny foko Betsileo no tena mpiangaly ny kipotsaka, indrindra ireo tanora mifampilaza fitiavana. Ny lahabolana "kalita" no mitovitovy amin'ny "kipotsaka" fa iry voalohany dia somary misy rima...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...