Raha hanontany anao aho izao hoe : oviana i Jesoa no teraka ? 25 Desambra hoy ianao. Tsy tena fantatra anefa hoe andro inona no nahaterahan’i Jesoa Kristy. Ny ao amin’ny baiboly koa tsy nisy nilaza izany.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany, dia nankany amin’ny tanin’i Jodea ary niara-nitoetra tamin’izy ireo tany Izy sady nanao batemy ny olona. I Joany koa nanao batemy tany Enôna akaikin’ny Salîma, fa be rano tao, ka nanatona ny olona sy nataony batemy; fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina i Joany. Ary nifanditra tamin’ny Jody anankiray ny amin’ny fanadiovana ny mpianatr’i Joany, ka nankany amin’i Joany ny mpianany nanao taminy hoe: "“Raby, Ilay teny aminao, teny an-dafin’i Jordany, izay nambaranao manko, ka indro manao batemy koa ary mankany aminy ny olona rehetra". Dia namaly i Joany ka nanao hoe: "Tsy mahazo mandray na inona na inona ny olona raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany. Ary ianareo ihany no vavolombelon’ny nilazako hoe: Tsy i Kristy aho, fa nirahina hialoha Azy. Izay manana ny ampakarina no mpampakatra, fa ny sakaizan’ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy, dia faly tokoa mandre ny feon’ny mpampakatra; ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko. Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa raha tao amin’ny tanàna anankiray, dia indro nisy lehilahy rakotry ny habokana nahita Azy, sy niankohoka nitaraina taminy nanao hoe: “Tompoko, raha mety Ianao, mahay manadio ahy.” Dia naninjitra ny tanany Izy nanendry azy, sy nanao hoe: “Mety Aho, madiova ianao”, ka afaka niaraka tamin’izay ny habokany. Noraran’i Jesoa tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza izy. Ary hoy Izy: “Mandehana misehoa amin’ny mpisorona, ka manatera ny fanatitra noho ny fahasitrananao, araka ny voadidin’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny olona.” Fa mainka niely ny lazany, ka nirohotra be dia be ny vahoaka mba hihaino Azy sy mba hositraniny amin’ny aretiny; Izy kosa anefa amin’izany dia nihataka nankany an’efitra ka nivavaka tao.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia nentin’ny herin’ny Fanahy niverina tany Galilea indray, ary niely tamin’ny tany manodidina rehetra ny lazany. Nampianatra tao amin’ny sinagôgan’izy ireo Izy, ka nankalazain’izy rehetra. Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy Izy, dia niditra tao amin’ny sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny. Natolotra Azy ny bokin’i Izaia Mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe: “Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka Ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahoriana ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana.” Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy, ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga. Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: “Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany.” Ary nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany.

Tamin’izany andro izany, rahefa nampitombo ny mofo i Jesoa, dia notereny hiondrana an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany, mba hialoha Azy eny am-pita ho any Betsaida, ambara-pandravany ny vahoaka; ary rahefa avy nanao veloma ny olona Izy, dia nankany an-tendrombohitra mba hivavaka. Nony hariva ny andro, ny sambo kely dia efa mby teny ampovoan’ny ranomasina, ary i Jesoa irery no teny an-tanety. Ary hitany izy ireo sahirana nivoy mafy erý fa notohain’ny rivotra, ka tokony ho tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina, dia nandeha teny ambonin’ny ranomasina Izy nankeo aminy, ka saika handalo azy. Kanjo nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia nataony ho matoatoa ihany ka niantsoantso mafy izy, fa nahita Azy avokoa izy rehetra ka raiki-tahotra erý. Niaraka tamin’izay dia niteny taminy Izy nanao hoe: “Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra.” Ary niakatra teo aminy eo an-tsambo kely Izy, dia nitsahatra ny rivotra, ka talanjona fatratra izy ireo, fa tsy azony an-tsaina itý fahagagana tamin’ny mofo teo noho ny hadonton’ny fony.

Arahabaina manokana ireo mitondra ny anarana hoe Sylvestre amin'ity faran'ny taona ity satria i Masindahy Sylvestre no tsaroana ny 31 desambra. Teraka tamin'ny taona 280 i Sylvestre. Mpisorona ny rainy, Rufinus no anarany, ary i Justa kosa no reniny. Romanina izy ireo. Ary nankinin'ny reniny tamin'ny mpisorona natao hoe Cyrinus ny fitaizana azy.

30 desambra — Teraka tao Cannes tokony ho tamin'ny taona 1060 i Masindahy Roger. Niaina tao anatin'ny faharavana vokatry ny ady tamin'ny fanoherana izay nataon'ireo barons normands tsy nanaiky ny fahefan'i Robert Guiscard izy.

29 desambra — Teraka ny taona 1117 avy amin'ny fianakaviana mpanan-karena tao London i Thomas Becket, ka noho ny fanohanan'ny fianakaviany dia afaka nanohy ny fianarany tany Paris izy. Niara-niasa tamin'ny Thibaut, arseveka tao Cantorbery izy, izay nandefa azy ho any Roma ny taona 1151 ka hatramin'ny 1153 sy tany amin'ny sekoly tao Bologne sy Auxerre izay nanofana azy ho mpahay lalana.

28 desambra — Efa hatramin'ny taonjato faharoa ny Fiangonana no namarika ny 28 desambra ho fahatsiarovana ireo zaza tsy manan-tsiny novonoin'i Hérode noho ny hatezerana, satria hoe hisy zaza teraka handray ny fahefana amin'ny maha mpanjaka azy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nahita vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy manam-piandry izy ireo ; dia nampianatra azy zavatra maro Izy. Nony hariva ny andro dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe : “Ny tany efitra ; ny andro efa hariva, ka alefaso ny olona handeha hividy hanina any amin’ny tanàna sy ny vohitra manodidina.” Fa izao no navaliny azy ireo : “Omeonareo hanina izy.” Ka hoy ireo taminy : “Handeha hividy mofona denie roanjato va izahay ka homenay azy hohaniny ?” Ary hoy Izy taminy : “Manana mofo firy ianareo ? Mandehana hoe zahao.” Ary rahefa nozahany, dia hoy izy : “Mofo dimy sy hazandrano roa.” Dia nasainy hampipetraka ny olona rehetra hatao antokotokony eny amin’ny ahi-maitso izy ireo ; ka nipetraka mitsitokotoko izy, ny sasany zato, ary ny sasany dimampolo. Dia noraisiny ny mofo sy ny hazandrano roa, ary niandrandra ny lanitra Izy, ka nitsodrano. Rahefa izany novakìny ny mofo dia nomeny ny mpianany mba harosony eny anoloan’ny olona, ary nozarainy tamin’izy rehetra koa ny hazandrano roa. Dia nihinana izy rehetra ka voky ; ary ny sombintsombin’ny mofo sy ny hazandrano sisa tsy lany nahafeno sobiky roa ambin’ny folo ka nentiny nody. Dimy arivo lahy anefa no isan’ny nihinana tao.

Tamin’izany andro izany, nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany, dia lasa Izy nankany Galilea ; ka nony niala tany Nazareta dia tonga tao Kafarnaôma, tanàna amoron-dranomasina ao amin’ny sisin-tanin’i Zabolôna sy Neftali ka nonina tao, mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia Mpaminany hoe : “Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftali, ny lalana ao amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordany, Galilean’ny Jentily : ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava.” Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa ka nanao hoe : “Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.”

Ary i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo, nampianatra tao amin’ny sinagôgan’ny olona, sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona. Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny. Ary be ny vahoaka avy tany Galilea sy Dekapôly sy Jerosalema sy Jodea ary avy tany an-dafin’i Jordany, no nanaraka Azy.

Rehefa teraka tao Betilehema any Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, dia indreo nisy Majy avy tany Atsinanana tonga tany Jerosalema nanao hoe : “Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka ? fa efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay, ka nankaty mba hitsaoka Azy”. Raha nahare izany i Herôda mpanjaka, dia taitra izy mbamin’i Jerosalema rehetra, ka namory ny lohan’ny mpisorona rehetra, sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy, ary nanontany azy hoe : “Aiza no hahaterahan’i Kristy ?” Ary hoy ireo taminy : “Ao Betilehema any Jodea, fa izao no voasoratry ny mpaminany : Ary ianao, ry Betilehema tanin’i Jodà, tsy ianao no kely indrindra amin’ny renivohitr’i Jodà, fa avy ao aminao no hivoahan’ilay Mpanjaka izay hifehy an’i Israely oloko”. Dia nalain’i Herôda mangingina ny Majy, ka nohadihadîny fatratra ny andro nisehoan’ny kintana taminy. Ary naniraka azy ho any Betilehema izy nanao hoe : “Andeha ka fotopotory tsara ny amin’ilay Zaza ; ary rehefa hitanareo, dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka Azy”.

Ary rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo dia lasa. Ary indro ilay kintana hitany tany Atsinanana, fa nialoha azy ambara-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zaza. Faly dia faly izy nony nahita ny kintana, ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy i Maria Reniny, ka niankohoka nitsaoka Azy ; ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny, dia nanolotra fanatitra ho Azy izy, dia volamena sy emboka manitra ary mira. Ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin’i Herôda, dia lalan-kafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...