18 mey — Mpanjaka tao Suède nanomboka ny taona 1150 i Eric, nisongadina tamin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly nataony tany amin'ireo Anglo-saxons tany Europe Avaratra, ny asa sy ny fiainany, indrindra fa ny tao Suède. Nankinin'i Eric tamin'i Henri, eveka tao Uppsala ny fampibebahana ny vahoakany. Fa izy tenany kosa lasa nitory ny Vaovao Mahafaly tany Finlande, toerana mbola tena be mpanompo sampy.

Teraka tao Espagne ny 17 mey 1540 i Pascal, zanaka mpamboly manetry tena izy io ary feno hatsaram-panahy kristianina. Vao fito taona monja dia efa niandry ondry izy, ary ny fotoana tamin'izany dia nolaniany tamin'ny vavaka sy ny famakian-teny, ary voalaza aza fa, ny anjely mihitsy no tonga eo mampianatra azy.

16 mey — I Masindahy Luigi Orione dia teraka tamin'ny 23 jona 1872 tao Pontecurone, tao amin'ny diosezin'i Tortone. Teo amin'ny faha-13 taonany izy dia noraisin'ny Franciscains tao Voghera. Herintaona monja anefa izy no tao, noho ny tsy fahasalamany. Ny taona 1886 ka hatramin'ny taona 1896 dia, mpianatr'i Don Bosco tao Valdocco, tao Turin izy.

15 mey — Masindahy Isidore tsarona izao dia ilay niaina teo anelanelan'ny taona 1070 ka hatramin'ny 1130. Teraka nanodidina ny taona 1070 teo mantsy i Isidore, tsy mba nanam-bola aman-karena ny ray aman-dreniny fa ny oha-pitondran-tena tsara, sy ny finoana, ary fahatahorana an'Andriamanitra no nampianariny azy.

Natokana ho androm-pivavahana sy fifadin-kanina ary fanaovana asa soa ny andron’ny 14 mai, araka ny tolokevitry ny »Haut Comité pour la Fraternité Humaine » ka nankatoavin’i Papa François.

14 mey — I Matthias dia ilay mpianatra nofidiana hasolo an'i Jodasy, ho isan'ny apôstôly, ny Asan'ny Apôstôly 1, 15-26 no mitantara ny fomba nifidianana azy io, taorian'ny niakaran'i Jesoa tany an-danitra.

13 mey — I Masimbavy Dominique Mazzarello dia teraka tao Mornese tao Piémont tamin'ny 9 mey 1837. Enina no isan'ny iray tampo aminy. Tsy mba nisy sekoly tao an-tanana, ka dia ny rainy no nampianatra azy namaky teny sy nanisa.

Katsaho ny maha izay anao dia ny mampiavaka anao amin'ny hafa izany. (13-05-2020)

12 mey — Andeha i Md Nérée sy Md Achilée no ho resahintsika satria martiry niaraka izy ireo. Izy ireo dia mpanompon'i Masimbavy Flavie Domitilla, ary ny fitiavam-bavaka nasehony no nampibebaka an'io zanaky ny mpanjaka io, sy nahatonga azy nahatoky azy ireo.

 Tsy afaka haharitra ny hiakan’ny tany sy ny antsoantson'ny mahantra, hoy ny Papa François, manentana antsika hanamarika ny herinandron’ny « Laudato Si’ » ny 16 ka hatramin’ny 24 mai 2020. Amin’io fotoana miavaka io, hiombom-po ny katolika eran’izao tontolo izao, handalina, hivavaka, miaraka hanomana ny hoavy tsara kokoa.

Niantso ny Kardinaly Odilo SCHERER, arsevekan’i SAO PAULO any Brésil i Papa François, nanehoany ny ahiahiny manoloana ny firongatry ny fifindràn’ny tsimokaretina coronavirus  sy ny fahafatesana aterak’izany ao amin’ny arsidiosezy iadidiany.

11 mey — I Masimbavy Estelle dia romanina ny rainy ary légat tao Saintes. Niana tany amin'ny taonjato voalohany tany izy io. Rehefa avy nihaino ny fampiananran'ny Masindahy Eutrope izy, eveka voalohany tao Saintes, dia nangataka atao batemy ary lasa mpianany.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...