♦ Olona roa akaiky ny fitondràna teo aloha no niharan'ny fisavàna trano ny faran'ny herinandro teo. Nosavaina ihany koa ny tranon'Andriamatoa Edgard Razafindravahy, ankoatra an'i Moussa Soalihy, izay voasambotra, omaly... ♦ Nivoizan'ny mpanao pôlitika sasany tato ho ato ny fitakiana fandravàna ny Antenimieram-pirenena, hirosoana any amin'ny tena fanovàna. Te hahazo seza ireo mivoy izany, hoy ny solombavambahoakan'i Faratsiho... ♦ Tsy an'asa ny maro amin'ireo "infirmiers" nahavita fianarana eto Madagasiraka. Misy ireo sampandraharaha handefa azy ireo hiasa any ivelany, miara-miasa amin'ny Holafitry ny Infirmiers eto Madagasikara...
… /… Fitohanan'ny fifamoivoizana na tohim-boivoy, na embouteillage e! Teny hilazantsika azy avokoa izany. Dia efa zary fiainana andavanandron'Antananarivo ity resaka embouteillage ity. Efa tsy hakana lagy, hoy ny fomba fiteny. Lasa eritreritra ny Arofanina fa tsy mety voavaha mihitsy io olana io, efa am-polom-polo taona maro. Ny fitomboan'ny mponina no antony voalohany mahatonga ny fitohanan'ny fifamoivozana lavareny eto Antananarivo. Fantatra manko fa manodidina ny 3 tapitrisa ny mponina ao an-drenivohitra, miampy ireo mipetraka manodidina, izay mbola miasa, mivarotra, na manao raharaha hafa ao....
♦ Lasa Paroasy ato anatin'ny Diôsezin'Antananarivo ny Ekar Masina Maria Mpanampy. Nambara araka ny fomban'ny Fiangonana, omaly ny momba izany... ♦ Mitady hivaona amin'ny tolona ny asan'ny Governemanta tao anatin'izay roa volana izay hoy ny Antenimieran'ny tolona. Tafatsangana ny sabotsy teo nandritry ny fihaonamben'ny mpitolona teny Ampefiloha io vovonana io... ♦ Tsy mahomby ary tsy nitondra vahaolana ho an'ny sehatra tsy miankina ny Praiministra sy ny ministry ny asa hoy ny SVS, izay niatrika Kôngresy nasiônaly ny sabotsy teo. Nanapaka izy ireo fa mitohy ny tolona ho an'ny mpiasa... ♦ Nanomboka alina ny CAN 2025, izay tanterahina any Maroc...
Ny fankalazàna ny Eokaristia na Lamesa na Sorona Masina, araka ny fahalalantsika azy dia manomboka eo amin'ny hira fidirana na fanombohana ary mifarana amin'ny hira fanirahana. Mivelatra ho fizaram-potoana miisa roa lehibe izy, nefa mirafitra ho tokana ihany ny votoatiny : voalohany ny famoriana na fanokafana ny fankalazana ary ny faharoa dia ny fankalazana ny Sorona na ny litorjian'ny Eokaristia... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
♦ Efa manomana ny fifidianana ho avy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena hoy ny solombavambahoaka Antoine Rajerison. Noamafisiny fa isan'ny paik'ady ny fananganana vondrona parlematera vaovao... ♦ Hitombo ny rano vokarin'ny Orinasa JIRAMA eny Mandroseza. Misy ny asa fanarenana ka tombanana hiakatra hatrany amin'ny atsasany ny rano vokarina afaka 2 volana... ♦ Misy ny fikasàna hanangana ny holafitry ny mpiasa sôsialy. Mikarakara izany ny ISTS eny Mandrimena Iavoloha sy ny sampana manofana ho mpiasa Sôsialy eny amin'ny oniversite... ♦ Nitatitra ny zava-bita nandritry ny 12 volana farany ny filoha Rosianina...
Alahady 21 desambra 2025. Alahady fahefatra — Taona A "fiavian’ny Tompo" : Hiara-monina amintsika Andriamanitra ; Indro ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe: Emanoela, izany hoe Andriamanitra eo anivontsika. Aleloia. Ireo fihetsika nataon'i Masindahy Joseph dia maneho fa olo-marina izy satria tsy mankasitraka ny fahafatesan'ny hafa, nanaraka ny feon'Andriamanitra ary mihaino sy manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Rehefa miala amin'ny fahotana isika dia afaka manavaka ny feon'Andriamanitra amin'ny fakam-panahy. Ny zanak'Andriamanitra tonga nofo dia ho an'ny olombelona rehetra ary honina eo amintsika...
♦ Nahavita be tamin'ny famolavolàna mpisehatra amin'ny asa sôsialy ny Ivon-toerana Ambony ho an'ny Asa Sôsialy (ISTS) eny Mandrimena Iavoloha. Ivon-toerana mankalaza ny faha-65 taona nijoroany... ♦ Nitsidika ny Faritra Atsimo omaly, ny filohan'ny fanavoazana ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny delegasiôna niara-dia taminy. Tsy ho vita ao anatin'ny fotoana fohy hoy ny Koôlônely Randrianirina Michaël ny fanarenana ny firenena potika an-taonany maro... ♦ Nifarana omaly ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny Antenimiera mpanao lalàna eto Madagasikara. Nanjaka ny demôkrasia teny Tsimbazaza, nalalaka ny fanehoan-kevitry ny solombavambahoaka...
Anatin'ny asivinandro mialohan'ny Noely isika ; zava-dehibe ny fihavanana eo amin'ny fiaraha-monina ary ao amin'ny Tompo. Fotoana izao hihavanana amin'ny rehetra, amin'ny alalan'ny Sakramentan'ny Fihavanana ary ny fihavanana amin'isika samy isika olombelona. Isika rehetra dia efa natao hiombona ary miombina ao amin'i Jesoa Kristy. Isika dia manana adidy hiaro ny tanindrazana, ny havana sy ny mpiray monina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Mpisorona i Jesoa satria nanolo-tena amin'ny Ray ary nanolotra ny ainy ho sorona teo amin'ny hazofijaliana ho antsika olombelona. Ny teny "sorona" dia manana heviny maro fa eto amin'ity katesizy hifampizarana ity dia i Jesoa nanolotra ny tenany ho sorona ho antsika olombelona no heviny, ary miantso antsika hanolo-tena toa Azy koa ho porofon'ny fitiavana... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Volavolan-dalana miisa valo, niampy tolo-dalana iray no nolaniana teny amin'ny Antenimieram-pirenena tamin'ny fivoriana ara-potoana faharoa nifarana androany. Tafatsangana ihany koa ny vaomiera mpanadihady miisa fito... • Ny vahoaka Malagasy ihany no tompon-kevitra amin'ny tokony hamerenana an-tanindrazana, na tsia, ny mpialokaloka politika Malagasy any ivelany, fa tsy ny Vondrona SADEC, hoy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo... • Mankalaza ny faha-65 taona nijoroany ny Ivon-toerana Ambony ho an'ny Asa Sosialy, na ny ISTS, eny Mandrimena Iavoloha. Nomarihana androany tamin'ny alalan'ny Sorona Masina izany...
Fankalazàna sady fahatsiarovana ny lasa, vavaka mamelona fanantenana ankaotra ny maha vavaka fisaorana azy no avoitry ny vavaka Eokaristika ataon'ny Kristiana satria i Jesoa no nametraka io sakafo io tamin'ny fanasana nataony ny "Alakamisy Masina" ho ao anatin'ny rafitra litorjika. Ny hazofijaliana dia fanomanana antsika hiatrika ny sakafo homanin'i Jesoa... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Nandiso ny fivoizana ny fikasana fanonganan'ny Antenimieram-pirenena ny Praiminisitra, ireo Solombavam-bahoaka nanontanina teny Tsimbazaza androany... • Hahena 50% ny fampiasana kitay arina fandrehitra amin'ny fahandroan-tsakafo eto Madagasikara amin'ny taona 2030. Nankatoavina androany teny Anosy ny politikam-pirenena momba ny angovo madio... • Mitaky “cité” hipetrahana sy vatsim-pianarana mbola tsy voaloa, ireo mpianatry ny ENS Ampefiloha. nidina an-dalambe sy nibahana fifamoivoizana izy ireo androany, nanehoan'izy ireo izay fitakiana izay...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco