♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

♦ Tsy navela hanaterana fehezam-boninkazo teny amin'ny kianjan'ny 13 mey ny maraina teo. Tsy nahasakana ireo mpikamban'ny "hetsiky ny 13 mey" tonga teny an-toerana anefa izany... ♦ Tale teo aloha 36 isa eo anivon'ny JIRAMA no miatrika fitsaràna eny amin'ny PAC androany. Vesatra hanenjehana azy ireo amin'izany ny fandraisana tambin-karama mihoam-pampana izay misy tafakatra 1 miliara Ariary... ♦ Niitatra tamin'ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso ilay tranga fitifirana tovolahy tetsy Antalamohitra-Ambohibao ka nisy ireo naratra... ♦ Noesorin'i Vladmir Poutine ny Ministry ny Fiarovana Rosiana, Sergueï Choigou. Fanesorana no fanovàna tampoka ireo mpikamban'ny governemanta, alina...

♦ Napetraka ho Evekan'ny Diôsezin'i Miarinarivo, araka ny fomban'ny Eglizy omaly, i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa... ♦ Mirongatra ny fanondranana an-tsokosoko ny biby arovana sy hazo sarobidy amin'izao manakaiky fifidianana izao. Tranga efatra no niseho tato ho ato, hoy ireo Fiaraha-monim-pirenena 73, raha nanao fanambaràna ny sabotsy teo... ♦ Tafakatra hanao "Mondial" diviziôna fahatelo ny ekipam-pirenena malagasy eo amin'ny baolina lavalava. Lasan'i Afrika atsimo ny tompondakan'i Afrika, nandritra ny lalao teny Andohatapenaka omaly tolak'andro... ♦ Mbola mitohy ny fanafihana ataon'ny tafika israeliana any amin'ny Faritra Gaza. Teratany palestiniana 20 isa no namoy ny ainy tany Jabalyia, vokatr'izany omaly...

♦ Natao teto Antananarivo nandritra ny telo andro ny fivoriana voalohany fiomanana amin'ny fanolorana ny pôlitika ara-barotr'i Madagasikara any amin'ny OMC, na ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny varotra... ♦ Nidina ny vidin'ny vary gasy manerana ny distrika miisa 9 any amin'ny Faritra Atsimo-andrefana. Anatin'ny fararano fiakaran'ny vokatra ny any an-toerana amin'izao fotoana izao... ♦ Tsy mbola mivaha hatramin'izao ny olan'ny fananan-tany ao amin'ny kaominina Betsoana distrika Mandoto Faritra Vakinankaratra. Miantso ny fitondrana hamaha ny olana misy ny mponina ao an-toerana... ♦ Mbola miaina tondra-drano govana ny any Bresil amin'izao fotoana izao. Olona 100 mahery no maty...

Alahady fahafito fankalazana ny Paka : Fitiavana sy fahamarinana no tena endrik'i Kristy Fitiavana ; tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo. Aoka hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ny nitsanganany ho velona. Izay mitoetra ao amin’ny fitiavana, dia mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. Ny votoatin'ny Evanjely anio dia ny fisarahana mahamenatra eo amin'ny olona sy ny fiangonana ; misy koa ny fisarahana izay efa tsinjon'i Kristy mialoha dia ny fisarahan'ny mpianatra amin'ny fitoriana ny filazan-tsara, eo koa ny fahasimban'ny firaisana Aminy, ary anton'ny vavaka nataon'i Jesoa hoe : Ho iray tahaka Antsika anie izy ireo...

♦ Telo taona sy tapany an-tranomaizina. izay no sazy navokan'ny fitsaràna britanika ho an'ny tale kabinetran'ny filohan'ny repoblika teo aloha Ramatoa Romy Voos Andrianarisoa. Didim-pitsarana noho ny raharaha kolikoly nanenjehana azy... ♦ Manahy amin'ny ho avin'ny orinasa iasany manoloana ny fiovan-drafitra amin'ny fitantanana ao amin'ny OMNIS ireo mpiasa. Nisy omaly ny fivoriambe niarahan'ny mpiasa tamin'ny Ministra tompon'andraikitra... ♦ Tsy vahaolana hanarenana ny JIRAMA ny fampiharana ny vidin'ny tena izy amin'ny jiro sy rano hoy ny Fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Miantso an'i Israël hanajanona ny fanafihana ataony ao Rafah faritra atsimon'i Palestine ny firenena tandrefana...

♦ Velona ahiahy amin'ny ho aviny, manoloana ny fiovan-drafitra amin'ny fitantanana misy eo anivon'ny OMNIS, ireo mpiasa... ♦ Tanora avy amin'ny tontolo ambanivohitra miisa 142 no tafiditra miasa amin'ireo orinasa samihafa vokatry ny tetikasa Pro-Agri-Youth, izay tanterahan'ny OIT eto Madagasikara... ♦ Tsy vahaolana hanarenana ny orinasa Jirama ny fampiharana ny vidiny tena izy amin'ny jiro sy ny rano, hoy ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH...

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

♦ Andrasana amin'izay ho Solombavam-bahoaka vaovao ho lany eo, ny fandraisana fepetra hentitra amin'ireo mpitondra tsy manaja ny Lalam-panorenana sy tsy manome hasina ny andrim-panjakana, hoy Andriamatoa Constant Raveloson... ♦ Hihamafy ny fanapahan-kevitra horaisina amin'ny fivoriana tsy ara-potoana hataon'ny Sendikàn'ny Mpirakidraharaham-pitsarana eto Madagasikara, raha toa ka mbola minia manampin-tsofina amin'ny fitakiany ireo tompon'andraikitra...

♦ Hanomboka anio ny fanaparitahana ireo fitaovana samihafa ilaina amin'ny fifidianana, araka ny tetiandro nampahafantarin'ny CENI... ♦ Manentana ny vahoaka Malagasy mba handray anjara amin'ny zotram-pifidianana ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara. Antoka hampahomby izany anefa, hoy ny fanamabarany, ny hanatanterahana fifidianana malalaka sy ara-drariny ary amim-pilaminana... ♦ Manomboka anio zoma amin'ny 3 ora tolakandro no ao am-bohitra, ao Tsaramihafara Itaosy, ny nofo mangatsiakan'i Tsimitoviaminandriandehibe Rajaofetra Guy, fantatra amin'ny anarana hoe Xhi...

Isika olom-pirenena malagasy dia hiatrika fifidianana solombavambahoaka amin'ity taona ity, zo sy adidy ny mifidy. Ny safidy dia zava-dehibe ary fototry ny ho avy koa samia miezaka ho tony sy hisaina tsara izay mety hampandrosoana ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Noraisin'ny CENI tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato androany, irao fitaovana samihafa hampiasaina amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka ny 29 mey 2024... ♦ Nanomboka androany, manerana an'i Madagasikara, ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, hatao amin'ny 29 mey 2024... ♦ Nomarihana androany 8 mey teny amin'ny Parvis Analakely ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Vokovoko Mena. Lohahevitra tamin'izany ny hoe: "Koloy aina, ny mahaolona"...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...