Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 11, 29-32 ; 12, 19)

Niendaka tamin’ny tranon’i Davida i Israely.

Tamin’izany andro izany,
raha nivoaka avy tao Jerosalema i Jerôbôama
dia nifanojo teny an-dalana tamin’i Ahiasa mpaminany,
avy any Silao, sy nitafy kapaoty vaovao:
izy roalahy ihany no tany an-tsaha tamin’izany.
Nalain’i Ahiasa ny kapaoty vaovao teny aminy,
ka norovidrovitiny ho roa ambin’ny folo, dia hoy izy tamin’i Jerôbôama:

“Raiso ho anao ny tapany folo,
fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely:

Indro, hendahako avy eo an-tanan’i Salômôna ny fanjakana,
ka homeko anao ny foko folo, fa ny foko iray ihany no sisa azy,
noho ny amin’i Davida mpanompoko sy noho ny amin’i Jerosalema,
tanàna voafidiko tamin’ny fokon’i Israely rehetra.

Toy izany no niendahan’i Israely tamin’ny tranon’i Davida mandraka androany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 80, 10-11ab. 12-13. 14-15

Izaho no Tompo Andriamanitrao, mihainoa ny teny hambarako anao.

Tandremo mitsaoka andriamani-kafa.
Mandray ny andriamanitr’ireo vahiny;
f’izaho re no Tompo Andriamanitrao.
Nampakatra anao avy tany Ejipta.

Kinanjo ny oloko tsy nihaino.
I Israely nanosika Ahy!
Izao izy avelako hanao ny tiany.
Hanaraka tsara izay sitrapony.

Indrisy raha nihaino Ahy ireo olon-tiako.
Ka i Israely nanaraka Ahy:
dia ho noreseko ny fahavalo.
Ny rafy ho nasiako tokoa tokoa.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)

Nampalady ny marenina sy nampiteny ny moana Izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niala tany amin’ny faritanin’i Tira,
ary namaky ny faritanin’i Sidôna
ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapaoly.
Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana
nentin’izy ireo teo aminy sy nangatahany mba hametrahany tanana.
Dia nitondra azy niavaka tamin’ny vahoaka Izy,
ka nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany.
Rahefa izany dia niandrandra ny lanitra Izy,
sady nisento ary nanao taminy hoe:

“Efeta, izany hoe, misokafa.”

Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha ny fatoran’ny lelany,
ka niteny tsara izy,
ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza;
fa araka ny nandrarany azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza;
sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe:

“Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony,
fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 11, 4-13)

Satria ianao tsy nitandrina ny fanekeko, dia hotsoahako eo an-tananao ny fanjakako, nefa hamelako foko iray ihany ny zanakao noho ny amin’i Davida.

Tamin’ny fahanteran’i Salômôna,
dia natongilan’ny vadiny ho amin’ny andriamani-kafa ny fony,
ka tsy mba an’ny Andriamanitra Tompony manontolo,
toy ny fon’i Davida rainy, ny fony,
fa nanaraka an’i Astarte andriamani-bavin’ny Sidônianina i Salômôna,
sy an’i Melkôma, fahavetavetan’ny Amônita.
Koa nanao izay ratsy teo imason’ny Tompo i Salômôna,
fa tsy mba manaraka an-tsakany sy an-davany ny Tompo tahaka an’i Davida rainy.

Tamin’izany nanorina fitoerana avo i Salômôna
teo amin’ny tendrombohitra tandrifin’i Jerosalema,
ho an’i Kamosa fahavetavetan’i Môaba,
sy ho an’i Molaoka, fahavetavetan’ny taranak’i Amôna.
Nanao toy izany koa izy ho an’ny vadiny hafa firenena rehetra,
izay nandoro zava-manitra sy nanatitra sorona ho an’ny andriamanitr’izy ireo.
Dia tezitra tamin’i Salômôna ny Tompo noho ny nivilian’ny fony
niala tamin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely izay efa niseho taminy indroa,
sady efa nandrara azy ny amin’izany, mba tsy hanarahany andriamani-kafa,
nefa tsy nitandrina ny didin’ny Tompo izy.
Ka hoy ny Tompo tamin’i Salômôna:

“Noho izao fitondran-tenanao izao,
ka tsy mba nitandrina ny fanekeko sy ny lalàko izay nandidiako anao ianao,
dia hotsoahako marina tokoa eo an-tananao ny fanjakana, ka omeko ny mpanomponao.
Tsy hataoko amin’ny andronao anefa izany,
noho ny amin’i Davida rainao fa rahefa mby amin’ny zanakao vao hendahako aminy izy.
Ary tsy dia ny fanjakana manontolo koa aza no hoendahako,
fa hamelako foko iray ihany ny zanakao, noho ny amin’i Davida mpanompoko,
sy noho ny amin’i Jerosalema izay voafidiko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 105, 3-4. 35-36. 37 sy 40

Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao.

Sambatra izay mitandrina ny rariny,
sy manao ny hitsiny amin’ny fotoan-drehetra!
Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao!
Vangio amin’ny famonjenao izahay.

Niharo tamin’ireo firenena izy,
sady nianatra ny fanaony.
Ny sampin’izy ireo notompoiny,
ka tonga fandrika ho azy.

Nosoroniny ho an-dolo
ny zanany lahy aman-janany vavy.
Koa nirehetan’ny haviniran’ny Tompo ny Vahoakany,
tonga halany mainty ny Lovany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 24-30)

Ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ao ambany latabatra ihany.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa, dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy Sidôna,
ary niditra tao an-trano anankiray,
fa tsy te-ho fantatr’olona, nefa tsy nahazo niery.
Fa vetivety foana dia nisy vehivavy anankiray
nanan-janakavavy azon’ny fanahy maloto nandre izany,
ka tonga niankohoka tamin’ny tongony.
Jentily avy amin’ny firenena Sirôfenisa ravehivavy,
ary ny nangatahiny taminy dia ny handroahany ny demony amin’ny zanany vavy.
Fa hoy Izy taminy:

“Aoka ho voky aloha ny zanaka;
fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ny amboa.”

Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe:

“Marina izany, Tompoko,
kanefa ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza
ao ambany latabatra ihany.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Mandehana, fa noho izany teny izany,
dia efa niala tamin’ny zanakao vavy ny demony.”

Nony tonga tany an-tranony izy,
dia nahita ny zanany vavy nandry teo am-parafara
fa efa nialan’ny demony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Filazam-baovao natokana ahatsiarovana an'i LALAINA NALINJARA... ♦ Nandefa taratasy fiaraha-miory amin'ny Fianakavian'i LALAINA NALINJARA sy ny mpiara-miasa eto anivon'ny radio Don Bosco ny Evekan'i Morondava... ♦ Mpiofana andian'ny faharoa tamin'ireo mpiasa Nampiodina ny radio Don Bosco, olona tsotra ary nahay nifandray tamin'ny mpiofana namany i LALAINA NALINJARA, mitatitra ny tsiaro i Harimalala Cyrille... ♦ Hoy ny mpiara-miasa : mandria amim-piadanana LALAINA NALINJARA...

♦ Tamberin'ireo vaovao natolotr'i LALAINA NALINJARA farany teto anivon'ny onjam-peo Radio Don Bosco... ♦ Fandraisam-peo mahakasika ny fiaraha-miasa tamin'i LALAINA NALINJARA : Olon'ny fifandraisana, tsotra, mahitsy rehefa miresaka, tia manampy ny hafa... ♦ LALAINA NALINJARA : Mpanao gazety mpikambana tao amin'ny vondron'ny mpanao gazety matihanina, amin'ny asa sy ny fampananan'asa na RJSET,  niara-niasa amin'ny Birao Iraisam-pirenena momba ny asa na ny BIT...

♦ Feno folo taona katroka ny naha Arsevekan’Antsiranana an’i Mgr Benjamin Marc Ramaroson… ♦ Notanterahana tamin’ny sabotsy 03 febroary 2024 teny amin’ny ISTS Mandrimena, ny fankalazana ny Andron’ny Olom-boatokana, teto amin’ny Diosezin’Antananarivo… ♦ Ny fiovana sy ny fibebahana no tena maha kristianina, hoy ny Papa François, tamin’ny vavaka Angélus, omaly… ♦ Nivavaka ho an’ireo maty noho ny doro tanety tany Chili, ny Papa François…

♦ Vaovao manokana, mitatitra ny fodiamandrin'ny Mpanao Gazety LALAINA NALINJARA, nikatroka tamin'ny sampana fampahalalam-baovao teto anivon'ny Radio Don Bosco... ♦ Naneho sy nitondra ny teny fampiononana sy fiaraha-miory noho izao voina izao ny teo anivon'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny serasera.... ♦ Maro ireo mpiara-miasa tamin'ny sehatra fanaovan-gazety sy ny lafiny serasera no nahatsiahy ny fiarahana tamin'i LALALINA NALINJARA...

Alahady fahadimy tsotra "B" : Misy antony ambony ny fijaliana. Ao ambadiky ny tsy takatry ny sain'ny olombelona dia Andriamanitra no tokony hianteherana, tahaka izay niainan'i Jôba. Ny olona tsy mahazo ny dikan'ny fiainana dia mametram-panontaniana amin'ny tenany, lalana iray hikarohana an'Andriamanitra ny loza amam-pijaliana eto antany. Mila miady sy mandà ny fahadisoam-panantenana ny olona, ary mitodika amin'Andriamanitra fa miaro ny ory sy ny mahantra izy. Maneho ny Eglizy trano ny tranon'i Piera, izay nisy an'i Kristy, ny Eglizy olona kosa dia ireo mpianatr'i Jesoa ; hita taratra amin'ny Evanjely novakiana teo ny fanompoan'ny olombelona ny Eglizy. Samy manana anjara toeram-panompoana ao amin'ny Eglizy isika rehetra... 

♦ Noesorin'ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena teny Ampefiloha ny Canal 7 Events sy ny Fahitalavitra Dream in. Tsy misy resaka pôlitika izao raharaha izao fa fanatanterahana didim-pitsaràna hoy ny fanazavàna... ♦ Nilaza ny teo anivon'ny Tendrom-pitsaràna miady amin'ny kolikoly omaly fa tsy marina ny filazàna fa lany paik'ady, ka tsy tokony hisy tohiny intsony ny fanenjehina an'Andriamatoa Mbola Rajaonah... ♦ Tanora maherin'ny 2 tapitrisa no ezahina hiditra anatin'ny sehatry ny asa ato anatin'ny 5 taona, aorian'ny fanarahana fiofanana arak'asa. Natomboka omaly tety amin'ny distrika Ambohidratrimo izany fandaharan'asa izany, omaly... ♦ Misy mangirana kely ny mety hiatoan'ny adin'ny Israeliana sy ny Palestiniana any Gaza...

♦ Nosoniavina androany tolakandro teny Anosy ny tetikasa vaovao izay iarahan'ny FAO sy ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana... ♦ Tanora miisa 2 tapitrisa no kendrena hiditra eo amin'ny sehatry ny asa, ato anatin'ny dimy taona, ao aorian'ny fiofanana araka asa homena azy ireo... ♦ Nesorin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena tao amin'ny toerana nisy azy eny Ampefiloha ny Canal 7 Events, sy ny fahitalavitra Dream'In androany maraina...

♦ Ho tanterahana ny 23 hatramin'ny 25 aogositra 2024, ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana. Lohahevitra entina hiainana io Kôngresy io ny hoe: “Ny fihavanana no manasitrana izao tontolo izao. Mpiray tampo avokoa ianareo rehetra”... ♦ Nanentana ny rehetra hametraka amin'ny toerana ambony ny asa fanabeazana, i Mgr Jean de Dieu Raoelison, ary nanome hafatra sy fampianarana mifantoka amin'izay asa fanabeazana izay, tao anatin'ny fankalazana ny fetin'i Masindahy Joany Bosco...

♦ Nanomboka nangorona entana teny Ampefiloha ny orinasa Canal 7 Event's. Tonga hanafoana ny fifanaraham-piaraha-miasa 3P amin'ity orinasa ity ny mpitandro ny filaminana sy ny tompon'andraikitry ny minisitera, ny maraina teo... ♦ Andrasana ny fanadihadiana momba ilay 154 tapitrisa Ariary, teny amin'ny Antenimieram-pirenena. Vola saika hividianana fahana, saingy nisy nanodinkodina... ♦ Tombontsoa lehibe azon'i Madagasikara tamin'ny COP-28 natao tany Dubai, ny hisitrahana ilay tahirim-bola hamatsiana ireo firenena marefo amin'ny fiovan'ny toetrandro...

♦ Hitohy anio eny amin'ny Lapa Maitson'Anosikely, ny fanoloran'ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny fandaharan'asa ankapoben'ny fanjakana... ♦ Fandikan-dalàna no andikan'ny Minisitra teo aloha, ny Jeneral Tsaranazy Jean Emile, raha toa ka hampiarahana ny fifidianana eny anivon'ny kaominina sy ny Solombavam-bahoka... ♦ Tsy mety ho marin-toerana ny vidin'ny vary sy ireo entana ilaina andavanandro eny an-tsena...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...