• 50.000 Ariary isaky ny mpiasa ihany no zakan'ny kitapom-bolan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin'ny tambin-karama fanampiny momba ny trano fonenana... • Tsy eto an-toerana, fa nihazo an'i Tchad androany maraina, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Randrianirina Michaël... • Medaly volamena 7  sy medaly volafotsy 4 ary amboara iray no vokatra ho an'i Madagasikara nandritra ny andiany faha-7 amin'ny Tompondakan'i Afrika, eo amin'ny taranja Jiu Jitsu, izay natao tany Maurice...

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

• Mitaky ny hirosoana haingana any amin'ny fihaonambem-pirenena ny Komity Miaro ny Tolona. Io ihany, hoy izy ireo, no lalana hamaritana ny rafitra hitondrana ny firenena sy ny andrim-panjakana tokony hofoanana... • Mpiasa 15  no nampiantsoina teny amin'ny Bianco, noho ny ahiahy kolikoly nahafahana niditra ho mpiasan'ny ACM. Ny mpitantana teo aloha no tokony henjehina amin'ity raharaha ity, hoy ny Randrana Sendikaly... • Misy ny fisolokiana amin'ny alalan'ny fanaparitahana vaovao momba ny fanampiana ara-bola omen'ny Minisiteran'ny Asa. Efa nametraka fitoriana momba izany ny tompon'andraikitra, hanenjehana izay tompon'antoka...

---/... 10 aogositra 1991- 10 aogositra 2026. 35 taona lasa izay ilay hetsi-bahoaka, tamin'ny alalan'ny diabe nananika ny Lapan’i Iavoloha. 35 taona lasa izay ilay rà nandriaka nitakiana ny tsaratsara kokoa. Olona an'aliny maro tamin'izany no nihetsika teny amin'ny kianjan'ny 13 mey, nitaky ny fialan'ny filoha Didier Ratsiraka sy ny handrodanana ny « mandan’i Jerikô », araka ny fiteny tamin’izany. Maro no maty, tsy tambo isaina ireo naratra, rehefa voafandriky ny vanja nilevina sy ny tifitra avy eny ambony angidimby tamin'io andro andro Sabotsy io...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...