♦ Misy mpanakorontana manakana ny fanavaozana eto amin'ny Firenena izao hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena nandritry ny laha-teny fanokafana ny fivorian'ity andrim-panjakàna ity ny antoandro teo... ♦ Fahendrena ny mametra-pialàna ho an'ireo voakasiky ny famoahana voafonja Sinoa 11 isa, hoy ny solombavambahoaka Antoine Rajerison. Nambarany fa manaporofo ny fisian'ny kolikoly avo lenta eto amin'ny Firenena ireny tranga ireny... ♦ Olona 256 no namoy ny ainy, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teto Madagasikara nanomboka ny volana janoary no mankaty. Hatsangana ny "Task Force" ...
Ny Ôsika na Ôsiky dia lahabolana malagasy fiangalin'ny Betsimisaraka Avaratra, ny foko Tsimihety, Faritra Ambatosoa, eo ihany koa ny Faritra Alaotra (Sihanaka). Lahabolana atao an-kira ary manana endrika antsa. Tsy mifidy sokajin-taona ny fiangaliana an'ity lahabolana ity, ary fanao amin'ny fotoan-dehibe amin'ny lafin-javatra an-karavona. Misy karazany ny ôsika: ôsi-drazana fanao amin'ny fanatanterahana fomban-drazana; ny ôsi-tromba izay fiantsoana tromba; ny ôsin-tsintaka fanao amin'ny fampankaram-bady; ny ôsi-dihy sy ny ôsi-jijy...
♦ Mbola lavitra amin'ny tanjona napetraka no vita amin'ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana hoy ny avy amin'ny SAFIDY... ♦ Azo atao any amin'ireo renivohi-paritany dimy hafa manomboka izao ny fangatahana fanamboarana Passeport. Tsy miova ny dingana rehetra arahina, hoy ny fanazavana nentin'ny tompon'andraikitra... ♦ Ahiana ho nisy nikasa hanodina ny gazoala 1.400 litatra hampandehanana ireo milina mpamokatra herinaratra ao Antsiranana ; saron'ny mpitandro ny filaminana ireo solika ireo... ♦ Nampiharina tao Paris ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina hatramin'ny 6 ora maraina, manoloana ny fandrobàna faobe any...
Tsy avy amin'ny vola, ny fahefana, ny fahasalamana, ny hatsaran-tarehy, ny taona, na ny fahafahana mamokatra ny fahamendrehan'ny olona. Miorina amin'ny fifandraisany amin'Andriamanitra izany. Ny olona dia manana hasina satria noharian'Andriamanitra, tiany, antsoiny ary kendreny hiditra amin'ny fiombonana Aminy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco