• Fanombohana ny tany Ambovombe, fa raha tena fampihavanana no tanjona, dia tsy tokony hisy ny kajikajy politika amin'ny fihaonana, hoy i Fetison Rakoto Andrianirina... • Miisa 11 ireo olona voarohirohy tamin'ny fanaovana fanamarinana diplaoma Bakalorea hosoka, teny amin'ny Oniversiten'Antananarivo... • Niseho masoandro ny faran'ny herinandro teo ny amboara tononkalo nosoratan'i Faniry Hantarinivo...
Mety ho ratsy toerana ihany ny Arofanina raha hanompana ny matoan-dahatsorany ka handrasa ny fanomanana ny taom-pianarana vaovao, anio. Tsy hay anefa ny tsy hiteny sy hamakafaka satria zava-dehibe ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra, izay fotoana iray hany hamaritana ny ho avin’ireo zandry, zanaka.
• Any Afrika Atsimo, hiatrika ny fivoriambe faha-46 an'ny Vondorona Fampandosoana ny Firenena Atsimon'i Afrika na SADC, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara Randrianirina Michaël... • Hodinihina any Maurice indray, amin'ity herinandro ity, ny fangatahana fahafahana vonjy maika napetraky ny mpisolovava an'ilay Malagasy mpandraharaha Mamy Ravatomanga... • Nahemotra ho amin'ny daty hafa ny Lalao ASIEF 2026, saingy voatana ny toerana hanatanterahana izany any Manakara, araka ny fampahafantarana navoakan'ny Minisiteran'ny Asa sy ny Fampananana Asa ary ny Asam-panjakana...
• Nanatitra ny taratasy manendry azy ho ambasadaoron'i Arabie Saoudite eto Madagasikara, tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha androany, Andriamatoa Ahmad Mohamad Alwo-Haib... • Mitaky ny hisian'ny fifanarahana politika ny RMDM, mialoha ny hirosoana amin'ny fikaonandoham-pirenena... • Vatsim-pianarana maromaro no zaraina amin'ireo mpianatra Malagasy te handranto fianarana any ivelany, mandritra ny hairanty “International Education Expo”...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco