♦ Mila avaozina ny rafim-pamokarana eto Madagasikara mba hafahana mahazo vokatra haingana sy azo tsapain-tanana eo amin'ny sehatry ny famokarana ara-tsakafo hoy ny Ministry ny Fambolena sy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo... ♦ Mahatsapa ny firaisan-kinan'ny sendikan'ny mpiasan'ny fahasalamana fa misy mitsinjo ny mpiasa eto Madagasikara ny fitondram-panjakàna ankehitriny. Misy ihany koa ny fahalalahana sendikaly...♦ Manome lanja manokana ny fikarohana amin'ny fanabeazana sahaniny, ny Ivon-toerana ambony ho an'ny Polytechnique eto Madagasikara (ISPM) eny Antsombolo-Ambatomaro...
---/... Ankalazaina isaky ny faha 5-n’ny volana Jona ny andro Maneran-tany ho an'ny Tontolo Iainana, araka ny tapaka nandritra ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 1972. Anton’ny fankalazana moa ny mba hisarihana ny saina amin'ny toetry ny tontolo voajanahary maneran-tany ary indrindra indrindra ny hanasongadinana ireo olana ara-tontolo iainana vokatry ny nataontsika olombelona ihany.
• Hetsika maro samihafa no nentina nanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana, androany 5 jona. Isan'ny nandray anjara tamin'izany ny Oratorio Don Bosco Ivato... • Mbola ambany ny tahan'ny vokatra ronono jifain'ny Malagasy, raha miohatra amin'ny atsy Afrika sy ny any Eoropa. Isan'ny nivoitra izany androany, nandritra ny fanamarihana ofisialy ny andro eran-tany ho an'ny ronono, teny amin'ny zaridainan'Antaninarenina... • Mandroso ny asa fananganana ny “Parc éolien” ao Antsiranana, hampitomboana ny famokarana herinaratra ao an-toerana...
Manana ny mampiavaka azy aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana ny famokarana saonjo ao amin’ny Distrikan’Ankazobe ato amin’ny Faritra Analamanga, indrindra fa ny ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Fihaonana. Velon-taraina nefa ireo tantsaha mpamokatra ao amin’ity distrika ity fa nidina ambany tsy araka ny niheverana azy ny vidiny taorian’ny fandalovan’ny rivodoza teto amintsika tamin’ity taona ity.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco