Ny fahasalaman'ny zaza vaoteraka hatramin'ny faha-5 taona dia ilàna fahalalana fototra : tonga volana ve ilay zaza (37 - 41 herinandro), nitomany mafy ve ilay zaza tamin'ny vao teraka, lanjan-jaza, ary tsara sy tomombana ve ilay zaza, misakafo tsara ve, ny fahadiovan'ny zaza sy ny sakafo. 1 taona ny zaza efa tokony hanomboka haleo tena, eo ihany koa no hanampiana ilay zaza hiteny marina sy mazava ohatra hoe "Tôtô" no hanazaratsika ny zaza anefa tokony hoe "Alika" ; ny fampianarana fahalalam-pomba sy fanalàna azy amin'ny tahotra, avela hilalao sy hifangarao amin'olona. ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Nakatona vonjy maika ny Université Antsiranana nanomboka omaly hariva, noho ny savorovoro nisy teo amin'ny samy mpianatra... ♦ Nisesisesy ny lozam-pifamoivoizana namoizana aina, tato anatin'ny 24 ora farany tao Antananarivo-renivohitra sy ny manodidina... ♦ Tsy ho tratra amin'ny taona 2027 ny fahavitan-tena ara-bary ho an'i Madagasikara noho ny antony samihafa ; azo antoka kosa ny hatratrarana izany amin'ny taona 2028, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Fambolena sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo... ♦ Niverina nidina an-dalambe ireo mpianatry ny Lycée tany Frantsa, izay mitolona amin'ny fidangan'ny vidim-piainana...

♦ Namoaka hafatra ny Vaomieran'ny Fahamarinana sy ny Fiadanana (Justice et Paix), taorian'ny fivoriana nataon'izy ireo ny faha-13, 14 oktobra 2026 teo... ♦ Tsy afaka mifaninana amin'ny tsena anatiny, sy amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny vokatra Malagasy, raha tsy manaraka ny fenitra. Isany nivoitra izany tamin'ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho fanarahana ny fenitra omaly... ♦ Mavitrika amin'ny asa fikarohana ary mahavita zavatra tsara ny tanora Malagasy, rehefa volena ao aminy ny kolontsaina momba izany. Hita taratra teo anivon'ny ivon-toerana fampianarana ambony ISPM izany...

.Ny Soratra Masina dia mampatsiahy fa Andriamanitra no tompon'ny aina, ka tsy azon'ny olona potehina araka izay sitrapony. Ny didin'Andriamanitra "Aza mamono olona" dia tsy fandraràna tsotra fotsiny fa fanambarana fa masina ny ain'ny olona. Satria fitahiana sy lova ny aina dia mitaky fiarovana amin'ny herim-po.. Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...