♦ Vonona hiatrika ny fikaonandoham-pirenena ny FFKM. Nasongadin'ny Filohan izany omaly, tamin'ny fanokafana ny Kômity foibe teny Ilafy... ♦ Tafakatra 6 amin'izao fotoana izao ireo olona matin'ny valanaretina MPox eto Madagasikara. Vehivavy iray, avy any Diana no namoy ny ainy, raha ny tatitra ôfisialy nivoaka omaly... ♦ Iray vondrona amin'ny firenena mpampiantrano i Madagasikara amin'ny dingana fifanintsanana ho any amin'ny CAN 2027, taorian'ny antsapaka omaly. Sarotsarotra ny fiadian-toerana ho an'ny Barea... ♦ Misy fivoarana miabo ny dinika amin'i Iran, manoloana ny ady any Moyen-Orient hoy ny filoha Amerikana...
♦ Manohy ny ady sisika amin'ny fananganana ny Filan-kevitra ara-toekarena, ara-tsôsialy ary ara-kolontsaina (CESC) ny firaisamonim-pirenena ROHY. Nihaona tamin'ny solombavambahoaka izy ireo nifampidinika sy nifampizara vaovao momba ny volavolan-dalàna momba azy io... ♦ Hiroso amin'ny fanarenana ny orinasa KRAOMA ny tompon'andraikitra. Mpiara-miombon'antoko vahiny maro no efa vonona hiara-hiasa amin'ity orinasa ity hoy ny tale jeneraliny, Kerone Idealson... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy androany ny tetik'asa SABER, fampisakafoana an-tsekoly. 4000 isa marehry ny sekoly hisitraka izany...
♦ Isan'ireo nanatrika ny fanokafana ny fihaonambe ny FFKM androany teny Ilafy ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Kôlônely Michaël Randrianirina sy ireo mpanao pôlitika isan-tsokajiny... ♦ Zaza varira roa indray no lasibatry ny fakana ankeriny tato anatin'ny efatr'andro, iray zaza, ilay zaza kely vao valo volana mbola tsy hita popoka, ny iray kosa zazalahy kely 12 taona voatapa-doha ary mbola tsy hita ny lohany... ♦ Mangataka amin'ny ministeran'ny fampianarana ambony mba hanasarahana ny sampam-piofanana infirmier tsy hiaraka intsony amin'ny sampam-piofanana siansa maha-olona, ny holafitry ny infirmier...
Ny Hainteny : Lahabolana mirindra, feno ohatrohatra enti-mampita hevitra amin'ny fomba miolaka, amin'ny ankapobeny dia ifamaliana ity karazana lahabolana ity, izany hoe misy miantso (antso) dia misy manoina (setriny). Misy ihany anefa ny hainteny tsoa-tokana, arakaraka ny votoatiny. Ny Merina no miangaly ny hainteny amin'ny maha hainteny azy, satria mety hisy karazan-dahabolana mitovitovy aminy fanaon'ny foko na faritra hafa. Amin'ny ankapobeny dia fifampiantsiana fitiavana eo amin'ny lehilahy sy vehivavy ny hainteny...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco