♦ Efa vonona tanteraka amin'ny fanaovana tantsoroka ny FFKM ny Minisitera misahana ny Fanavaozana. Hajoro tsy ho ela ny kômity teknika hiara hanomana ny fikaonandoham-pirenena, ka hanana solontena 6 amin'izany ny tanora hoy ny Minisitra Maître Hanitra Razafimanantsoa... ♦ Tsy miditra amin'ny ady hevitra amin'ny hisafidianan'ny vahoaka ny lalam-panorenana mifototra amin'ny rafitra Federaly sy ny Fanjakàna tokana ny antoko Fy-M. Mbola fanomezana vahana ny zarazarao hanjakàna izany... ♦ Nijoalajoala ny afo alina tao amin'ny tsenan'i Bazary-kely. Potika 90% ity tsena ao Toamasina ity...
♦ Nofaranana tamin'ny sabotsy teo ny fikaonandohan'ny tanora sehatra Nasiônaly. Natolotra ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ny fehin-kevitra tamin'ny dinika nandritry ny 3andro. Hodinihana amin'ny Fikaonandoham-pirenena ny hevitra natolotry ny tanora momba ny Fanjakàna Federaly sy Fanjakàna tokana... ♦ Hisokatra amin'ny hery velona rehetra ny dinika pôlitika hotanterahana eto Madagasikara. Santatra ihany ny fihaonana tamin'ny Filoha roalahy teo aloha... ♦ Nampahafantatra ny vokatry ny fanadihadiana tamin'ny fisavàna natao tamin'ny toerana fivorian'ny fikambanana miafina iray ny teo anivon'ny Fitsaràna...
---/... Tazana sy tsikaritra ny zoma teo fa niova fomba fiakanjo ny ankamaroan’ny mpiasam-panjakàna nande niasa. Tsy inona ny antony mahatonga izany, fa mihatra manerana ny nosy ilay didim-panjakana noraisina nandritra ny filankevitry ny ministra ny tapaky ny volana jolay teo, momba ny tokony hanaovan’ny mpiasam-panjakàna tsy an-kanavaka ny fitafy maha malagasy isaky ny andro zoma, afatsy ireo misehatra amin’ny sokajin’asa tsy ahafahana manao izany, toa ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana ohatra...
Ny Tenin'Andriamanitra dia misy fomba maro ny fanakarana azy, mety ho amin'ny alalan'ny fandinihana isan'andininy, anefa rehefa vakiana miaraka amin'ny Fanahin'i Kristy dia manokatra ny saina ary fahafahana mamantatra kokoa izay hafatra fonosiny. Nanomboka ny taona nanjakan'i Radama-II no nidiran'ny "Mena maso" teto Madagasikara ; ny hoe "Mena maso" dia niantsoana ny "Franc-Maçon". Misy sokajiny ny "Mena maso" : misy ireo mino an'Andriamanitra, misy ireo manompo an'ny satana... Ilaina ny fiombonana sy firaisan-kina hirosoana amin'ny fikaonan-doha.Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco