Manomboka ao anatin'ny vava ny taova fandevonan-kanina, lela, nify, tenda, aty, sarak'aty, vavony, tsinay. Antony mampikorontana ny taova : kalitao sy ny fatran'ny sakafo, matsiro loatra na mahatsatso loatra, sakafo matavy na tsy mahazatra, sakafo tsy sahaza, sakafo tsy zaka ; ankoatra ireo dia mety ho tsy fahasalamana mahazo ireo taova mandrafitra ny fandevonan-kanina, mety ho otrik'aretina, ny fisian'ny kantsentsitra ao anaty tsinainy. Isan'ny antony mampikorontana ny taova fandevonan-kanina ihany koa ny fikorontanan-tsaina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Nampidirina am-ponja vonjy maika eny Antanimora ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha Paul Rabary. Raharaha anenjehana azy ny fikasàna hanao hetsika fanakorontanana sy fanonganam-panjakàna... ♦ Isan'ny nampandringa ny fitondrana nifandimby teto Madagasikara ny tsy fananan'ny rehetra sehatra ahafahana mandray anjara sy manolo-kevitra momba ny raharaham-pirenena. Antony mahazava-dehibe ny hametrahana ny Filan-kevitra ara-toekarena - sôsialy ary kolontsaina hoy ny ROHY... ♦ Mitaky ny handoavana ny tambin-karama momba ny fitsaharana amin'ny asany ireo miaramila efa misotro ronono...
♦ Miantso ny sekoly tsy miankina hanoka-baravarana amin'ny fanatanterahana ny tetik'asa hisitrahan'ireo mpianatra ny laharana Tokana Famantarana azy (N.U.I.S) ny eo anivon'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena. Natomboka omaly ny andron'ny sekoly katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nampidirana am-ponja vonjy maika eny amin'ny Fonjan'Antanimora ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha Paul Rabary. Omaly izy no niakatra teny amin'ny Fampanoavana... ♦ Notokanana omaly ny fitaovana fanadiovan-drano vaovaon'ny JIRAMA eny Mandroseza. Rano fanampiny ho an'ny mponina eto Antananarivo...
Ny olon-drehetra, ny tany ama-monina sy ny fanjakàna dia samy tsy maintsy miaro ny zon'ny Ray aman-dreny hanana fara aman-dimby sy hanabe azy anatin'ny fianakaviana. Ny fianakaviana dia sekoly hanatsarana ny maha olombelona ; miara-miasa ny mpivady manabe ny zanaka... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco