---/...Entin’ny Arofanina hitodika tany amin’ny 8 volana lasa ianao hamarin-tadidy ny fitakiana nataon’ireo mpitarika ny tolona notronin’ny vahoaka tamin’ny fitondrana teo aloha. Fitakiana isany niavaka ary pitik’afo nandrehitra ny hetsika nataon’ireo mpitolona tamin’ny 25 Septembra 2025 ny jiro sy rano izay filana fototra amin’ny fiainana andavanandro ka nahatonga azy telo mianadahy tsy zovina intsony ny anarany, dia i Babà, Lily ary Clémence, hitarika bidon jaune nanoloana ny lapan’ny Antenimierandoholona teny Anosikely...
Ny 13 mey dia andro ahatsiarovana tranga miavaka : Nisehoan'i Masina Maria tany Fatima, eo koa ny tantaran'ny Papa Joany Paoly-II, indrindra ny tantaran'ny Firenena Malagasy. Very fanahy ny vahoaka vokatry ny rivotry ny fitantanana ankehitriny, izay tsy azo adika fa lavitr'ilay fampanantenana. Mandrisika ireo tompon'andraikitra isan'ambaratonga mba hanao vaindohan-draharaha ny fitsinjovana ny tantsaha, ny tsy fandriampahalemana sy ny ady amin'ny kolikoly, ny asa ho an'ny vahoaka, fijerena ny soa iombonana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ankoatry ny fanabeazana ny ara-nofo sy ara-tsaina dia adidin'ny Ray sy Reny ny manabe ny ara-panahy. Ny ankohonana no Eglizy kely voalohany handraisan'ireo zanaka ny finoana. Ny vavaka dia tena mampiombona ny fianakaviana. Adidin'ny Ray sy Reny ny manampy ny zanany hamantatra sy hamaly ny antson'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
Alahady 17 mey 2026 - Alahady faha-7 - Taona A fankalazana ny Paka : Ny fiainana mandrakizay dia ny mahalala an’Andriamanitra - Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray ka ho faly ny fonareo. Ny faharetana mivavaka sy ny firaisan-tsaina no toetra tsara indrindra hiandrasana ny fanomezan'ny Fanahimasina, sady fiomanana tsara indrindra hitsenana ny Pantekôty. Sarotra ny mampifanaraka ny voninahitra sy ny fijaliana anefa azo atao izany rehefa miaraka mitolona amim-bavaka miaraka amin'i Jesoa...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco