Adidy tsy maintsy atao ny fanabeazana ny tanora ho afaka hananany fahamatorana. Misy zavatra roa mety hanimba ny fiainan'ny olona tsy ho afaka hisafidy ny tsara ary adidy ny miady amin'izany dia : ny fahantrana lalina ary ny famitahana ny tanora amin'ny fampiahantàna azy  be loatra. Ny Fanjakàna sy ny fikambanana isan-karazany no filamatra amin'ny fampivoarana ny Tanora... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

• Tanora roa hafa indray no nosamborina, noho ilay fihatsiketsehana ny herinandro teo, raha ny tatitry ny Collectif de Mouvement Gen Z, androany... • Toy ny lany olomanga i Madagasikara tamin'ny nanendrena PDS hitantana an'Antananarivo, hoy ny Sendika Mahaleotenan'ny Mpiasan'ny Kaominina. Naneho ny heviny tamin'ny mpanao gazety, izy ireo... • Mandray anjara amin'ny fivoriana lehibe isan-taona karakarain'ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena any Washington i Madagasikara. Mitarika ny delegasiona any an-toerana ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola...

♦ Tsy mankasitraka ny fitakiana ataon'ny sokajin'olona sasany handravana ny andrim-panjakàna sasany eto amin'ny Firenena ny Solombavambahoakan'i Faratsiho Ramilison Nomenjanahary. Hiteraka krisy hafa ankoatry ny efa misy ankehitriny izany hoy izy... ♦ Miandrandra fihaonana amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ireo Ben'ny Tanàna eto Madagasikara. Fihaonana tsy misy ifandraisana amin'ny rivotra pôlitika misy ankehitriny... ♦ Natomboka omaly ny tetik'asa D-CLIC. Tetik'asa fanofanana tanora amin'ny sehatry ny nomerika. Nisantarana ary nanombohana ôfisialy azy ny CFP eny Ampasampito...

Ny olombelona dia tsy afaka miaina tsy misy fitiavana. Ao amin'ny fitiavana no miorina ny finoana, izay endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona. Ny fifampiresahana, ny fifanankalozan-kevitra dia fototra mampanjary ny fifanakaikezana am-po ; mila mitandrina ny ray aman-dreny sy ny zanaka fa ny rivotra entin'ny teknôlôjia ankehitriny dia mahavita manozongozona ny fifampitokisana sy ny fifandraisan'ny fianakaviana. Ao anatin'ny teny dia misy hasina, tsara kokoa raha tso-drano am-bava no hafafy toy izay ozona... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

54 taona aty aoriana, toy ny taranaka roa mifandimby, 13 mey 1972 : fotoana nampiharihary ny tsy fifampitokisana teo amin'ny mpitondra sy ny vahoaka; hetsika nanome sy nametraka kianja ho an'ny fanehoan-kevitra dia ny kianja eo Analakely. Teny filamatra miisa telo no afahana manorina fiaraha-miasa sy fiaraha-monina tsy misy raorao: Fifampitokisana, Fahamarinana, Fitiavana. Mba ho fiarovana ny taranaka sy ho arofanina amin'ny rivotry ny "Saina voatran'olombelona" dia ilana ny fanokanana fotoana hifampiresahana mivantana ao an-tokantrano, fiarahana mialavoly... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nanamafy ny tale misahana ny seraseran'ny fiadidiana ny Repoblikan'ny Fanavaozana, Harry Laurent Rahajason fa misy mifofo ny ain'ny Filohan'ny Fanavaozana. Nambarany koa fa misy mikasa handoro ny Antenimieram-pirenena amin'ny sabotsy izao... ♦ Miantso ny rehetra ho tony, hanaja ny lamina apetraka mba hizoran'ny fikaonan-doham-pirenena araka ny tokony ho izy ny avy amin'ny Hery-Fiarovana sy ny Filaminana... ♦ Notendren'ny ministeran'ny atitany ho PDS ao amin'ny Kaominina Antananarivo-renivohitra ny Solombavambahoaka ao Tanà-III, Ralambomanana Fenoharisoa, mpikambana amin'ny antoko Tim...

Noho ny fiaraha-monina dia tsy ny tena irery no hosoavina fa tsy maintsy manasoa ny mpiara-belona amin'ny fikatsahana ny soa iombonana. Ny fandraisana anjara no fanoloran-tena tsara indrindra omen'ny tsirairay ny fiaraha-monina : tsy maintsy mandray anjara ny tsirairay araka ny toerana ananany ; amin'ny andraikitrao manokana (fikarakarana sy fanabeazana ny fianakaviana, fanatanterahana tsara ny asa)... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

• Mitohy ny fikasana hifofo ny ain'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika mivady, raha ny nambaran'ny Talen'ny Serasera eo anivon'ny Fanavaozana, tamin'ny mpanao gazety androany... • Manameloka ny fanafihana sy ny fanimbana ny biraon'ny Polisy any Vohémar, ny eo anivon'ny Polism-pirenena Malagasy, raha ny nambaran'ny Tale Jenetaliny androany... • Miara-miasa hampiroborobo ireo orinasa madinika sy salatsalany eto amintsika, ny banky BNI Madagasikara sy ny Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy. Nosoniavina androany ny fifanarahana mirakitra izany...

♦ Mitaky ny hamoahana an'i Herizo Andriamanantena, mpitarika ny Gen Z, ny sendikàn'ny Enjeniera momba ny Fambolena eto Madagasikara. Naneho ny alahelony izy ireo amin'ny fisamborana Olom-pirenena noho ny fanehoan-kevitra... ♦ Nisehoana lozam-pifamoivoizana an-dalam-by teny Ambohimanatrika-Andohaavato, Kaominina Tanjombato, androany maraina. Olona telo naratra, trano roa rava tanteraka voakatr'izany... ♦ Hapetraka ho nosy filamatra tsy misy fako plastika i NOSY BORAHA (Sainte Marie). Mikarakara atrik'asa momba izay ady amin'ny fiparitahan'ny fako plastika izay ny Ministeran'ny tontolo iainana...

Ny fiainana ao am-bohoko, ny zaza menavava, ary zazakely dia tandindon'ny fitohizan'aina. Ilàna fihomanana tsara ny fanohizan'aina : fahalalana ny tsingerin'ny fadimbolana, fahalalana ny fotoana mahalonaka, fahasalaman'ny mpivady. Tsara kokoa ny fitondrana vohoka raha arahi-maso eny amin'ny tobi-pahasalamanana fa manampy ny mpivady ny toro-hevitra ara-pahasalamana azo eny. Tsy tsara ho an'ny vehivavy mbola mbola tsy niteraka ny fampiasàna fandrindram-piterahana, indrindra ireo mihataka amin'ny ara-boajanahary... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Nahiditra hôpitaly ny iray amin'ireo tanora Gen Z, notazonina teny amin'ny pôlisim-pirenena Anosy, noho ilay raharaha fidinana an-dalambe ny herinandro teo. Nanazava ny momba ity tranga ity ny mpisolovava azy ireo, omaly... ♦ Tanora 19 mianadahy no nitondra ny hetahetany, nisolovava ny tanora Malagasy, nandritra ny fanokafana ôfisialy ny fikaonan-doham-pirenen'ny Tanora ho an'ny Fanavaozana omaly... ♦ Nodoran'ny olona ny biraon'ny pôlisim-pirenena ao Vohémar, omaly tolak'andro, noho ny fisorohana ny fitsaram-bahoaka. Namoaka fampitam-baovao momba ity tranga ity ny pôlisim-pirenena...

Taratry ny fahamendrehana ny fanajàna sy fitiavana na ny olona tsy mitovy hevitra amin'ny tena na ireo heverina ho fahavalo. Mendrika ny maneho hamoram-po amin'ny olona rehetra. Izany anefa tsy midika ho fanekena ny hevi-disony fa fitandrovana mandrakariva ny marina sy ny tsara ; tsy manala ny fahamendrehan'ny olona iray ny mety ho fahadisoan-keviny... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...