Alahady 12 aprily 2026 : Alahady faharoa - Taona A fankalazana ny Paka - MIfalia sy mifankatiava ao amin’ny Tompo. Aleloia. Aleloia. Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy; fa sambatra izay tsy nahita ka mino. Aleloia. Ny fitsanganan-ko velona dia tsy voafehin'ny toerana sy ny fotoana, ary tsy voafehin'izao tontolo izao satria efa nandresy an'izao tontolo izao ary velona i Jesoa. Velona i Jesoa ary velona mameno izao rehetra izao. Andriamanitra dia tsy manilika ny olombelona fa miantso mba hiraikitra aminy ary miantso ny olombelona hanana fiombonam-pisainana sy fiombonam-piainana...

Ny talata 7 avrily, andro iraisam-pirenena ho an'ny fahasalamana nisian'ny fanentanana ny olona rehetra hazoto amin'ny fitiliana ; ny 24 marsa moa no andro iraisam-pirenena hiadiana amin'ny "Raboka". Efa ela no nisy ny aretina "Raboka" ary efa misy ny vaksiny BCG (Bacille de Calmette et Guérin) hiarovana ny olona ; raha tsy vita ara-potoana ny fitsaboana dia mahafaty fa raha araka tsara ny fepetra fitsaboana dia azo antoka ny hasitrànana, ny fitsaboana dia maimaimpoana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Nidina an-dalambe nihazo ny kianjan'ny 13 mey omaly ireo tanora nanorina ny Génération Z eto Madagasikara. Nilanja sora-baventy izy ireo, mitaky fandravàna andrim-panjakàna samihafa... ♦ Naneho ny heviny moma ity hetsiky ny tanora teny an-dalambe ity ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, omaly. Nambarany fa voakaraman'ny mpanao pôlitika ireo tanora ireo... ♦ Tobin-tsolika maro teto Antananarivo sy ny manodidina no mbola tsy nahitana solika, omaly. Miantso ny hisian'ny dinika haingana eo amin'ireo kaompania mpanafatra solika sy ny Fanjakàna ny Mpiaro ny Zon'ny Mpanjifa (PMH)...

Ny Fiangonana sy ny olombelona dia natao hamaly ny antson'ny Fanahy Masina izay mibitsika ao am-pony ; ny fahamendrehan'ny olombelona, izay endrik'Andriamanitra simban'ny fahotana amin'ny endriny maro, ny fiforonan'ny teknôlôjia samihafa ihany koa manampy trotraka mitondra amin'ny tebiteby. Nataon'Andriamanitra ho iray ny olombelona rehetra, mifampiankina ary mifandray noho izany dia zava-dehibe ny fitambarana (ohatra : Fokonolona), mametraka ho laharam-pahamehana ny soa iombonana sy ny zo aman-kasin'ny tsirairay, fanajàna ireo tsy mitovy hevitra amin'ny tena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ao amin'ilay Teny Tonga Nofo no miseho mazava ny Misterin'ny olombelona. Tsy tena mazava ny Misterin'ny olombelona, raha tsy dinihina anatin'ny Misterin'ny Teny Tonga Nofo. Adama voalohan'olombelona dia tandindon'ilay tsy maintsy  ho avy dia i Kristy Tompo. I Kristy no ilay Olona lavorary, manavao ny fitovian'ny taranak'i Adama endrika amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Nanova ny fomba fijery  eo amin'ny lafiny fifandraisan'ny Eglizy amin'izao tontolo izao ny Konsily Vatican-II. Miara-miantoka handrosoan'izao tontolo izao amin'ny fianakaviamben'ny olombelona ny Eglizy ; ny hafaliana, ny fanantenana, ny alahelo, ny tebitebin'ny olona, indrindra fa ireo mahantra  dia an'ny Eglizy ihany koa... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

• Nidina an-dalambe nihazo ny Kianjan'ny 13 mey androany, ireo tanora nanorina ny Génération Z eto Madagasikara. Niteniteny ny sora-baventy nolanjain'izy ireo, mitaky ny fandravana andrim-panjakana... • Naneho ny heviny momba hetsiky ny tanora teny an-dalambe ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika androany. Nambarany teny Androhibe fa voakaraman'ny mpanao politika ireo tanora ireo... • Tobin-tsolika maro eto Antananarivo no mbola nikatona androany, noho ny olan'ny famatsiana. Miantso ny hisian'ny dinika haingana eo amin'ireo kaompania mpanafatra solika sy ny fanjakana, ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH...

Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 20 taona mahery. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombontsoa hoy ny mpitarika, Ranaivoarison Basile (Papa Bio). Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...

Tapa-kevitra hamaky lalana vaovao, hamahana ny olana momba ny fifaneraserana ao aminy sy ny manodidina azy, ny kaominina ambanivohitra Antsapanimahazo distrikan’i Faratsiho faritr’i Vakinakaratra. Mizaka ny tsy eran’ny ainy amin’ny fifamezivezena sy ny famoaham-bokatra ary ny fitondrana ny marary any amin’ny toeram-pitsaboana ny mponina ao an-toerana...

• Nitana ny teny nomeny ka tonga teny Ambohijatovo ary nanao ny diabe am-pilaminana ny tanora Gen Z... • Miroso amin'ny fandaminana sy ny fanatsarana ny toerana eny Ankorondrano ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Milaza ho voadingana tsy nahafantatra ny tetikasa ny Fokontany... • Laharam-pahamehana ho an'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoka ny fanakaikezana hatrany ny vahoaka sy ny fanatsarana ny tolotra omena ny olom-pirenena...

Ny sakana dia zavatra na toe-javatra manelingelina ary tsy mamela anao handroso hahatratra tanjona iray. Ny tontolo vaovao dia ilay tontolo iainantsika amin'izao fotoana izao, izay ahitana toe-javatra na toe-piainana miova ka mitaky antsika hifanaraka aminy. Ny firaisankina dia fiaraha-mientana sy fifanohanana eo amin'ny olona maromaro. Manoloana ny sakana dia ilay ny firaisankina : mifampiresaka sy mifampihaino, mifanampy amin'ny zavatra atao, mifampizara andraikitra anaty fifanajàna sy fifandeferana ary fifankatiavana ; ireto farany dia fanohitra hatsara ny ho avy... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

• Miisa 133 ireo Salezianin'i Don Bosco miatrika fihaonamben'ny mpirahalahy ety Ivato. Eva nanomboka ny 7 aprily teo izany ary hifarana rahampitso... • Milaza hiverina an-kianja indray anio zoma, ireo tanora mivondrona ao amin'ny Gen Z. Hiainga eny Ambohijatovo izy ireo amin'ny 10 ora maraina, ary hihazo ny Kianja 13 mey... • Tsy manakana ny fifidianana izay mpanao gazety hisolo tena ny OJM ao amin'ny CENI izay hotanterahina anio, ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ny samy mpanao gazety...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...