♦ Naka ny hevitry ny olona tsy ankanavaka momba ny tetik'asa "Fly Over" tanterahana eny Anosizato sy ny manodidina ny eo anivon'ny Ôfisim-pirenena momba ny tontolo iainana (ONE). Tsy hisy ny fandravana trano hoy ny ministeran'ny asa vaventy raha tsy efa mahazo fanonerana ireo voakasika...  ♦ Mandrindra ny fanafarana vary any ivelany ny ao amin'ny Ministeran'ny Varotra sy ny Fanjifàna. Manana adidy hanao fanambarana tahiry ireo mpandraharaha misehatra amin'ny vary... ♦ Mankalaza ny faha 60 taona nijoroany ny Kaomiseran'ny varotra sy ny fifaninana. Marolafy ny hetsika nanokafana izany omaly zoma...

Hafatr'i Kristy ny fifankatiavana : Didy vaovao no omeko anareo dia izao : Mifankativa ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Ny porofom-pitiavana aza ho an'i Jesoa Kristy dia ny famoizany ny Ainy. Manana hasina ny aina, koa aoka mba hanaja sy hiaro ny aina isika. Andrandraina ny fifamelan-keloka sy fiombonana afahana manavao tanteraka sy mampandroso ny firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

• Hanomboka tsy ho ela ny fanatanterahana ny tetikasa Flyover eny Anosizato. Naka ny hevitry ny vahoaka rehetra voakasiky ny tetikasa ampahany voalohany, ny eo anivon'ny Ofisim-pirenena momba ny Tontolo Iainana na ny ONE... • Miroso amin'ny dingana entina handrindrana ireo vary afarana avy any ivelany ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana... • Nosokafana androany tamin'ny alalan'ny hetsika ara-pahasalamana ny tsingerin-taona faha-60 niorenan'ny Kaomiseran'ny Varotra sy ny Fifaninana...

• Notanterahina ny 16 jolay 2026 tao amin'ny Katedraly Kristy Mpanjaka Miarinarivo ny fanaovam-beloma farany an’i Mgr Raymond Julien Razakarivony... • Afafy ka meva ny finoana, io no sori-dalana pastoraly natolot’i Mgr Jean de Dieu Raoelison ho an’ny Arsdiosezin’Antananarivo... • Nosoniavina ny 16 jolay 20026 ny “Déclaration de Rome” momba ny fandraisana andraikitra manoloana ny fitaovam-piadiana nokleary sy ny saina voatran'olombelona...

Manao hetsika hanentanana ny vehivavy hiatrika ny fiatraikan’ny fiovan’ny toetr’andro ny ao amin’ny Fikambanan’ny Vehivavy hoan’ny kolotsaina sy ny fampandrosoana na ny AFCD. Fikambanana nijoro tany amin’ny taona 2016 saingy nohavaozina ny taona 2024. Nizara fahalalana hoan’ny mpanao gazety misehatra amin’ny tontolo iainana momba ny anjara andraikitry ny vehivavy manoloana ny amehana ara-toetr’andro eran-tany androany ny Fikambanan’ny Vehivavy hoan’ny kolotsaina sy ny fampandrosoana na ny AFCD. Tamin’ny alalan’ny Atrik’asa fifampizarana no nanehoana izany....

• Tsy afa-manoatra fa voafetra ny asa ho an'ireo mpikaroka mpampianatra izay tsy ampy tosika ara-bola... • Omena karatra maha matihanina ireo mpanao asa tanana, sy ireo tanora nahavita fiofanana tamin'ny ivontoerana fanofanana araka asa eto Madagasikara... • Antoka iray hizorana any amin'ny fampandrosoana ny firenena ny fametrahana ny Faritra mizaka tena sy ny fanajana ny lalana, hoy ny antoko MMM...

• Milaza ny tsy hihemotra fa hamita hatramin'ny farany ny fanadihadiana parlemantera momba ny fitantanana ao amin'ny orinasa Jirama, ireo Solombavam-bahoaka... • Tsy hisy ny fandeferana amin'ny fandikana ireo fepetra apetraka mandritra ny fanadinana bakalorea, ka isan'ireny ny tsy fahafahan'ny mpiadina mitondra finday... • Manohana hattrany ireo tanora mba hanana fahaleovantena aorian'ny fiofanana omeny ny FMA Ampasanimalo...

• Nafana ny fifanatrehana mivantana amin'ny alalan'ny fanadihadiana parlemantera teo amin'ny vaomiera misahana izany eny amin'ny Antenimieram-pirenena, sy ireo tompon'andraikitry ny orinasa Jirama, izay notarihin'ny Tale Jeneraliny androany... • Namoaka andiany indray mihira faha-16, niofana momba ny zaitra, ny informatique, ny pâtisserie, ny ivon-toerana fanofanana araka asa tantanan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice eny Ampasanimalo... • Tokony hofidiana ny Sefo Fokontany fa tsy hotendrena, raha ny hevitry ny antoko Maitso Hasin'i Madagasikara...

25 jolay no andro iraisam-pirenena hisorohana ny maty an-drano. Araka ny voalazan'ny OMS dia olona 236.000 isa eo ho eo no maty an-drano isan-taona. Anisan'ireo antony 10 lehibe mahatonga ny fahafatesan'ny olona 1 hatramin'ny 21 taona ny tranga maty an-drano. Betsaka ny ambana mety hahafaty an-drano eto Madagasikara: nosy voadidina ranomasina, betsaka toerana lalovan'ny renirano sy misy farihy na koa misy rano miandrona, faritra lalovan'ny rivodoza isan-taona ka mety ho tondra-drano... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara.

♦ Nampitovy hevitra ka naharafitra volavolan-dalàm-panorenana ireo mivoy ny foto-kevitra Federalisma eto Madagasikara. Tsy fizarazarana ny firenena hoy izy ireo ity rafitra ity... ♦ Mitaky ny hanesorana ireo sefo Fokontany notendren'ny fitondrana teo aloha ny antoko TIM. Voasaringotra amin'ny raharaha maloto samihafa izy ireo hoy ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, ny solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona... ♦ Tsirihana amin'ny alalan'ny atrik'asa eny Antaninarenina ireo hirika rehetra mety hidiran'ny kolikoly amin'ny fakàna ny haban-tsena eo anivon'ny Kaominina Antananarivo-renivohitra...

Ny fanomezana hasina sy lanja ny tantara, ny tany ary ny teny dia manampy amin'ny fanavaozana satria mba miainga amin'ny zava-misy ny paik'adim-pampandrosoana. Ny fitiavana sy ny tontolony dia tsy afaka misaraka amin'ny olombelona, isika rahateo noharian'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fitiavana, ary indrindra nataony mitovy endrika aminy. Ny fitiavana dia fanoloran-tena, noho izany dia finiavana tsara hananan'ny tsirairay ny fifanajana sy ny fanajàna ary ny fifampatokisana. Misy endrika efatra ny fitiavana : Fitiavan'Andriamanitra, mpivady, mpianaka ary mpinamana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Higadona anio etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Relique an'i Masindahy François d'Assise. Hitety Diôsezy maromaro izy io araka ny fandaminana... ♦ Nisokatra omaly teny amin'ny oniversite an'Antananarivo ny Doctoriales 2026, andiany faha-12. Afaka manala ny olana manahirana ny Malagasy ny fikarohana ataon'ny Malagasy hoy ireo mpikaroka... ♦ Hihamafy hatrany ny fiatraikan'ny fiovan'ny toetr'andro eran'izao tontolo izao. Isan'ny tena marefo amin'ny voka-dratsiny ny vehivavy Malagasy araka ny fanadihadiana nataon'ny AFCD... ♦ Espagne sy Argentine no hiatrika ny lalao famaranana amin'ny Mondial-2026...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...