♦ Manentana ny mpino katolika manerana ny nosy mba haneho fitiavana araka izay fantatry ny fontsika hanampiana ireo havana any amin'ny Faritra nahitàna fahasimbana nolalovan'ny rivodoza ny Fivondronamben'ny Eveka... ♦ Mangataka vavaka sy tolo-tanana avy amin'ny mpiray tanindrazana indrindra fa ho an'ireo olona sahirana iahian'ny fikambanana ny Saleziana Don Bosco eto Madagasikara. Lasan'ny rivotra avokoa ny tafon'ny trano sy ny fotodrafitr'asa tao Mangarano... ♦ Feno 51 taona omaly 11 febroary ny nahafaty ny Colonel Ratsimandrava Richard. Herinandro katroka taorian'ny nandraisany ny fahefana avy amin'ny Jeneraly Ramanantsoa...

♦ Miisa 31 no maty, maherin'ny 250.000 no traboina vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Gezani teto Madagasikara. Rivodoza nivoaka an-dranomasina any amin'ny lakandranon'i Mozambika omaly hariva rehefa niditra tao Toamasina ny talata hariva teo... ♦Manentana ny mpino katolika manerana ny nosy mba haneho fitiavana araka izay fantatry ny fontsika fa mety hahafahana manampy ny havantsika amin'ireo Faritra nahitàna fahasimbana nolalovan'ny rivodoza ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Rava hatrany amin'ny 80% ny tanànan'i Toamasina. Nijery ny zava-nisy sy namaha olana tany an-toerana ny filohan'ny Fanavaozana...

Andriamahazonoro dia anisan'ireo Mpanazary-Ombiasy nafarana ho eto Imerina tamin'ny vanim-potoana nitondran'Andrianampoinimerina, mba hanampy sy hanolontsaina ary niantafika niaraka tamin'ireo miaramila tamin'izany fotoana. Nampianatra sy nampita fahalalana maro avy amin'ny Foko Antemoro, indrindra ny sorabe teto Imerina. Andriamahazonoro dia isan'ireo masoivoho Malagasy voalohany tany Angleterre. Ireo Mpanazary-Ombiasy miisa dimy (Imosa, Ratsimezy, Andriambita, Ratsilikaina, Andriamahazonoro) dia samy maty novonina tamin'ny fomba tsy voafaritra ka iretsy telo voalohany no niara-maty...

Mahafinaritra rehetra tanteraka ny fiombonana sy ny firaisan-kina ary io no isany mampiavaka ny soatoavina Malagasy. Misy lanjany ny Fanjakàna Malagasy, miavaka isika amin'ny fiarovana ny aina, fitandroana ny fihavanana sy ny fiarovanana ny tontolo iainana. Ny fiombonana no sori-dalana efa hitanan'ireo mpanjaka nitondra amin'ny fanamafisana sy fanatsarana ny fanjakàna ka tokony mbola himasoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

♦ 17 taona katroka androany ilay raharaha fitifirana teny Ambohitsirohitra ny 7 febroary 2009. Nangingina ny hetsi-pahatsiarovana raha ny hita ny tapany maraina teo... ♦ Manamarika ny faha-13 taona nijoroany eny Anosy, androany, ny antoko KINTANA. Mbola mitàna hatrany ny rafitra "Federalisma" tokony hitondràna ny firenena ity antoko ity... ♦ Lehilahy telo no nodorana velona tany Soanindrariny, Distrika Antsirabe-II. Voatondro ho nanataka kibom-behivavy bevohoka, haka ny mason'ilay zaza ao am-bohoka izy ireo... ♦ Hifarana anio 7 febroary ny fe-potoana hitantanan'ny filan-kevitry ny fitondrana tetezamita any Haïti...

Alahady 08 febroary 2026 : Alahady faha-5 mandavantaona — A — Ny soa atao levenam-bola ; Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no manana ny fahazavan’ny fiainana. Oharina amin'ny Fanasina sy ny Fahazavana ny mpianatry ny Tompo, izay lovaintsika Kristiana amin'ny fomba amam-panao ankehitriny, toetra manentana ny rehetra hanatontosa ny adidy, andraikitra tandrify azy araka ny fitantanan'ny Fanahimasina. Ny Jiro dia natao hanazava, hiadiana amin'ny tahotra ; ny sira dia fanomezana hasina, ary natao hanadiovana, fitsaboana, fanasitranana ; noho izany dia natao hiazona ny hajan'ny fiaraha-monina ny Kristiana...

Mandritry ny torimaso no miala sasatra ny saina sy ny vatana ary hanovozana herim-batana sy herin-tsaina ; ao anatin'ny torimaso no manavao ny sela ny vatana sy ny taova, manamafy ny hery fiarovana. Mandritry ny torimaso no miasa ny atidoha manamafy ny fitadidiana sy mandray ho raikitra izay fahalalana noraisiny ary manivana izay tsy ilainy, amin'io fotoana io no mandamina ny fiasany ny tsirim-panentana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Mangataka ny hamindràna an'Andriamatoa Mamy Ravatomanga hotsaraina eto Madagasikara ny Ministry ny Fitsaràna Malagasy. Tompon'andraiki-panjakàna maro no nihaona taminy nandritra ny fitsidihana tatsy Maorisy... ♦ Hiakatra 14,5% ny karaman'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina amin'ity taona ity. Ny karama farany ambany ihany no anefa no neken'ireo vondron'ny mpampiasa fa voakasik'izany fampiakarana izany... ♦ Hanambana mivantana ny ilany afovoany antsinanan'ny nosy ilay faritra andro ratsy ao amin'ny ranomasimbe Indiana ny fiandohan'ny herinandro io. Ahiana hivadika ho rivo-doza izy ato anatin'ny 48 ora...

Ny GERP dia vondrona iray miaro sy mikaroka ny gidro, ny varika sy ny ala eto Madagasikara, miaro ny tontolo iainana. Ilaina ny fanamaitsona ny tontolo sy ny fambolen-kazo mba hanavotana ny zava-manan'aina rehetra ; misy ny roh mampifandray ny olombelona sy ny tontolo iainana. Ny fambolen-kazo dia tokony hakendry ireo toerana misy fahasimbana (ngazana, mihotsaka...), anefa tokony hisy hatrany ny fanaraha-maso azy ireny. Ilaina hatrany ny mamantatra ny karazan-kazo tokony hovolena, torak'izany koa ny toerana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Rafitra no havaozina anefa, isika rehetra no manana andraikitra sy adidy amin'ny izany amin'ny alalan'ny fitiavan-tanindrazana ; aoka hialàna ny risoriso, ny tsy fanajana lalàna sy ny tsy maty manota. Nikorosofahana hatrany ny firenena taorian'ny repoblika voalohany ; azo heverina ho fanarenana ny zava-misy ny fanompom-pirenena, maro mantsy ny vokatra tsara vokatry ny nanaovana izany teo aloha toy ny fahavitan'ny lalana, fahatsaran'ny lafiny fampianarana, nanohana ny fambolena sy ny fiompiana, indrindra ny fahasalamana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Taloha dia manodidina ny folo ny zanaky ny mpivady iray, fa tamin'ny ankapobeiny ny reny no tena niankinan'ny fitaizana, nanampy tamin'ny izany anjara andraikitra izany ihany koa ireo zanaka efa lehibe. Ny zoky dia nanampy tamin'ny fitaizana ary io no antony nametrahan'ny maro "ny zoky dia ray aman-dreny". Mahay mifaly, mahay mionona ny zanaka tamin'ny fitaizana taloha, fa ny ankizy ankehitriny dia toa voavolavola handray izay efa nomanin'ny ray aman-dreny... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Tafakatra 9 ireo olona namoy ny ainy, vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza Fytia tamina Faritra miisa 9 teto Madagasikara ny faran'ny herinandro teo. Mbola tsy hita ilay olona lasan'ny rano tany Ambalakida Mahajanga-II... ♦ Nanoso-kevitra hivoahana amin'ny toe-draharaha pôlitika eto Madagasikara ny antoko GJMD. Ny fandrafetana fifanarahana pôlitika tarihan'ny FFKM no lalan-kivoahana amin'izany hoy ny avy amin'ity antoko ity... ♦ Hisy ny fanomezana "solombodiakoho" ho an'ireo zokiolona mpikambana sady mpandray fisotron-drononon'ny CnaPs amin'ity taona ity. Lany teo anivon'ny filan-kevi-pitantanana ny momba izany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...