• Nihaona tamin'ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron tany Paris ny tolak'andro teo, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Kolonely Randrianirina Michaël... • Nitohy tetsy amin'ny CCI Ivato androany, ny fihaonana tafiditra ao anatin'ny dinika ho fanaingana ny toekarena malagasy... • Tafapetraka ao Toamasina ny Centre Opérationnel Mixte, natao handrindra sy hanafainganana ny asa fanarenana any an-toerana, araka ny nambaran'ny Tale Jeneralin'ny BNGRC...
♦ Nampidirina eny amin’ny fonjan’Antanimora avokoa ireo voampanga, niseho fitsàrana ary namoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena ny voampanga Maminiaina Ravatomanga, mbola karohina ny teratany vahiny iray, taorian’ny fiakaran’ny raharaha teny amin’ny PAC… ♦ Hiverina hamokatra solintany mavesatra indray ny Madagascar Oil, ao Tsimororo, rehefa nihato nandrindra ny taona maro… ♦ Manao ezaka goavana fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara, ny eo anivon’ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa…
♦ Hidinika ao amin'ny Lapan'i Elysé anio tolak'andro ny filoha frantsay sy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara. Fihaonana voalohany eo amin'ny roa tonta, taorian'ny fiovam-pitondrana teto Madagasikara... ♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika eny amin'ny fonjan'Avaradrano Andriamatoa Vy Vato Rakotovao. Nohainoana teo anivon'ny Fitsaràna teny Anosy, omaly, ity governoran'i Vakinankaratra ity noho ny raharaha hiampangàna azy... ♦ Hampiakarina ny tahan'ny sekoly eto Madagasikara hisitraka fampisakafoana ireo mpianatra ao aminy. Misy ny fandaharan'asa mifototra amin'ny fividianana vokatra eny ifotony...
Ratsimilaho dia mpanjaka sy mpitari-tafika tao amin'ny Faritra Betsimisaraka, nizara telo ny foko tao amin'iny faritra iny dia ny Antavaratra, ny Tsikoa na Betanimena ary ny Antatsimo. Noho ny fiadiana ny harena izay nisy tao Toamasina sy Fenoarivo dia nanangana tafika i Ratsimilaho, nahitana miaramila 200 lahy ka ireo no nantsoina sy nomena anarana hoe "Betsimisaraka". I Ratsimilaho dia maty ny taona 1745 ary nalevina ao amin'ny Nosy Sainte-Marie. Ratsimilaho dia zanaka jiolahin-tsambo anglisy sy Rasoa na Rahena, avy amin'ny foko Zafiramisoa...
♦ Niatrika fivoriam-be voalohany fanao isan-taona ny FFVA eto amin'ny Arsidiôsezin'Antananarivo... ♦ Hihaona amin'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron anio ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ny Kôlônely Michaël Randrianirina... ♦ Omen-danja amin'ny fampiofanana ireo voafonja hanamafisana ny fanabeazana ireo voafonja. Nosokafana tamin'ny fomlba ôfisialy ny faran'ny herinandro teo ny taom-panabeazana 2026... ♦ Niantso ireo terataniny monina any Iran i Inde hiala any an-toerana, taorian'ny fandrahonana nataon'ny filoha amerikana, hanafika ity firenena ity...
♦ Misy ny akon'ny fivoriam-be voalohany fanao isan-taona ho an'ny FFVA eto amin'ny Arsidiôsezin'Antananarivo... ♦ Nanainga androany nihazo an'i Frantsa ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Natomboka androany tao amin'ny kaominina Iarinarivo, distrika Ambohidratrimo ny hetsika fizarana karatany faobe... ♦ Hitohy any Geneve, amin'ny alakamisy ho avy izao indray, ny fihaonana hifanakalozan-kevitra momba ny raharaha nokleary eo amin'i Etazonia sy Iran...
♦ Mila fahamailona ny fanovàna ny endriky ny diplômasian'i Madagasikara amin'izao hoy Andriamatoa Elia Rabevahiny. Nambaran'ity mpanao pôlitika ity fa ifandrombahan'ireo firenena matanjaka hakàna tombontsoa isika... ♦ Hisy ny fivarotan'ny Fanjakàna finday sy solosaina amin'ny vidiny mirary. Finday maherin'ny 600.000 no hamidy hanombohana izany ka hanaovana andrana ny Oniversite Antananarivo sy ny any Fianarantsoa... ♦ Namaly ireo Gen-Z ao anatin'ny Fiteva nanao fanambaràn teny Tsiadana ny filoha Nasiônalin'ny Fikambanana. Nambarany fa kajikajy politika sy fikatsahana tombontsoa manokana no ataon'izy ireo...
Vanim-potoana hanavaozana tokoa isika izao. Ady hevitra tsy afaka ambavan'ireo mpisehatra amin'ny fanabeazana ohatra ny hanovàna ny tetiandrom-pampianarana an-kapobeny. Ny marimarina kokoa dia ny hanitsiana izany, mba hanaraka ny toetr’andro. Tena hoe ny toetr’andro tokoa satria tsapa ho voaelingelin’izany ny alimanàka ao anatin'ny taom-pianarana iray, izay handrantoan'ny zaza malagasy fahaizana amam-pahalalana any an-tsekoly...
♦ Hahemotra amin'ny taona 2027 ny JMJ Mada andiany faha-11 horaisin'ny tanànan'i Toamasina. Namoaka hafatra ho an'ny tanora mifandraika amin'izany ny fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara ny faran'ny herinandro teo... ♦ Namoahan'ny PAC Antananarivo didy fampisamborana iraisam-pirenena hafa indray Andriamatoa Mamy Ravatomanga, noho ny raharaha fanondrànana letchi. Olona 7 hafa ihany koa namoahan'ny Fitsaràna didy... ♦ Navaozina ny fifanarahana hitantanan'ny mpanazatra Corentin Martins ny Barean'i Madagasikara. Vita sonia ny sabotsy teo ny fifanaraham-piaraha-miasa herin-taona tsy azo havaozina momba izany...
♦ Hahemotra amin'ny taona 2027 ny JMJ any Toamasina saika hotanterahana amin'ity taona ity. Fanapahan-kevitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara manoloana ny voina nateraky ny rivodoza Gezani... ♦ Nigadona an-tanindrazana ny delegasiôna malagasy notarihan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika tany Rosia. Fahombiazana ny dia natao tany araka ny fanazan'ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Mbola manamafy hatrany ny météo malagasy fa ho betsaka ny rotsak'orana eto amin'ny Faritra Analamanga anio. Hiseho any Tsaratanàna, Andilamena ary Amparafaravola izany rahampitso...
Notendren’ny Papa Léon XIV ho Evekan’ny Diosezin’i Port-Victoria, Seychelles i P. Rasamison Landry Phillippe, taorian’ny nankatoavin’ny Ray masina ny fangatahan’i Mgr Alain Havel hitsahatra amin’ny asany amin’io Diosezy io.
Alahady 22 febroary 2026 - Taona A - ALahady voalohany karemy : Andriamanitra tsy tia ratsy fa ny olombelona no be siasia. Tena fitiavana ny fandraràn'Andriamanitra ny olombelona amin'ny alalan'ny Didy folo sy ny fandraràna hafa araka ny Soratra Masina, Tian'Andriamanitra hanaka azy amin'ny lafiny rehetra ny olombelona. Ny tany efitra dia manambara fisitahana, fahanginana, fivavahana, fisedràna fakam-panahy maro. Ny demony dia tsy maka fanahy raha tsy misy zavatra fanararaotra toy ny sakafo, harena, voninahitra, ka ilaina mitolona am-bavaka sy mitoky amin'Andriamanitra Ray, Zanaka, sy Fanahy-Masina...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco