Niforontanan'ny fisakafoana mahazo ireo olona tsy mahinana sakafo na tsy te hihinana, ireo mihinana be loatra, ireo tsy mahalany ny sakafo sahaza azy, ireo manam-pahazarana manao be am-bava, ireo dia samy fambara olana ara-pahasalamana. Ny tsy fahazotoana misakafo dia fambara hoe tsy salamana ny olona iray. Ny fikorontanan'ny fisakafoana dia mety ho vokatry ny aretim-bavony, ny lalan-kanina no misy marary... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Manahy amin'ny ho avin'ny fampianarana sy ny fanabeazana eto Madagasikara ny vovonan'ny fitantanana ny fampianarana amin'ny sehatra tsy miankina (DNP). Hijoro, tsy hilavo lefona manoloana ny zava-misy izy ireo raha nitafa tamin'ny mpanao gazety... ♦ Hivadika ho Université Virtuelle ny CNTEMAD. Nosantarina, omaly, teny Anosy ny fidirana amin'ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra... ♦ Manomboka miverina ny famatsian-dranon'ny Jirama ao an-tampon-tanànan'i Toamasina hoy ny Ministry ny rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana. Famatsiana rano tapaka noho ny fandalovan'ny rivodoza Gezani farany teo...
Josoa Kristry no "leader" lavorary tokony ho tahafina. Ireo tsara halain-tahaka Aminy : Fanetrentena, manao ny sitrapon'ny Ray, manompo ny rehetra, matoky Andraimanitra, mamaly ny hetahetan'ny hafa, mahay mizara andraikitra sy fahefana, fananganana vondrona hanamorana ny asa manandrify. Ny leadership kristiana dia miezaka mamantatra ny olombelona sy ny momba an'Andriamanitra, mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra hasoa ny vahoakany... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Nangingina tato ho ato, tao anatin'ny taona maro ny fivoizana ny voly vary SRI eto Madagasikara. Manohy ny sehatr'asany hatrany anefa ireo mpandala ity teknika fambolem-bary ity eto amin'ny nosy saingy tsy mba misy mpahalala ny asa ataony. Mivoatra ny haitao entina ampiroboroboana ny voly vary SRI saingy tsy heno firy ihany koa ny tohiny. Isan'izany ilay milina fanetsana mampiasa ny teknika bata-tany noforonon'ingahy Gislain Raharinaivo, injeniera momba ny fambolena miara-miasa amin'ny orinasa atsy Afrika...
Ny ankamaron'ny vahoaka ankehitriny dia miaina fahasahiranana lalina ary maro ny marary tsy manana fahafahana mitsabo tena, etsy ankilany ny voina vokatry ny rivodoza. Ilay Samaritana tsara fanahy araka izay voasoratra amin'ny hafatry ny Ray Masina Léon XIV dia modelin'ny fangorahana, izay tsy fahalemena fa hery arahina fahendrena, fisokafana. Ny atao mahasarika ary mandrisika ny hafa... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Nihaona tamin'ny Filoha Rosiana Vladmir Poutine ny tolak'andro teo, ny Filoham-panjakana Michaël Randrianirina. Nifantohan'ny dinika ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta... • Tafakatra 62 ireo olona namoy ny ainy, vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Gezani. Maherin'ny 420.000 ireo traboina amina Distrika 29, araka ny tatitra farany navoakan'ny BNGRC androany... • Natao famotorana lalina teny amin'ny PAC ilay raharaha fanodikondinam-bola 183 tapitrisa Ariary tao amin'ny fivarotam-panafodin'ny Hopitaly Itaosy...
♦ Nahazo famatsiam-bola mitentina 1,5 tapitrisa Dôlara avy amin'ny Joint-SDG Fund hanohanana ny tetik'asa fanafainganana ny fampivoarana ny rafitra ara-tsakafo i Madagasikara... ♦ Tsy mazava ny rafitra hitondrana ny firenena ka mangataka fanazavana momba izany amin'ny fitondram-panjakàna ny fiaraha-monim-pirenena ROHY... ♦ Mpampiofana miisa 40 eo anivon'ny Federasiôna Malagasin'ny Baolina Lavalava no nahazo fiofanana iraisam-pirenena... ♦ Voaheloka higadra mandra-pahafatiny ny filohan'i Corée atsimo teo aloha, Yoon Suk Yeol, araka ny didy navoakan'ny Fitsaràna tao Seoul, androany...
51 taona izao no nitrangan'ny famonoana ka nahafaty ny Kôlônely Ratsimandrava Richard, tandindon'ny finiavana hambabo hatrany ny firenena ho eo ambany vahohon'ny fahavalom-pirenena. Ny fahalalana ny tantara nisy dia ahafahana mamaritra ny ho avy sy mampandroso ny firenena. Toerana stratejika tsara i Madagasikara ho an'ny firenena vahiny, mila mitandrindra ny mpitondra, ka hanao ho zava-dehibe ny fiandrianam-pirenena amin'ny lafiny rehetra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Handefa mpitandro filaminana miisa 600 any Toamasina handrindra ny fanampiana ho an'ireo traboina ny fitondram-panjakàna... ♦ Haverina amin'ny endriny tany aloha ny ao anatin'ny Rovan'i Manjakamiadana, esorina avokoa ireo fitaovana tsy an'ny mpanjaka araka ny didim-pitsarana momba ny Colisée nivoaka omaly... ♦ Niato nanomboka omaly alarobia 18 febroary 2026 ny fahafahan'ireo mpiasam-panjakàna miisa 159 manao dialyse eny anivon'ny Hopitaly Polyclinique Ilafy... ♦ Manomboka miverina sy miarin-doha tsikelikely ny toe-karena ao RDC...
• Horavana ny "Colisée" izay naorin'ny fitondrana teo aloha eny anaty Rova eny Manjakamiadana, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina... • Manahy mafy ny amin'ny ainy ireo marary voa miisa 159 manao "dialyse", satria niato nanomboka androany ny fanaovana "dialyse" izay eny amin'ny hopitaly Polyclinique Ilafy... • Hisy ny fifaninana nasionaly "Fokontany madio", karakarain'ny Minisiteran'ny Rano, ny Fidiovana sy Fahadiovana, miaraka amin'ireo mpiara-miombona antoka...
♦ Nanainga alina nihazo an'i Rosia ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, hamaly ny fanasana nataon'ny filoha rosianina Vladmir Poutine... ♦ Mankasitraka ny fikarakaràna ny herinandron'ny fanapariahana ara-pamokarana tanteraka eo Antananarivo ny filohan'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasiônaly. Misy ny fiovàna amin'ny fandraisan'anjaran'ny tantsaha amin'ny hetsika toa izao hoy izy... ♦ Miatraika amin'ny lafiny toe-karena eto Madagasikara ny fahavoazana mahazo an'i Toamasina vokatry ny rivodoza hoy ny sendikan'ny mpiasan'ny fadintseranana. Toamasina no mampiditra 75% ny vola azo avy amin'ny fadintseranana...
Manomboka amin'ny faha-13 ka hatramin'ny 15 taona ny fivelaran'ny fitiavan'ny tanora, ka ny ankizy vavy no misarika mialoha ny lehilahy ary ara-boajanahary izany, mifandrohy amin'ny fisian'ny ra eo amin'ny vehivavy. Noho io lamina ara-boajanahary io dia manosika ny mpampianatra sy ny ray aman-dreny handanjalanja ny fomba fanabeazana ny tanora. Misy fihetsika na toetra miova rehefa tonga amin'ny fotoana fahamaotinana ny ankizy sy ny tanora ; tsy azo fehezina tsy hitia ny olona iray... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco