Ny Marofotsy dia anaran-toerana ary nonenan'ireo foko "Marofotsy". Foko iray ankoatra ireo foko maro efa hain'ny maro. Taloha dia Ambaniandrefana no anaran'ny toerana voalaza etsy aloha ; ireo olona na foko "Marofotsy" kosa dia "Maromainty" no niantsona aza fa rehefa nifanitsaka tamin'ny anaran'ireo omby maro tao Ambaniandrefana dia novàna ho "Marofotsy" mba hiavahan'ny olona sy ny biby. Olona avy amin'ny faritra samihafa nandositra fanandevozana sy famorentana ara-dalàna. I Marofotsy dia eo afovoan'ny Faritr'i Boina, Faritr'Imerina, Faritra Sihanaka ary Faritra Tsimihety...

♦ Nankasitrahan'ny Fivondronamben'ny Eveka ny asa vitan'ny Nonce Apostolique Mgr Thomaz Grysa teto Madagasikara. Nisy ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra, teny Ambatoroka omaly... ♦ Mangataka ny hamoahana ireo gadra pôlitika sy ny fiverenan'ireo sesitany pôlitika eto Madagasikara ny SADC, nandritry ny fihaonana an-tampony tsy ara-potoana, omaly... ♦ Tsy misy ny fivoahan'ny "laza adina" mialoha ny fotoana any amin'ny tambajotran-tserasera. Efa nohamafisina ireo fiarovana ny laza adina BEPC, hoy ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Ekipa miisa 3 no tafakatra amin'ny dingan'ny 1/8e amin'ny Mondial 2026...

♦ Niravona ny disadisa teo amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrika Ambovombe-Androy. Nifamitram-pihavanana izy mirahalahy hoy ny Filohan'ny Mpanohitra Milavonjy Philobert... ♦ Hitety Faritra hanazava ny foto-kevitra ijoroany ny fikambanana ZaGasy. Fikambanana mitaky ny hametrahana ny Faritra mizaka tena... ♦ Mihamafy ny fahasahiranan'ny mponina ao Antsiranana noho ny fahatapahan-jireo mandritry ny fotoana maharitra. Nijery ny zava-nisy, tany an-toerana ny Ministry ny Angovo sy ny Ankoran'Afo... 

---/... Anatin’ny fankalazana ny faha 30 taona nijoroany ny Radio Don Bosco amin’izao fotoana izao. Onjam-peo manaparitaka ireo karazam-pandaharana maro samihafa nanomboka ny 27 jona 1996. Fandaharana miompana amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy ny fanabeazana amin’ny lafiny maha olona manontolo. Radio Katolika hoan’ny olona rehetra tsy an-kanavaka ny Radio Don Bosco. Najoron’ny fikambanana Salezianina Don Bosco anabeazana ny olom-pirenena, indrindra fa ny tanora...

♦ Feno 30 taona ny sabotsy 27 jona teo ny Radio Don Bosco. Tamin'ny alalan'ny Eokaristia Masina notarihan'ny Mompera Bizimana Innocent misahana ny Fikambanana Saleziana Don Bosco aty amin'ny Faritr'i Afrika Atsinanana sy atsimo no nanamarihana izany... ♦ Hivory handinika ny raharahan'i Madagasikara ny eo anivon'ny SADC. Hitarika ity fivoriana tsy ara-potoana ity ny filohan'i Afrika-atsimo, Cyril Ramaphosa, filoha mitarika ankehitriny... ♦ Hiatrika ny fanadinana Bakalorea katôlika manomboka androany ny mpianatra an'alina avy amin'ny sekoly katôlika manerana ny nosy...

Adidy ny fitiavana ny Tanindrazana, ary zavatra voajanahary izy io, porofon'izany dia nitia ny Tanindrazany i Jesoa, nitomany izy nilaza hoe : "Ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina ho ao aminao, impiry no nitadiavako hanangona ny zanakao toy ny hanangonan'ny reny akoho ny zanany, eo ambany helany fa tsy nety nihaino ianao. Adidy ny fihainoana ny tenin'ireo ray aman-dreny izay manamafy ny rariny sy ny hitsiny... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Nanokana roa andro teto an-drenivohitra niadian-kevitra sy nanatevenana ny fahalalan’ireo tantsaha mpikambana ao aminy momba ny tsy fanilihana ny andraikitra rehetra eny ambanivohitra hoan’ny tantsaha sy ny momba ny fitantanana ny rano ny tranoben’ny tantsaha mpamokatra. Kaonferansa natao ny 18 sy ny 19 Jona teo...

♦ Nodimandry tampoka androany maraina tao Fianarantsoa ny Talen'ny Radio Fivé Morombe Mompera Ranamandrainy Caliste, 43 taona izy izao nidaosin'ny fahafatesana izao... ♦ Nahetsiky ny fitondrana hanamora ny fitanterana amin'izao fankalazana ny fetim-pirenena izao ireo fiarabe FOTON miisa 250. Hisy ny fanaraha-maso ataon'ny mpitandro filaminana ireo fiarabe ireo... ♦ Tontosa teny Alarobia ny andiany voalohany amin'ny Symposium momba ny Cybersécurité eto Madagasikara... ♦ Niala tsy ho isan'ny mpikambana ao amin'ny Fitsaràna iraisam-pirenena misahana ny heloka CPI i Niger...

Manamafy hatrany ny fandaharana fa ny fifanajana sy ny fanajana dia manana ny lanjany ary antoka mahatsara ny rafim-piaraha-monina. Ny raim-pianakaviana no fitaratra ho an'ny zanaka lahy ary manana adidy lehibe izy hampiseho toetra mendrika ho an'ny ankohonany. Sarobidy ny ray, lohan'ny ankohonana, mitarika sy manabe, izy noho izany no miantoka ny fahatsarana na fahapotehan'ny fiainan'ny fianakaviana manontolo. Mahatsara ny fiaraha-monina ny fihavaozana izay mitaky fahatsiarovantena amin'ny toe-javatra maro... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Niombom-po tanteraka tamin'ny teto amin'ny RDB ireo mpihaino tonga marobe nandritry ny varavarana misokatra notanterahana tety Ivato omaly. Tratra ny tanjona ho an'ny mpikarakara ; afapo tamin'ny fitsidihana ireo mpihaino... ♦ Miantso fitoniana amin'izao fotoana ankalazana ny fetim-pirenena izao ny mpanao pôlitika. Mila tadiavina ny marimaritra iraisana manoloana ny olan'ny fitanterana eto Madagasikara hoy Andriamatoa Régis Ramamonjisoa... ♦ Nafindra ao Ambavarano ny toera-piatsonan'ny taxibe ao amin'ny Kaominia Ambohidratrimo. Notokanana tamin'ity herinandro ity ny foto-drafitr'asa vaovao momba izany...

♦ Vavolombelon'ireo vanim-potoana nolalovana teo amin'ny tantaram-pirenena sy ny raharaham-piangonana ary mbola vonona hiatrika ireo fanamby manoloana ny fivoarana amin'ny tontolon'ny serasera ny Radio Don Bosco amin'ny 30 taona izao... ♦ Handray ny tambin-karamany volana mey mialohan'ny 26 jona ireo mpiasa miandraikitra ny fanoratana anarana biométrique, mbola tsy nisitraka izany... ♦ Homen-danja ny hevitry ny eny ifotony sy ny Malagasy manoloana ny olana ara-tany izay tena mampikaikaika ny Malagasy, hoy ny Ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany...

Ny fahatsiarovantenan'ny tsirairay no fanohitra ho amin'ny fitiavan-tanindrazana. Isaky ny manao fanamarihana sy fankalazana ny fitsingerenan'ny taona namerenana ny fahaleovantena ho an'i Madagasikara dia misongadina hatrany ny teny hoe "fitiavan-tanindrazana". Ny atao hoe fitiavan-tanindrazana dia azo adika ho fitiavana an'i Madagasikara ; azo haseho amin'ny alalan'ny fitafiana, fiteny, kolontsaina, fanabeazana na zavatra na toetra amam-pihetsika hafa maneho ny maha Malagasy ny fitiavana ny Tanindrazana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...