♦ Afaka noho ny fisalasalàna tamin'ny raharaha fanakorontanam-panjakàna nanenjehina azy i Moussa Soalihy, mpanohana ny fitondràna teo aloha. Nivoaka ny maraina teo teny Anosy ny didim-pitsaràna momba ity raharaha ity... ♦ Ny rafitra hitantanana ny firenena tsy mazava tsara no tsy hahazoantsika fankatoavana eo anivon'ny Vondrona Afrikàna hoy Andriamatoa Beanjara Paul. Nanamafy ny hamolavolàna tondro-zotra mazava hitondràna ny firenena ity mpanao pôlitika ity... ♦ Tsy manambana an'i Madagasikara intsony ilay rivodoza Gezani. Nanalavitra tany amin'ny 431km atsimo-andrefan'i Faux Cap any Tsihombe, izy, tamin'ny 9 ora maraina teo...

Ny loko amin'ny tontolo isainan'ny Malagasy dia mifanahaka amin'ny toetra amam-pihetsika, amin'ny fomba fisainana, amin'ny filôzofia Malagasy ary ny kolontsaina. Ny Malagasy tsy mametraka ho zava-dehibe ny fitsimbinam-pihavanana, ny tsy fiziriziriana hany ka lasa manana fahazarana manao teny verindroa ireo voambolana manambara loko ; ohatra : menamena, mangamanga, fotsifotsy.  Ny "mainty sy ny fotsy" dia entina ilazàna zavatra miiba, ny "manga" ilazana zavatra tsara, Ny "mena" fiandrianana na fitohizan'aina. Mety hiova isam-paritra ny hevitry ny loko (Mainty - Manga - Maitso)...

♦ Nihananalavitra an'i Madagasikara ilay rivodoza Gezani. Mbola mikorontana vokatr'izany ny toetry ny ranomasina any amin'ny morontsiraka atsimon'ny nosy, hoy ny filazana avy amin'ny Météo... ♦ Nasain'ny vondrona afrikàna hamolavola tondro-zotra hitondràna ny firenena hatramin'ny faran'ity volana febroary ity i Madagasikara. Nihaona tamin'ny filohan'ny vaomieran'ity vondrona ity tao Addis-Abbebas moa omaly ny delegasiôna Malagasy... ♦ Nitsinjo sehatra tsy miankina taorian'ny fandalovan'ny rivodoza ny Fanjakàna. Foana mandritra ny 7 andro ny saram-pitehirizana entana eny amin'ny seranan-tsambo, ho an'ny kaontenera sy ny entana amin'ny endriny mahazatra...

• Tany amin'ny 162 km andrefan'Itampolo Ampanihy no nisy ny foiben'ilay rivodoza Gezani tamin'ny 3 ora tolakandro teo, raha ny vaovao avy amin'ny Météo, tamin'ny 4 ora tolakandro... • Namory ny OMC NAT teny amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Anosy androany, ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta. Nandinihana ny paikady hapetraka handrindrana ny fizarana ireo fanampiana omena ny traboina, vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Gezani... • Laharam-pahamehan'ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fampiroboroboana ny tontolon'ny fambolena sy fiompiana. Manaporofo izany ny fahavitan'ny orinasa mpamokatra zezika any Toliara, izay notokanan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika androany...

♦ Tany amin'ny 240 km andrefan'Itampolo-Ampanihy no nisy ny foiben'ilay rivodoza Gezani tamin'ny 9  ora maraina teo. Nihena ny heriny... ♦ Tafakatra 59 ireo namoy ny ainy vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Gezani araka ny tatitra navoaky ny BNGRC... ♦ 2 isa no velona sy mbola manaraka fitsaboana ao amin'ny hopitaly vokatry ny filatsahan'ny varatra tao amin'ny Fokontany Begodogodo any Bemp-sur Tsiribihina... ♦ Manentana ny mpino katolika hiaina ny karemy ho toy ny lalana mankamin'ny fanovàna anaty ny Papa Léon-XIV...

-- Sanatria tsy hanao vain-drahalahy tsy mba marary ny AROFANINA, ka handingana tsy haneho  ny fiombonam-po amin'ireo malagasy havana, mpiray tanindrazana, nisedra olana vokatry ny fandalovan'ny rivodoza. Na ny Arofanina aza...sadaikatra..., sahirana hitady voambolana hambara satria tena goavana ny fahavoazana... Raha nahazatra mantsy ny masoandro miposaka avy Atsinanana vao maraina, dia rivodoza harivariva...alinalina...no tonga tsy mba nandrandraina fa nandravarava...

♦ Tany amin'ny 467 km atsimo-andrefan'Itampolo Ampanihy no nisy ny foiben'ilay rivodoza mahery Gezani, omaly tamin'ny 3 tolakandro. 120km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 170km/ora... ♦ Manentana ny rehetra mba hanalavitra ny fifanararaotana amin'ny endriny maro samihafa ao anatin'ny voina toy izao ny FFKM... ♦ Hisy amin'ireo mpiara-miasa akaiky amin'ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina no hiakatra Fitsaràna amin'ity herinandro ity. Nisy koa ny fisavàna sy fisamborana ny mpiara-miasa aminy hafa ny faran'ny herinandro teo... ♦ Tsy nanadino an'i Madagasikara ny Papa Léon-XIV. Nitondra am-bavaka ireo Malagasy traboina ny Ray Masina...

• Efa any Toamasina ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, miaraka amin'ireo eveka maromaro, nihaona tamin'ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, sy mankahery sy mivavaka ho an'ny mponin'i Toamasina, izay niharan'ilay rivodoza Gezani... • Mitady hisy hibodo ny tanin'ny Arsidiosezin'Antananarivo misy ny Rovan'ny Tovovavy, toerana mifanila sy mifanakaiky amin'ny Fiangonana EKAR Antanimena... • Tsy mihen-danja, ary tsy ho fatin'ny firoborobon'ny teknolojia vaovao ny Radio. Isan'ny nisongadina ireo androany, nandritra ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny Radio, teny amin'ny Havoria Anosy...

Maro amin’ireo tantsaha ato amin’ny faritra Analamanga no resy lahatra amin’ny fampiasana zezika biolojika tsy misy taharo simika. 10 taona nirotsahana an-tsehatra sy nampitombo fahalalana amin’ny famokarana zezika kaompôsta Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien ary nahita fahombiazana tamin’izany.

Ny fifandraisana amin'ny lafiny rehetra, amin'ny mpiara-belona, amin'ny voary manontolo dia anisan'ny antoka lehibe ho amin'ny ho avy mandrakizay. Misy fiovana lehibe miantraika amin'ny fifandraisana eo amin'ny fianakaviana, ny tanora ary ny fiaraha-monina noho ny : teknôlôjia sy ny tambajotra sôsialy, ny ara-toekarena ara-kolontsaina ary ireo toe-javatra manokana izay mety hiteraka adin-tsaina sy fifandirana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

• Tafakatra 30 ny isan'ireo namoy ny ainy vokatry ny rivodoza Gezani. Olona 6 no tsy hita popoka, maherin'ny 5 alina sy 2 hetsy ireo traboina, raha ny tarehimarika farany navoakan'ny BNGRC... • Hanampy an'i Madagasikara amin'ny fanarenana ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Gezani, ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena. Nisy ny fivoriana niresahana izany fiaraha-miasa izany, tany Toamasina androany... • Tsentsin'ny fako ny tohodrano mamatsy rano an'Andekaleka, vokatry ny rivodoza farany teo. Miteraka olana amin'ny famatsiana herinaratra ho an'Antananarivo sy Toamasina, hoy ny Minisitry ny Angovo, androany...

♦ Manentana ny mpino katolika manerana ny nosy mba haneho fitiavana araka izay fantatry ny fontsika hanampiana ireo havana any amin'ny Faritra nahitàna fahasimbana nolalovan'ny rivodoza ny Fivondronamben'ny Eveka... ♦ Mangataka vavaka sy tolo-tanana avy amin'ny mpiray tanindrazana indrindra fa ho an'ireo olona sahirana iahian'ny fikambanana ny Saleziana Don Bosco eto Madagasikara. Lasan'ny rivotra avokoa ny tafon'ny trano sy ny fotodrafitr'asa tao Mangarano... ♦ Feno 51 taona omaly 11 febroary ny nahafaty ny Colonel Ratsimandrava Richard. Herinandro katroka taorian'ny nandraisany ny fahefana avy amin'ny Jeneraly Ramanantsoa...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...