♦ Nanamafy ny fitakiana fandravàna ny andrim-panjakàna rehetra sy ny Lalam-panorenana ny vovonana pôlitika TAFITA ny sabotsy teo. Mila esorina anaty Fanjakàna ireo olon'ny fitondràna teo aloha, ho izy ireo... ♦ Vaky omaly tolak'andro ny tohodranon'i Tologoina eny amin'ny kaominina Ampahitrosy, distrika Atsimondrano. Atahorana ho vaky ihany koa ny fefiloha, ka tantsaha hatrany amin'ny 20.000 isa no tandindomin-doza amin'izany... ♦ Nitombo 20 isa indray ireo trangan'aretina voamarina fa nendran-drajako eto Madagasikara. Tafakatra 180 izany izao ny tranga voamarina fa MPox manerana ny nosy amin'ireo tranga rehetra mitotaly 475 hita...

♦ Mbola niantefan'ny safidin'ny ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny Federasiôna ho mpanazatra an'ny Barea i Corentin Martins... ♦ Hisy ny fifanakalozana hiarahan'ny minisi-panjakàna eo anivon'ny fiadidian'ny Fanavaozana Hanitra Razafimanantsoa sy ireo tanora eny Mahamasina anio... ♦ Mbola hitarina ka hitombo isa indray ireo olona atao fanadihadiana tamin'ilay tsingerin-taona nitera-doza teny Ambohimalaza, hoy ny Ministra Fanirisoa Herinaivo... ♦ Nitsoaka ary niafina i Bobi Wine ilay mpanohitra ougandais, herinandro taorian'ny fifidianana filoham-pirenena any Ouganda. Voadidin'ny tafika koa ny toerana misy ny vadiny sy ny fiankaviany...

Alahady 25 janoary 2026, Alahady faha-3 mandavantaona — A — Masoandro be lohataona i Kristy ka tsy mifidy olon-kosoavina ; Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona. I Korinty dia toerana nivezivezen'ny olona maro, avy amin'ny fiavina samihafa noho izy nanana seranan-tsambo lehibe, maro ny firehan-kevitra mifamaofaho, na ny samy kristianina azy dia samy manana ny fanazavany ny finoana araka izay takany, ireny anefa no niteraka ny fifampiandaniana ; miantso ny rehetra mba haneho finoana iray...

Ny fanalan-jaza dia raràn'ny lalàna, araka ny voafaritra ao anatin'ny "code penal" art -316-317, eo anatrehan'ny lalàn'ny fiangonana ihany koa dia fahotana mahafaty ity fomba iray ity, dia ny fanalan-jaza iniana hatao. Ny mahatonga ny fahafahan-jaza tampoka dia tsy fahatomombanana eo amin'ny fiforonany (Chromosome), olan'ny tranon-jaza, Misy fivontosana (fibrome), diabeta tsy voalamina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Tsy handroso isika Malagasy raha tsy miova ny toe-tsaina ka anatin'izany ny ady amin'ny kolikoly hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Kôlônely Randrianirina Michaël, tany Toamasina... ♦ Milaza tsy mahafantatra ny antony nampikatona ny biraon'ny HCC eny Ambohidahy ny Ministry ny Fitsaràna Fanirisoa Herinaivo... ♦ Mijoro ankehitriny ny Kômity vonjimaika misolo toerana ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara (CT OJM) izay hiasa mandra-pijoron'ny rafitra vaovao voafidy amin'ny alalan'ny fifidianana... ♦ Mbola hanohy ny fifampiresahana i Rosia sy Ukraine ary Amerika, taorian'ny dinika voalohany natao tany Abou-dhabi, izay mbola tsy nisy fehin-kevitra mivaingana...

Amin'izao taona arivo fahatelo izao dia ilaina ny fampanjakàna ny fiadanana amin'ny fiainana ny fahaiza-mamela, fahaizana mifampihaino ary ny fahaiza-mivavaka sy mifampivavaka. Samy manana ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ny tsirairay ka tsy tokony hatao ny fifampitsikerana sy ny fifanakianana fa natao aza ireny mba hifamenoana ; ny lavorary dia tsy misy fa ny miezaka ho lavorary no azo atao... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

• Asa goavana miandry ny Minisiteran'ny Fitsarana amin'ity taom-piasana vaovao ity, ny fanaraha-maso ny fifidianana rehetra hotanterahana eto Madagasikara, isorohana mialoha ny hala-bato. Eo koa ny fampodiana an-tanindrazana ireo vola an'ny fanjakana Malagasy izay voageja any ivelany, hoy ny Minisitry ny Fitsarana... • Nampahafantarina ireo mpandraharaha malagasy tamin'ny alalan'ny atrikasa androany teny Antaninarenina, ny dingana sy ny fepetra takina raha hanondrana entana any Eoropa... • Tsy hisy fanerena ny fisoratana anarana biometrika hotanterahana manerana ny nosy. Tsy hisitraka ireo tolo-draharaham-panjakana kosa ireo tsy ao anaty angon-drakitra...

Nizotra araka ny namaritana azy ny sehatr’asan’ny tetik’asa Profi-Lait tamin’iny taona 2025 lasa iny. Niakatra ny taham-bokatra hoan’ireo mpamokatra miara-miasa amin’ny tetik’asa noho ny fampidirana an’ireo haitao ara-teknika niainga tamin’ny fanatsaràna ny sakafon’ny omby sy ny fanatsaràna ny taranaka. Iray amin’ny tetik’asa tantatan’ny Malagasy Dairy Board na ny MDB anatin’ny fandaharan’asa AFAFI Centre tohanan’ny Vondrona Eraopeana vola ny Profi-Lait Plus.

♦ Namoaka fanambarana manoloana ny fisian'ny aretina samihafa sy ny fitsaboana azo atao toy ny fanaovam-baksiny, ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana... ♦ Loza mitatao, hoy ny mpanao gazety Maka Alphonse, raha tsy voahevitra sy voalanjalanja tsara ny mety handraisan'i Madagasikara an'ireo mpifindra-monina... ♦ Nihazo an'i Toamasina indray androany ny Filohan'ny Fanavaozana Randrianirina Michaël, mivady, sy ireo mpanolontsaina avon'ny fanavaozana roalahy... ♦ Noravain'ny praiministra japoney, Sanae Takaichi, androany, ny antenimieram-pirenena any Japon...

Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana no hankalazaina ny sabotsy 24 Janoary 2026 izao, izay andraisana ny lohahevitra mikasika ny fanabeazana ara-pahasalamana hafahan’ny isam-batan’olona mandray ny fahalalàna mivoatra hananana fomba fiaina raikitra misoroka aretina. Ny fanabeazana ara-pahasalamana dia dingana fanabeazana izay mikendry ny hanatsaràna ny fahasalaman’ny olona tsirairay sy ny fiaraha-monina... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Nisy ny atrik'asa voalohany nataon'ny kômity hitarika ny fikaonandoham-pirenena, izay notarihan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny repoblika ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Nampahatsiahy ny lalàna mamaritra ny fanendrena PDS ny ministeran'ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana... ♦ Miisa telo sisa ireo Faritra tsy ahitàna ny MPox eto Madagasikara. Mbola goragora anefa ny fitandremana ho an'ny tsirairay... ♦ Ny Itatra Atidoha (IA) no loha-hevitra iray novoboasan'ny Kardinaly Pietro Parolin niaraka tamin'ireo tanora tao Roma...

• Mifamahofaho ny vaovao momba ny nanendrena an'Andriamatoa Serge Vital, hitantana ny Kaominin'i Toliara. Nilaza ho tsy nanao sonia ny fanendrena azy ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana... • Ho tonga amin'ny volana febroary izao ny vakisiny fanefitry ny MPOX. Faritra telo eto Madagasikara sisa tsy ahitana trangan'ity aretina nendran-drajako ity, hoy ny teo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka androany... • Miverina ny sidina mampitohy an'i Toamasina sy i Sainte Marie, hatrany Sambava sy Antalaha, rehefa tsy nisy intsony an-taonany maro. Nosantarina tamin'ny fomba ofisialy nanomboka androany izany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...