♦ Voaresaka ireo mpikambana amin'ny birao maharitry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, izay nihaona tamin'ny Papa androany tany Vatican, ny momba ny ho fananganana ho Olomasina ireo Olontsambatra Malagasy ary ny fanasàna ny Ray Masina hamangy an'i Madagasikara... ♦ Zazavavikely 3 taona no maty voalohany tsy nahatohitra ny MPox, hatramin'ny nidiran'ity valanaretina ity teo Madagasikara... ♦ Efa miomana mialoha amin'ny fiatrehana ny mety ho krizin-tsolika vokatry ny ady misy any Moyen-Orient, ankehitriny, ny governemanta Malagasy... ♦ Nomen'i Royaume-Uni fahazoan-dalana hampiasa ireo toby miaramila any Iran i Etats-Unis...
♦ .10 taona aty aoriana vao nisy indray ny fikaonan-doha nasiônaly nataon'ny teo anivon'ny pôlisim-pirenena, fotoana iray natao handinihan-tena ho an'ireo pôlisy izao hoy ny tale jeneralin'ny pôlisim-pirenena.. ♦ Zo, rariny, hetsika ho an'ny vehivavy sy zazavavy rehetra, io no loha-hevitra entina mandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy 8 marsa... ♦ Faritra maromaro ao Antananarivo renivohitra no tratry ny fikorontanan'ny kalitaon'ny rano noho ny tsy fahatomombanan'ny paompy fampiakarana rano ao Mandroseza voalohany nanomboka ny maraina teo...
--- "Hisokatra ho an’ny rehetra tsy misy tambiny ary hoan’ny tombotsoan’ny Malagasy." Io no isany fanehoan-kevitra nentin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara taorian’ireo fitsidihana ofisily nataony tany Rosia sy Frantsa farany teo. Misokatra ho an’ireo firenena vonona hiara-hiasa aminy i Madagasikara. Io no foto-kevitra ara-diplomatika entin’ny mpitondra raha ny nambaran’ny filohan’ny fanavaozana. Miompana amin’ny resaka toe-karena, ara-tafika ary ny sosialy, amin’ny an-kapobeny, ny fitsidihana nataon’ny filoham-panjakana malagasy tamin’ireo firenena vahiny ireo. Ao ambadiky ny fiaraha-miasa eo amina firenena roa tonta anefa dia tsy maintsy misy ilay antsoina hoe : " samy mahazo sy miaro ny tombotsoa hoazy "...
--- Nankalazaina omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, ka isany nankalaza izany isika teto Madagasikara. Filaharam-be nataon’ny fikambam-behivavy maro, arahina lahateny samihafa mazana no hetsika atao. Tsara aloha ny mampahatsiahy fa ny taona 1977 no nanambaran’ny Firenena Mikambana tamin’ny fomba ofisialy ny 8 mars ho andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, ka marihana isan-taona...
♦ Maneho ny ahiahiny manoloana ny ady any Moyen Orient ny fitondram-panjakàna Malagasy ary miantso ny fifehezan-tenan'ny andaniny sy ny ankilany ka hampitsaharana avy hatrany ny herisetra... ♦ Natolotry ny filohan'ny fanavaozana ny vondrona SADC ny sabotsy 28 febroary teo ilay antota-kevitra miraikitra ny tatitry ny asa vitan'ny fitondrana tao anatin'ny 4 volana sy ny vinan'asa anatin'ny 18 volana ho avy... ♦ Hiatrika fikaonan-doha nasiônaly amin'ity alatsinainy 2 marsa ity, etsy amin'ny ivon-toeram-pivoriana iraisam-pirenena Ivato ny pôlisim-pirenena Malagasy...
♦ 37 tamin'ireo antontantaratasy 109 voaray izay maniry ho tale jeneralin'ny CNaPs no nahafeno ireo fepetra napetraka ka afaka miatrika ny dingana manaraka... ♦ Manambana ny hanao hetsika ireo mpianatra nivoaka tamin'ny ENS sy ENSET manerana an'i Madagasikara raha tsy mahazo valiny amin'ny fangatahany, ao anatin'ny 48ora... ♦ Miisa 16 ireo tranga voamarina sy tranga ahiana amin'ny MPox izay raisin'ny CTI etsy Andohatapenaka ka misy zaza 8 taona ao anatin'ireo tranga ahiana... ♦ Manao antso amin'ny hampiatoana ny ady eo amin'i Afghanistan sy Pakistan ny firenena mikambana...
Alahady 01 martsa 2026 - Alahady faharoa karemy - Taona A - Voaantso ho an’ny fanantenana isika. Tao anatin’ny rahona mamirapiratra no re ny feon’ny Ray nanao hoe: Ity no Zanako malalako: henoy Izy. Ny dikan'ny fiovan-tarehy teo amin'i Jesoa dia fanehoany ny voninahiny mba hankaherezana ireo mpianany rehefa ho tonga ny fotoan-tsarotra efa voasoratra sy lalana hamonjena ny olombelona, etsy ankilany dia fanambaran'i Jesoa ny tenany amin'ny maha Andriamanitra Azy sy fanambarana mialoha ny hitsanganany amin'ny maty. Ny hoe "Henoy" dia fienkem-pinoana nataon'ny Jody, araka ny voalaza ao amin'ny Testamenta Taloha...
Araky ny singa ara-tsakafo tsy ampy ao amin'ny zaza iray ny aretina mety hahazo azy ; ny alibotry dia ny tsy fahampian'ny "protide", ny alifisatra dia tsy fahampian'ny sakafo mitondra hery "glucide". Maro ny ray aman-dreny no tsy mahay mampisakafo ny zanaka, indrindra ny tsy fahafantarana ny singa ilain'ny vatana sy ny fahasamana anaty sakafo. Ny sakafo dia tokony hifanaraka amin'ny taona, fahasalamana misy amin'ny zaza... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Hatolotry ny fitondrana Fanavaozana amin'ny SADC anio ny tatitra amin'ny asa vitany sy ireo dingana mbola hotanterahina... ♦ Mila mazava ny lalana, tsy maintsy miverina amin'ny vahoaka ny fahefana hoy ny fanambaran'ny antoko Roso ho an'ny Demôkrasia Sôsialy (RDS)... ♦ Asa goavana andrasana amin'ny Corentin Martins ny mba hahafahantsika mandray anjara amin'ny CAN manaraka, raha ny nambaran'ny Ministra miahy ny fanatanjahantena... ♦ Maromaro ireo firenena mampitandrina ireo teratany tsy hiditra any Israely, isan'ireny i Frantsa...
Adidy no mifanompo ao anatin'ny fianakaviana, etsy ankilany anefa dia nataon'ny tompon'andraiki-panjakàna nifandimby ankilabao ny fiahiana ny fianakaviana, indrindra ny fitaizana ny taranaka. Goragora ny fanabeazana ara-piaraha-monina izay fototry ny fanabeazana ny ankohonana sy ny lafiny ara-pitondrantena. Ireo manana andraikitra dia variana mameno kitapo tahiry, raha mitantana ara-drariny anefa ka mametraka ny fifanajàna sy ny fifanompoana dia azo antoka ny hatafita ny firenena sy ny isan'ankohonana.. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Tsy tondrozotra no haroso amin'ny SADC rahampitso fa tatitra. Voafaritra ao anatin'izany ireo asa efa vitan'ny fitondrana sy ny famaritana ireo dingana mbola hatao, raha ny nambaran'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara androany... • Tsy mazava ny tondrozotra izay nambaran'ny Filohan'ny Fanavaozana sy ny Minisi-panjakana, ka mila fanazavana bebe kokoa momba izany ny KMT na ny Komity Miaro ny Tolona... • Mitohy hatrany fikatsahana vahaolana fohy ezaka ataon'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana, manoloana ny fikorontanan'ny vidin'ny vary akotry eny amin'ny tantsaha sy ny mpanangom-bokatra...
Nanapa-kevitra hividy ny tahirim-barin'ireo tantsaha sy ny mpanangom-bokatra ny orinasam-panjakàna SPM, eo ambany fiahian'ny ministeran'ny varotra sy ny fanjifàna, ho fitsinjovana ireo tantsaha mpamokatra manoloana ny fidinan'ny vidim-bary. Isan'ny misitraka izany ny ao amin'ny tompon'andraikitra sy ny tantsaha ka niafara tamin'ny dinika nanapahan-kevitra tao Imerintsiatosika. Nambaran'ny solombavambahoaka Ranarivelo Lucien fa latsaka ambany noho isan-taona ny vidim-bary tany amin'ny tantsaha tamin'ity taona ity ka maty antoka ireo nanao tahiry tany an-tsopitra...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco