Aorian'ny fihobiana dia manohy ireo vavaka fanamafisana ny fahatsiarovana an'i Kristy maty fa nitsangan-ko velona ary mbola ho avy am-boninahitra ny Pretra mpitarika arahan'ireo vavaka maro mampifandray ny olona rehetra dia : ny Eglizy, ny velona rehetra ary ny maty. Misongadina eto ny vavaka fiombonan'ireo rehetra mivavaka eo ary vavaka ho an'ny velona araka ny fangatahan'ny tsirairay... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Fiaraha-miasa maromaro no nambaran'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, fa vita sonia tany Abu Dhabi, nandritra ny diany tany... • Manome fe-potoana hatramin'ny zoma izao ny Minisitera mpiahy, ireo mpianatra ho mpitsabo, hitondra vahaolana ho azy ireo amin'ny fipariahan'ny MPOX. Hiroso amin'ny fitokonana izy ireo aorian'izay, raha tsy misy io vahaolana io... • Nankasitraka ny nanesorana ny Tale Jeneralin'ny JIRAMA teo aloha, ny sendikan'ny mpiasan'ny angovo sy ny rano malagasy. Milaza fa nahatsiaro ho afaka izy ireo, noho ny fampitahorana nandritra ny fitondran'ingahy Rhon Weiss...
♦ Aroson'ny Sehatraa Ifanakalozana ANatsarana ny fanaovana Politika hosoniavin'ny mpanao pôlitika ny fifanarahana natao nandritra ny dinika teny Ankorondrano ny volana desambra lasa teo. Hanomboka ny 21 janoary ny fanaovana sonia izany... ♦ Hotanterahana ny volana jolay ho avy izao ny fanadinana CEPE sy ny BEPC amin'ity taona ity. Efa nanomboka ny alatsinainy 12 janoary teo, ny fosoratana anarana ho an'ireo fanadinana ireo... ♦ Niabo ny tombana momba ny ezaka fanavaozana ny famokarana ho an'ny Faritr'i Vakinankaratra nataon'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Nanaovana ezaka avokoa ny Fambolena sy ny Fiompiana hoy ny Ministera...
Atao sary an'ohatra amin'ny trano ny fanavaozana ; ka moa ve afaka hisedra ireo olana maro samihafa ity fanavaozana kasaina? Zava-dehibe sy manandanja ny fahavanonana afahana miroso amin'ny fanavaozana marina, mifanaraka amin'ny hevitry ny maro, indrindra ny avy any ifotony. Ny fahavanona mitondra amin'ny fanavaozana dia ny fametrahana soso-kevitra amin'ny endriny samihafa sy ny famitàna ny adidy aman'andraikitra manandrify... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Tsy tale jeneralin'ny orinasa JIRAMA intsony ilay israeliana Rhon Weis. Nasolon'ny fitondrana azy ny Jeneraly Hajatiana Rasolomanana. Tontosa omaly ny famindram-pitantanana... ♦ 250 no isan'ny olona nahitàna soritr'aretina nendran-drajako (MPox) araky ny tarehimarika farany. Manentana ny malagasy hitandrin-tena ny Praiministra Rajaonarivelo Herintsalama manoloana ity aretina mora mifindra haingana ity... ♦ Mila ampiharina eto Madagasikara ny tetezamita tena izy amin'ny alalan'ny fanapahana ny repoblika faha-efatra hoy ny HPM. Ifanarahana ny Praiministra hitantana izany tetezamita izany aorian'ny famaritana ny tondro-zotra...
Fihobiana no handikàna ny "anamnèse" amin'ny teny frantsay ka mety hieritreritra isika hoe misy fihobiana firy zany amin'ny lamesa fa ity dia fihobiana an'i Jesoa nijaly sy maty fa nitsangan-ko velona ary mbola ho avy am-boninahitra. Tsy rehefa hira miendrika fihobiana dia mety fa tokony ahitana foana ilay "Jesoa nijaly, maty, nitsangan-ko velona ary ho avy am-boninahitra... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Niova tampoka nanomboka androany ny Tale Jeneralin'ny orinasa JIRAMA. Voatendry ho Tale Jeneraly mpisolo toerana, ny Jeneraly Hajatiana Rasolomanana, nisolo an'Andriamatoa Rhon Weis... • Nandray fitenenana tamin'ny fivoriana iraisam-pirenena handinihana ny momba ny angovo, izay atao any Abu Dhabi androany, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... • Vita ny fanadihadiana sy ny angon-kevitra rehetra, hangatahana ny Fiangonana EKAR Ambodifotatra, Sainte Marie, ho isan'ny harem-bakoka iraisam-pirenena, ka nosoniavina androany teny amin'ny Lapan'Andafiavaratra izany...
♦ Manana herinandro hitondrana ny fiarovantenany ireo solombavambahoaka avy amin'ny vondrona IRMAR miisa dimy nahazo naoty fampahafantarana fanesorana avy amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana... ♦ Nahitàna trangan'Aretina MPox miisa 21 teto Madagasikara ny andron'ny alatsinainy 12 janoary teo, ka ao Mahajanga hatrany no foiben'ny aretina... ♦ Ny 17 aogositra hatramin'ny 27 aogositra 2026 no hanatanterahana ny fanadinam-panjakàna bakalôrea ankapobeny sy teknika ho an'ity taom-pianarana 2026 ity, efa nanomboka ny alatsinainy 12 janoary teo ary tsy hifarana raha tsy ny 10 avrily ny fisoratana anarana ho an'ireo mpiadina...
Ny tontolon'ny zokiolona dia mirindra kokoa rehefa fantatra ny toe-pahasalamany, ary koa araka ny fitsaboana azy, torimaso sy ny sakafo. Ny mpitsabo no tsara toerana hilaza ny tena olana ara-pahasalamana ho an'ny olona iray. Ny atidoha, indrindra ho an'ireo ankizy sy tanora, dia tsy mandray fandraràna (AZA) loatra fa teny sy zavatra mahitsy no tena raisiny ; noho izany dia manohitra izay lazain'ny ray aman-dreny ireo sokajin-taona ireo noho ilay fandraràna tsy miraikitra firy anaty atidoha... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Maniry ny hisitraka ny fanohanana avy amin'ny firenena Arabo-Mitambatra amin'ny fivadihana tsikelikely amin'ny fampiasàna angovo azo havaozina i Madagasikara hoy ny Kôlônely Randrianirina Michaël raha nandahanteny tany Abu-Dhabi... ♦ Ady amin'ny mpiasam-panjakàna "Fantôme" : hanomboka anio 14 janoary ny fanisàna ireo mpiasa eny anivon'ny ministera sy sampandraharaham-panjakàna isan-tsokajiny manerana ny Faritra 24... ♦ Hotanterahana ny alahady 18 janoary 2026 eny amin'ny Ekar Katedraly Andohalo ny fotoam-bavaka ho fanokafana ny herinandro fiaraha-mivavaky ny mpino maneran--tany 2026, ho antsika eto Madagasikara...
"Koa mihanta Aminao izahay, arotsahy ny Fanahinao Masina hanamasina ireto fanomezana ireto ho zary Vatana sy Ran'i Jesoa Kristy Tomponay" sady manao famantaran'ny hazofijaliana eo ambonin'ireo mofo sy divay havadika ho Vatana sy Ra ireo pretra mpitarika ; io vavaka io dia mety miova ny fomba filazana azy araka ny vavaka fisaorana na vavaka Eokaristika fa ny vontoatiny dia tsy miova... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Mitaky ny hanafahana ny Depiote Sahondrarimalala Marie Michelle ny zanak'i Fianarantsoa. Fanosoram-potaka azy, izao mihatra aminy izao, hoy ireo ray aman-dreny any an-toerana... • Nametrahana toeram-pitsaboana sy fanavahana, na CTI, miisa dimy eto Antananarivo. Handraisana sy hanavahana ireo marary voan'ny aretina MPOX no tanjona, hoy ny fitondram-panjakana... • Marolafy ireo olana sedrain'ny orinasa sy ny indostria malagasy, raha ny fantatra nandritra ny fakan-kevitra azy ireo, hiatrehana ny fikaonan-doha ara-toekarena hotanterahana amin'ny herinandro...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco