Manamarika ny fotoam-pahasahiranana goavana ho an’ny ankamaroan’ny malagasy izao vanim-potoana atrehintsika izao. Sahirana mitady izay harotsaka hiantohana ny tontoloandro. Vanim-potoan’ny fahavaratra zay. Io ilay antsoin’ny fitenenana malagasy hoe fotoan’ny maitso ahitra. Voambolana taty aoriana tsy voarakitra ao amin’ny raki-bolana Malagasy tranainy ny teny hoe « maitso ahitra ». Hevitra maro no azo andikana izany toy ny hoe : zava-maniry na mitombo ny ahi-maitso, izany hoe mampiroborobo sy manome fanantenana ho an’ny tantsaha. Kanefa fotoana tena maha sahirana azy ireo koa. Eo ohatra ny fasahiranana mianjady amin’ny tantsaha eny ambanivohitra amin’ny sakafo ilan’izy ireo noho ny tsy fisian’ny fidiram-bola.
♦ Aoka tsy ho diso ady hatrehana ny tsirairay hoy ny hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny rariny sy ny fiadanana (Justice et Paix) eto Madagasikara... ♦ Mbola nanamafy ny hanankinana amin'ny FFKM ny fitarihana ny fikaonandoham-pirenena ny filohan'ny fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... ♦ I Sénégal no nibata ny amboara ho an'ny lalao Afrikanina (CAN) 2025. Nifarana hatreo ny lalao fifaninana CHampionnat d'Afrique des Nations (CHAN) ary nosoloina ho Ligue des Nations Africaines...
Vavaka namaranan'ny mpitarika ny vavaka teo aloha ny hoe "Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny fiadanan'ny Tompo" no mampiditra amin'ity fizaram-piadanana ity. Ny fanao aty Madagasikara dia amin'ny alalan'ny fifandraisan-tanana ary misy hira atao mandritra izany sady misy fihetsika ; ny voalaza ao amin'ny boky fanaovana lamesa dia mifandray tanana toy ny mifampiarahaba ary miteny hoe "Fiadanan'i Kristy... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
♦ Mahazo vahana ankehitriny ny fitakiana ny hisian'ny lalana mazava hizoran'ny firenena. Mitaky tondro-zotra momba ny fanavaozana tian-katao eto Madagasikara ny tanora nandray anjara tamin'ny tolona. Mitaky ny handravàna ny andrim-panjakàna misy eto amin'ny firenena ihany koa ny mpanao pôlitika... ♦ Tsy eken'ny Fikambanana MIG-21 (Mijoro ho an'i Madagasikara) tsara ny roa noh ny iray ny hampiantranoana ireo vahiny mpifindra monina kasain'ny amerikana hampidirina eto Madagasikara... ♦ Nahazo fitaovam-pamokarana hanohanana azy ireo amin'ny famokarana manaja tontolo iainana avy amin'ny fitondrana ireo tantsaha ao Bas-Mangoky, Faritra Atsimo-Andrefana...
Alahady faha-2 mandavantaona — A — I Kristy no zanak’Andriamanitra velona : Tonga Nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika, ary amin’ny alalany, dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. Tsy misy ny tena fahalalana an'i Kristy raha tsy misy ny Fanahy Masina, ity farany no tetezana mamifandray antsika olombelona amin'i Jesoa. Ny nanaovan'i Jesoa sorona ny tenany dia ny nanafahany nanala ny fahotan'izao tontolo izao, ary manongana ny fahefan'ny fahotana mihitsy...
Ny "appendicite" (aretina) dia tsy mety levonina fa tsaboina na didiana hiala teo amin'ny toerany rehefa re marary. Ny "appendice" dia taova madinika iray ao anatin'ny taovam-pandevonan-kanina, izy io dia mety hirefy 3cm hatramin'ny 60cm. Ny asan'io "appendice" io dia mitahiry ireo bakteria tsara sy ilain'ny tsinay. Ny toerana misy azy dia eo anelanelan'ny tsinaikely sy ny tsinaibe, manampy ny tsinay hanao ny asany indrindra amin'ny famoahana maloto... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Nihaona tatsy Afrika-atsimo, omaly, ny filohan'ny Fanavaozana ny repoblika ny Kôlônely Michaël Randrianirina sy ny filoha afrikana tatsimo Cyril Ramaphosa... ♦ Nosoniavin'ny mpanao pôlitika nandray anjara tamin'ilay dinika natao teny Ankorondrano ny fifanarahana pôlitika narafitry ny KFIM. Takiana ny handravana ny andrim-panjakàna sy ny fanafoanana ny lalam-panorenan'ny repoblika fahaefatra... ♦ Valaran'aretina MPox, Faritra miisa 17 no ahitàna olona mitondra ny soritr'aretina. Miisa 78 ny tranga voamarina tamin'ny alalan'ny fitiliana natao miisa 154...
Ny teny hoe Komonio dia avy amin'ny teny grika hoe "communio" izay midika amin'ny teny frantsay "qui appartient à plusieur" izany hoe an'ny besinimaro, natao handraisana ny Vatan'i Kristy araka ny antso nataony hoe "Raiso ary hano" ; ny fandraisana azy dia maneho fiombonana lalina amin'Andriamanitra. Ny mety miova amin'ny firafitr'ny litorjia dia ny amin'ny Alakamisy Masina... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Tononina izy amin'ny lamesa andavanandro, na amin'ireny lamesa tsotsotra ireny, na amin'ny fanompoam-pivavahana tsy misy lamesa. Misy "formule" fampiasa ao amin'ny boky fanaovana lamesa "Missel" izay ny mpitarika no manomboka azy hoe " Manaraka ny didy nomen'ny Mpamonjy isika, ary nampianarin'Andriamanitra ka sahy manao hoe" dia miaraka manonona ny "Rainay..."... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Voarafitra anaty fifanarahana politika ireo hevitra tapaka tamin'ilay fikaonan-dohan'ny antoko politika, ny tapaky ny volana desambra teo. Antoko maherin'ny zato no nanao sonia io fifanarahana io teny Mahamasina androany... • Mbola ho sarotra ny dingana ho lalovana vao hanan-kery tanteraka ny lalana manalava ny AGOA, ho an'ireo firenena afrikana hisitraka izany, ka isan'izany i Madagasikara, hoy ny mpahay fitantanana sy toekarena, ny Profesora Ralison Roger... • Hanatsara zavatra ny nametrahana Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anvion'ny orinasa JIRAMA, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH. Tokony ho hita manomboka izao ny fanavaozana ity orinasam-panjakana ity, ka ao anatin'izany ny fanovana ny fomba fitantanana...
Nilofo tamin’ny fiompiana kankana amokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 20 taona mahery. Tsy mamihana samy irety ny voka-pikarohahna ka nahitan’izy ireo tombotsoa ny mpitarika RANAIVOARISON Basile na i Papa Bio. Maro ny voka-tsoa azon’ireo mpikambana amin’ny fampiasana ny zezika kankana.
Fianakaviana : fiarovana, izay filàna fototra voalohany. Misy antony maro mahatonga ny fianakaviana ho toy ny fanagadrana, fihafiana, fijaliana ; isan'ireny ny tsy fisian'ny fifampiresahana. Ny fomba fiainana ao an-trano dia misy akony lehibe amin'ny fanabeazana sy amin'ny sain'ny ankizy na ny tanora. Mba tsy ho kisary ratsy manoloana ny zanaka dia aoka hosohana ny fifamaliana eo imason'izy ireny... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco