♦ Hihaona amin'ny tompon'andraikitry ny fampianarana tsy miankina indray ny ao amin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena hidinika ny fomba hanatsaràna ny rafitra sy ny fanomanana ny fanadinana amin'ity taona ity. Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny taom-panabeazana vaovao ho an'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Hiakatra fitsaràna tsy ho ela ireo voakasika tamin'ilay raharaha namoahana tamin'ny fomba tsy ara-dalàna teratany sinoa miisa 11... ♦ Mitsipaka marindrano ny filazan'ny mpanolontsaina teknikan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny antoko KINTANA ; filazana fa isan'ireo mikasa hanongam-panjakana Andriamatoa Tabera Randriamanantsoa...
Ny olona dia endrik'Andriamanitra : vatana sy fanahy ; iry voalohany dia ampahany manan-danja amin'ny maha-olona ary itsy faharoa kosa dia loharanon'ny fahafahana, ny saina ary ny fitiavana, ahafahan'ny olona mahalala ny marina, misafidy ny tsara, ary manolo-tena amin'ny fitiavana ; tsy azo zarazaraina amin'ny fomba manimba ny olona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
• Natomboka ofisialy androany tamin'ny alalan'ny Sorona Masina, tetsy amin'ny kianjan'ny Oratorio Don Bosco Ivato, ny taom-panabeazana vaovao 2026-2027, ho an'ny Sekoly Katolika ato amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Tsy misy idiran'ny Minisitry ny Fitsarana ny namoahana an-tsokosoko ireo ireo voafonja Sinoa miisa 11, fa misy olona ambony nanome baiko izany, raha ny fanazavan'ny Tale miandraikitra ny fitsirihana eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitsarana... • Nandiso ny vaovao niparitraka ny Antoko Kintana, fa anisan'ireo mikasa hanongam-panjakana amin'izao fotoana izao ny mpitarika ny antoko, Andriamatoa Tabera Randriamanantsoa...
♦ "Sekoly katôlika mijoro, miaina ny Evanjely sy manabe ny olona manontolo ho antoky ny ho avy" no teny faneva entin'ny sekoly katôlika mamakivaky ny taom-pianarana vaovao 2026-2027... ♦ Tsy tokony hiandry esorina fa hatsapa tena hametra-pialana ireo tompon'andraikim-panjakàna rehetra voasaringotra amin'ny resaka kolikoly hoy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana... ♦ Miisa 27,6 tapitrisa ireo olona manao asa antery vokatry ny famarinan'olona manerantany, manao ady sisika ny handraisan'ny mpampiasa an-tànana ny saran'ny fandraisana mpiasa, hisorohana ny fanararaotana noho izany ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa...
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco