• Nosokafana androany tamin'ny fomba ofisialy ny faha-135 taonan'ny Hopitaly Miaramila eny Soavinandriana. Hopitaly voalohany teto Madagasikara izay ny Mpanjaka Ranavalona III no nitokana azy ny 13 aogositra 1891... • Efa tafajoro daholo ny Vaomieran'ny Fandriam-pahalemana any amin'ny Fokontany rehetra miisa 326 ao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo. Nanolotro fitaovaona ho azy ireo, ho an'ny Fokontany lavitra androany, ny Faritra Analamanga... • Nanatitra fitoriana teny amin'ny HCC, hitakina ny handravana ny Antenimieram-pirenena, ny antoko Kintana sy ny avy amin'ny vondrona RMDM...

• Vata mpanova herinaratra miisa 36 no hosoloina sy hatsaraina mba hiakatra ny tanjany, ho an'ny famatsiana jiro ato amin'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo... • Miisa efatra ireo kandida nirotsaka hofidina ho filoha vaovao hitantana ny ASIEF. Hotanterahina rahampitso alakamisy 20 aogositra 2026, ny fifidianana... • Misy ny lamina napetraka tsy maintsy arahina amin'ny fampiasana ny reniranon'i Belo Tsiribihina, hisorohana ny loza mety hitranga, mandritra ny fankalazana ny fetin'ny Fitampo 2026, hoy ny avy amin'ny APMF...

Notendren'ny Papa Leon xIV ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera MARIUSZ KASPERSKI, pretra avy amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée (OMI), Curé ao amin'ny Paroasy Md Eugène de Mazanod, ao Toamasina.

• Vonona hanampy an'i Madagasikara hiverina anatin'ny rafitra ara-dalana, mizotra mankany amin'ny fifidianana, ny vondrona SADC, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika... • Mitentina 20 tapitrisa Ariary ireo entana lany daty, tsy manaraka ny fenitra, saron'ny mpanara-maso ny varotra sy ny fifaninanana, tany amin'ny Distrikan'i Tsaratanana sy Fenoarivo Antsinanana... • Nanome fe-potoana 48 ora ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, handray sy hifampidinika aminy, ny vondron'ireo sendika nanao sonia fifanarahana teo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...