Ny zava-misy ankehitriny dia maro ny tanora, mbola tsy nihomana amin'ny fanabeazana ny zanaka sy ny fiahiana ny ankohonana, izany hoe ny sehatra maha ray aman-dreny, anefa tena mitondra any amin'ny faharavan'ny ho avin'ny zanaka ny fahadisona ataon'ireo ray aman-dreny. Maro ny  tsara ho fantantra manodidina ny fampihantana zanaka ary misy voka-dratsiny; ny fampihantana dia mety ho tsy famelana ny zanaka hisitraka araka ny maha-izy azy, isaky ny taona lalovany, ankoatra ny fanarahana ny sitrapony... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Nampiaka-peo manoloana ireo ambarany ho tandrevaka misy amin'ny fanaraha-maso ny sisin-tany ka nanome baiko ny hanolòna ireo ekipa miasa etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Miankina amin'ny teti-bolam-panjakàna 2027 ny fanatanterahana ny fifidianana rehetra amin'ny taona ho avy hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Ny fanavaozana ny rafi-piaraha-monina sy ny rafi-pifidianana no mila dinihina mialoha ny hirosoana amin'ny dingana samihafa eto amin'ny Firenena hoy ny DFP...

Ny "Imago Dei" dia tsy omena olona sasany fotsiny, fa an'ny olombelona rehetra, manambara fa mitovy fototra ny hasin'ny olona rehetra. Io fitovian'ny hasina io no manapaka ny fanavakavahana rehetra. Ny olona amin'ny maha-endrik'Andriamanitra azy dia manana fahamendrehana tsy refesina amin'ny zavatra ivelany... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

• Mitaky ny hanalana ireo tompon'andraikitra tsy mahomby amin'ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena. Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana faharoan'ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity... • Nanome baiko ny hanoloana ireo ekipa miasa etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika. Naneho ny alahelony izy androany, fa lasa toerana ivoahan'ny harem-pirenena an-tsokosoko ny seranana eny Ivato... • Efatra andro aty aoriana, tsy misy mangirana ny tohin'ny fanadihadiana momba ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin'ny lalam-baovao mampitohy an'Andranotapahana sy Ivato. Nitafa tamin'ny mpanao gazety ny fianakavian'ireo niharam-boina sy ny tompon'ilay fiara Renault Express...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...