♦ Hiverina hiasa ny OTME (Office de Transmissions Militaires de l'Etats) ary hisyt ny fananganana Task-Force hiadiana amin'ny halatr'olona amin'izao araka ny tapaka tamin'ny filan-kevitry ny Ministra omaly... ♦ Fitsaràna tokana no tokony hitsara ny olona rehetra eto amin'ny firenena hatramin'ireo tompon'andraiki-panjakàna ambony hoy ny Praiministra Rajaonarison Mamitiana nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-65 taona ny Fitsaràna Tampony... ♦ Olana ara-teknika no nahatonga ny tsy fahafahan'ny ENELEC namokatra herinaratra araka ny filan'ireo tanàn-dehibe hoy ny fanazavana nentin'ny orinasa...

• Vonona hanohana ny famaliana ny hetahetam-bahoana amin'ny fanavaozana ny Fitsarana eto Madagasikara ny fitondrana, hoy ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison... • Hamafisina ny fihavanana eo amin'ireo foko valo ao Farafangana. Hapetraka ny 21 aogositra 2026 ny tsangambato momba izany... • Nisedra olana ara-teknika lehibe ireo tobim-pamokarana sasany tantanan'ny ENELEC ka nahatonga ny tsy fahafahana mamokatra herinaratra araka ny filan'ireo tanan-dehibe nahitana izany. Izay no fanambarana nataon'izy ireo taorian'ny fampitandremana avy amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika omaly...

♦ Tsy misy tombontsoan'ny Malagasy mihitsy ny fifanarahana amin'ireo orinasa tsy miankina mpamatsy herinaratra, raha dinihina amin'ny zava-misy any Antsiranana hoy ny vaomiera mpanadihadin'ny Antenimieram-pirenena momba ny raharaha JIRAMA... ♦ Misy olona misandoka ny anaran'ny fadintseranana Malagasy ka milaza fa manao lavanty fiarakodia any anaty tambazotra serasera FB, hoy ny tale jeneralin'ny fadintseranana, omaly... ♦ Manamafy ny fitakiana ny fandravàna ny rafitra CENI ny filohan'ny antoko MTS, Rolland Ratsiraka... ♦ Taorian'ny horohorontany tamin'ny 24 jona, tany Guaira Venezuela dia mbola nahitana fatin'olona 70 isa, omaly...

Ny hoe "Rasavôlagna" dia misy heviny roa ka ny voalohany dia midika "veloma" ary ny faharoa kosa dia mifanandrify amin'ny lahabolana, azo takarina amin'ny hoe "lahateny". Ny lehilahy matetika no manao ny "Rasavôlagna" kanefa tsy voatery ho izay arakaraka ny zava-misy. Ny fitondrana teny ao anatin'ny Rasavôlagna dia tsy iadivana, ny fehezan-teny, nataon'ny mpandray fitenana averin'ny mpamaly isaky ny handray fitenana dia fanehoana fa mahay mifampihaino ny roa tonta ary mifanaja. Ny toaka ifampizarana amin'ny fotoana hisian'ny fomba sy ny Rasavôlana fanolorana dia toaka vokatry ny tany...

♦ Tsy maintsy vahan'ny orinasa ENELEC ao anatin'ny herinandro ny olan'ny famatsiana herinaratra any Toamasina, Mahajanga ary Antsiranana. Handray fanapahan-kevitra ny fitondrana hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, raha tsy tanteraka izany... ♦ Tokony ho foanana na ahitsy ny fifanarahana mahakasika ny famatsiana herinaratra ho an'Antsiranana izay ataon'ireo orinasa tsy miankina. Misy fanambakàna sy ahitàna endrika kolikoly hoy ny Antenimieram-pirenena... ♦ Hentitra ny fisavana ireo mpiadina nandritra ny fanombohana ny fanadinana bakalôrea omaly...

• Tsy maintsy vahan'ny orinasa ENELEC ao anatin'ny herinandro ny olan'ny famatsiana herinaratra any Toamasina, Mahajanga ary Antsiranana. Handray fanapahan-kevitra ny fitondrana, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, raha tsy tanteraka izany... • Tokony hofoanana na ahitsy ny fifanarahana mahakasika ny famatsiana herinaratra ho an'Antsiranana, izay ataon'ireo orinasa tsy miankina. Misy fanambakana sy ahitana endrika kolikoly ary misy tsy mazava izany, hoy ny Vaomiera mpanadihady avy amin'ny Antenimieram-pirenena... • Hentitra ny fisavana ireo mpiadina nandritra ny fanombohana ny fanadinana Bakalorea androany. Nilamina ny fozotran'ny fanadinana manerana ny nosy...

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

♦ Nilamina ny tapak'andro maraina ho an'ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea hoy ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Ministry ny Fampianarana Teknika raha nitsidika ny foibem-panadinana teny amin'ny Lycée Rabearivelo sy Lycée Technique Mahamasina...  ♦ Hanokatra ny varavarany hampahafantatra ny asany ho an'ny daholobe ny Fitsaràna Tampony manomboka rahampitso talata 21 jolay ary tsy hifarana raha tsy amin'ny zoma 24 jolay, izao... ♦ Efa vita tatitra any amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny olona voasaringotra tao ambadik'ilay raharaha fanotorana tany teny amin'i By-Pass, hoy ny MInisitry ny Fanajariana ny tany...

♦ Salezianina fito mirahalahy no nanonona ny voady ho mandrakizay, omaly alahady faha-19 jolay tany Betafo-Antsirabe... ♦ Mpiadina miisa 233.538 isa, no nisoratra anarana hiatrika ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea amin'ity taona 2026 ity... ♦ Tompon-daka eran-tany ho an'ny taranja baolina kitra 2026 i Espagne rehefa nandresy an'i Argentine iray no ho ny tsy nisy... ♦ Velaran-tany mananika ny 1.200 Ha no may hotohoton'ny lelafo any amin'ny faritra Guadalajara any Avaratr'i Madrid Espagne hatramin'ny alakamisy 16 jolay teo...

♦ Mankalaza ny faha-160 taonany amin'ity taona ity ny gazety malagasy voalohany. Natomboka omaly ny fankalazana. Maniry ny firaisan-kinan'ny samy mpanao gazety ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Gascar Fenosoa... ♦ Voatendry ho ambasadaoron'i Madagasikara manana fahefana feno, solontena maharitra eo anivon'ny UNESCO, nandritry ny filan-kevitry ny ministra Ramatoa Christine Razanamahasoa... ♦ Haverina hiasa amin'ity taona 2026 ity ny Guichet Agricole ao Ankadinondry Sakay, Faritra Bongolava. Foto-drafitr'asa hanomezana ny tolotra fototra hanatsaràna ny asan'ny tantsaha...

Alahady 19 jolay 2026 - Alahady faha-16 mandavantaona — A — Mahandry Andriamanitra ary mamindra fo. Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Nahoana Andriamanitra no mamela ny ratsy hisy, raha tena mahery tokoa Izy nahoana mbola misy ny tsy rariny, nahoana no mbola misy ny zava-dratsy mampahory? Andriamanitra anefa dia tsy maika hanasazy fa maika hamonjy, ary mitsara amin'ny halemam-panahy izy. Ny olona tena mahery dia izay afaka mamela heloka ; ny famindram-po no tena porofo maha Andriamanitra an'Andriamanitra...

Ny meningite dia fivontosan'ny meninge, dia ireo fonon-koditra manarona ny atidoha sy ny tsokan-damosina. Matetika dia viriosy na bakteria no mahatonga azy io. Anisan'ny soritr'aretina mahazatra ny tazo, ny fanaintainan'ny loha mafy, ny hamafin'ny hatoka, ary ny fahatsapana tsy mahazaka hazavana. Ny aretina meningite dia azo tsaboina ary indrindra azo sorohina. Ny viriosin'ny kitrotro dia mety hiakatra ka hiteraka ny meningite, torak'izany koa ny donika sy ny kantsetsitra... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...