♦ Tsy hita taratra hoy ny Randrana Sendikaly ny fihavaozana amin'ny tontolon'ny asa ho an'ny sehatra tsy miankina. Mbola lavitr'ezaka ny hisian'ny asa mendrika eto Madagasikara araka ny nambaran'izy ireo, nandritry ny fanamarihana ny andro eran-tany ho an'ny asa mendrika... ♦ Efa mihatra ny fandaharam-pibeazana vaovao saingy tsy hanadinana ny mpianatra ho an'ireo hanala fanadinana CEPE ny taranja vaovao, hoy ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Hisy fikorontanana ny famatsian-drano ao an-drenivohitra nanomboka tamin'ny 7 ora maraina teo. Haharitra 9 ora eo ho eo ny asa fanamboarana eny Mandroseza hoy ny JIRAMA...
Tsy ny hanameloka olona no tanjontsika fa ny hahafantarana tsara ny zava-misy sy ny fampianaran'ny Fiangonana momba ny aina sy ny hasiny. Tsara no hanavahana ny fanalan-jaza tsy niniana (Avortement spontané) sy ny fanalan-jaza niniana (avortement provoqué) satria samihafa ny toe-javatra amin'ireo fa eo koa ny maha samy hafa ny zavatra niniana natao sy ny vokatra tsy nokendrena... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
• Nisy ny fanazavana izay navoakan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Voalaza ao anatin'izany fa efa mihatra, saingy tsy hanadinana ireo taranja vaovao, raha ho an'ny fanadinam-panjakana CEPE... • Nomarihina androany 7 ôktôbra ny Andro maneran-tany ho an'ny asa mendrika. Diabe teny Tsimbazaza no nanamarihan'ny sendikà FISEMARE izany... • Niatrika ny Fitsarana Antampony tany Maurice androany, ilay Malagasy mpandraharaha, Mamy Ravatomanga...
♦ Noraisina ny didim-panjakàna manao taky baiko ny orinasa jirama hanao sonia fifanarahana fividianana mivantana milina mpamokatra herinaratra diesel miis 18 amin'ny orinasa manana andraikitra voafetra... ♦ Mitaky ny hanomezana ny indemnité de craie sy handraisana ho mpiasam-panjakàna ireo mpampianatra FRAM sy ireo nivoaka tamin'ny ENS ny vondron'ny mpanabe mijoro amin'ny fitakiana ataony... ♦ Dimy taona aty aoriana tra-tehaka noho ny fiparitahan'ny sariny tamin'ny tambazotran-tserasera facebook ilay mpanampy an-trano mpangalatra sy mpisoloky ireo mpampiasa azy...
Fiainana andavanandro ary mety hahakasika ny rehetra ny "tsy fahombiazana sy ny fahadisoana". Ny atao hoe "tsy fahombiazana" dia ny tsy fahatratrana izay heverina ho vokatra andrasana, izany hoe misy hetsika natao anefa tsy nahazoana vokatra araka izay nofaritana. Ny hoe fahadisoana dia ny fialana amin'ny lalana heverina hitondra any amin'ny tanjona, zavatra tokony natao anefa tsy natao, ohatra hoe fantatro aho fa tsy tokony hifoka sigara anefa hatao ihany... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Mbola vao ny 13% amin'ny famatsiam-bola hanatanterahana ny asa fametrahana lakan-drano ambany arabe ao an-drenivohitra (tetik'asa PIAA) andriany faharoa ihany no efa nivoaka... ♦ Nijery niaraka ireo lesoka mila harenina hanatsaràna sy hanomanana ny fiatrehana ny fanadinam-panjakàna amin'ny taona ho avy ny avy amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy... ♦ Nisy fihatsaràna ny momba ny fangaraharan'ny teti-bola teto Madagasikara na dia mbola tsy ampy aza ny fandraisana anjaran'ny olom-pirenena amin'ireo dingana atao momba izany...
Andriamanitra no loharanon'ny aina, sady fanomezana no antso no iraka ary fitahiana ny aina. Masina ny aina satria avy amin'Andriamanitra Mpamorona ; manana hasina miavaka ny olombelona satria navotan'i Kristy. Nasandratra ny maha-olona satria nantsoina ho zanak'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
• Misy lesoka mila harenina ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC eto amintsika. Isan'izany ny hosoka sy ny kolikoly amin'ny endriny samihafa. Toa izany koa ny fivoahan'ny laza adina mialoha... • Mbola olana amin'ny tetibola eto Madagasikara ny tsy fandraisan'ny olom-pirenena anjara amin'ny dingana atao momba azy. Tsy mitsahatra mitaky ny laharam-pahamehana amin'ny tetibola ny firaisamonim-pirenena, hoy ny MSIS Tatao... • Mila miaiky heloka ireo mpomba ny fitondrana teo aloha ka manohana indray ny fitondrana Fanavaozana ankehitriny, noho ny tsy mety nataon'izy ireo teto amin'ny firenena, hoy ny antoko FTPM, na ny Fikambanan'ny Tanora Mpitolona Malagasy...
♦ Novoizina tamin'ny raharaham-pirenena tato ho ato ny mety hisian'ny fanovàna ireo mpikamban'ny governemanta. Ny rivotra pôlitika no mahatonga izany fa tsy avy amin'ny mpanao pôlitika hoy ny antoko Ilo-Mada... ♦ Hisy ny fiaraha-miasan'ny Minisiteran'ny angovo sy ny fikambanana iraisam-pirenena UNOPS, hanamafisana sy hanatsaràna ny fisitràhan'ny vahoaka Malagasy angovo azo antoka sy maharitra... ♦ Misy indray ny hetsika fanaovam-baksiny faobe fanefitry ny kitrotro sy ny lefa-kozatra karakarain'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka manerana ny nosy. Natomboka teny Anosisoa Ambohimanarina, omaly...
Andriamamilaza dia olona nalaza taorian'ny fotoana nanjakan'Andriamasinavalona. Ny faritra nisy azy dia tany Analamainty, faritra anakazondandy-Mangamila-Anjozorobe, ary nalevina ao Anjohy. I Andriamamilaza dia lehilahy mpimasy, nanana fahendrena sy hakingan-tsaina ary nahay sy nahafehy ny zava-boahary manodidina azy sy ny fiaraha-monina. Izy no nitsapa sy naka fanahy ireo zanak'Andriana tao amin'ny faritr'Imerina efatoko, tamin'ny alalan'ny famangiana isam-paritra ka nitondrany ireto zavatra ireo ho fitsapana : Hazo tsotsoraka, tantely velon-dreny, ary volontsangana-tsy vaky...
♦ Hitory noho ilay raharaha fitifirana mpiasan'ny La Gastronomie Pizza teny Namontana ity orinasa sy ny fianakavian'ny niharam-boina. Fihoaram-pefy no nataon'ny pôlisy hoy ny mpisolovava azy ireo, omaly... ♦ Nomarihana omaly ny andro maneran-tany ho an'ny mpanabe. Efa hita taratra ny ezaka ataon'ny fitondrana fanavaozana amin'ny fitsinjovana ny fanabeazana hoy ny masoivoho Malagasy eo anivon'ny UNESCO... ♦ Manaitra ny Minisiteran'ny tanora sy ny fanatanjahan-tena amin'ny fandoavana ny vola fanampiana ny Federasiôna ny eo anivon'ny Malagasy Rugby. Namoaka ny alahelony ny filohan'ny federasiôna, omaly...
Zavatra iombonantsika rehetra ny aina. Samy velona, samy nandalo tao an-kibon-dreny isika. Dingam-piainnana lalovana ny fahazazana, ny fahatanorana, ny fahamatorana. Maro ny zavatra mandindona ny aina toy ny aretina ary indray andro any dia samy hiatrika ny fahafatesana. Ny aina dia sarobidy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco