• Ambany ny tahan'ny fampiasam-bolam-panjakana ho an'ny enimbolana voalohany ny taona 2026. Isan'ny fantatra izany androany nandritra ny fanaovana jery todika sy tombana amin'ny fanatanterahana ny teti-bolam-panjakana, tetsy amin'ny CCI Ivato... • Tsy maintsy mbola hidina an-dalambe ny Gen-Z, raha mbola mitohy ny fomba ratsy fanao ara-politika nisy teto amin'ny firenena... • Mitaky ny fialan'ny Tale misahana ny maha olona, sy ny tompon'andraikitra misahana ny “paramédicaux”, eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny mpiasan'ny fahasalamana mivondrona ao amin'ny sendika SISFM...
• Tonga ao amin'ny Diosezin'Ambanja ny relikan'i Masindahy François d'Assise... • Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny “Aumônerie Catholique de l'Administration Pénitentiaire” (ACAP) eto Madagasikara... • Mamarana ny fankalazana ny faha-100 taona nahatongavany teto Madagasikara ny Fikambanana Trinitera...
• Tsy honohono fa efa tena misy ireo tambajotran-jiolahy amin'ny famarinana olombelona, eto Madagasikara... • Hotanterahana ny 17 sy 18 aogoistra 2026 ny adihevitra momba ny fangatahan'Andriamatoa Ravatomanga Mamy fahafahana vonjimaila miaraka amin'ny antoka... • Nihaona an-databatra boribory tamin'ireo mpampiasa vola ejipsianina ny Filohan'ny Fanavaozana, Randrianirina Michaël...
• Andrasana ny tatitra hataon'ny mpiasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, anio zoma, taorian'ny fahataperan'ny fe-potoana 48 ora, manoloana ny tambin-karama fanampiny momba ny trano fonenana... • Tsy azo ekena ny fanerena ireo mpiasa hanatrika io fanaovana tatitra anio zoma io, hoy ny filazana avy amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ary efa nisy ny fihaonana sy ny fifanekena... • Mitohy hatrany ny ezaka ataon'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana, hamongorana ny fiparitahan'ireo entana lany daty manerana ny nosy, amin'ny alalan'ireo kaomisera sy mpanara-maso ny varotra...
• Manentana ny mponina ato amin'ny Faritra Analamanga, mba hazoto hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana, ny Lehiben'ny Fairtra mpisolo toerana, Raharinirina Clémence... • Mitohy hatrany ezaka ataon'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana, hamongorana ny fiparitahan'ireo entana lany daty manerana ny nosy, amin'ny alalan'ireo kaomisera sy mpanara-maso ny varotra... • Tafapetra ofisialy eny Antanimora ny “Aumônerie Catholique de l'Administration Pénitentiainre” na ny ACAP. Sampana misahana ny fitantanana ara-panahy ny mpandraharahan'ny fonja izy io...
♦ Tsy tokony hitarina ny fotoanan'ny tetezamita hoy ny filohan'ny antoko HVM. Tsy mahamaika hoy Andriamatoa Rivo Rakotovao ny firosoana amin'ny fifidianana filoham-pirenena... ♦ Mitohy androany ny fikaonandohan'ny tanora ho an'ny sehatra nasiônaly, tontosaina etsy amin'ny CCI Ivato hatramin'ny rehampitso. Mandray anjara amin'izany ny Federasiôna ivondronan'ireo Ampanjaka sy ray aman-dreny ara-drazana eto Madagasikara... ♦ Namono olona iray indray ny valan'aretina MPox ny talata lasa teo araka ny tarehimarika navoakan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoakka omaly...
Ny fanajana ny kolontsaina fototra maha-Malagasy dia miteraka filaminana, azo tarafina amin'ny hasina sy ny lanjan'ny DINA eny amin'ny fiaraha-monina izany, izay mahery lavitra noho ny lalàna. Ny fitiavana dia azo ampifandrifiana amin'ny firaisan-tsaina, sy fifampatokisana sy fanajana ary fifanajana. Ny hitan'ny maso, ny tsapan'ny tanana ary ny ren'ny sofina dia samy mandrafitra ny rafin-tsaina maha olona. Ny hitan'ny maso ankehitriny no fomba tsotra anefa misy fahombiazana amin'ny fanentanana ny Malagasy ho amin'ny fiavaozana sy fanavaozana. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
♦ Haravona mandritry ny 3 andro nanomboka omaly etsy amin'ny CCI Ivato ireo fehin-kevitra voahangona nandritry ny fikaonandohan'ny tanora tany amin'ny Faritra samihafa. Hatolotra ny fitondram-panjakàna sy ny FFKM izany rehefa vita... ♦ Namoaka tenimita amin'ny fomba fampiharana ny fandoavana ny tambin-karama momba ny trano fonenana ho an'ireo mpiasa eny anivon'ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana... ♦ Foire Meva 2026 : Tontosaina ao Antsiranana mandritra ny 4 andro ny tsenabe ara-toekarena ho an'ny Faritra Diana...
♦ Tontosaina mandritry ny 3 andro etsy amin'ny CCI Ivato ny fikaonandohan'ny tanora ho an'ny sehatra nasiônaly. Lohahevitra amin'izany ny hoe : manome feo ny tanora, ho an'ny fanavaozana ny Firenena... ♦ Zo voafaritry ny lalàna notapahana tamin'ny filan-kevitry ny Minisitra ny fisitrahana tamby ho an'ny fanofana trano (Indemnité de logement) ho an'ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana hoy ny Ministry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana... ♦ Zazalahy kely 2 taona no maty tsy tra-drano teny Tsaramasay Ankorondrano androany maraina. Voahitsaky ny fiara tsy mataho-dalana...
♦ Fikaonan-doham-pirenen'ny tanora : Hanaovan'ireo solontena tatitra ny fakan-kevitra niainga teny anivon'ny Kaominina, Distrika ary Faritra, halototra ny fitondram-panjakàna amin'ny 1 aogositra izao ny fehi-kevitra tapaka... ♦ Tanterahina rahampitso alakamisy 30 jolay ny sidina voalohany famerenan-jotra eo amin'ny zotra an'habakabaka mampitohy an'i Madagasikara amin'ny Nosy Comores... ♦ 1,1% amin'ny vehivavy mitondra vohoka no voatily ho mitondra ny tsimok'aretina VIH Sida eto Madagasikara, miova manaraka izany ny fepetra raisina hisorohana ny fiparitahan'ny aretina...
Misy hafatra ho an'ny tanora hiditra amin'ny sehatry ny fanambadiana ; ity voambolana farany ity dia ahitàna foto-teny "VADY", izay midika ho fameno ihany koa. Ny fiainana teo anivon'ny ray aman-dreny sy ny fianakavina dia efa sehatra lehibe hanomanana sy hiombanan'ny tanora, hiriso amin'ny fanambadiana, isan'ireny ny andraikitra madinika sy ny maro hafa izay omena hizarany... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Vina iombonana ho an'ny Firenena, ny kolikoly ary ny fitsinjaram-pahefana no isany lahadinika mandritra ny fikaonandoham-paritra ho an'ny firaisamonim-pirenena eto Analamanga... ♦ Nametraka ny sehatra an'habaka ho fomba fiasa vaovao hiadiana amin'ireo karazana herisetra VBG sy ny halatr'olona na fahaverezan'olona ny eo anivon'ny pôlisim-pirenena... ♦ Mangataka ny andoavana ny indemnité de logement 200.000Ariary toa an'ireo mpiasam-panjakàna rehetra ny mpiasa eo anivon'ny Kaominina Antananarivo-renivohitra... ♦ Manomboka voafehin'ireo mpamonjy voina ilay fahamaizana goavambe nitranga tany Espagne...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco