.../… Higadona rahafakampitso indray ny datin’ny 14 oktobra amin’ity taona 2026 ity. Daty efa faheno foana ny 14 ôktôbra 1958.  Mahatsiarotsiaro izany isan-taona ny mpanaraka tantara, indrindra ireo efa Zokizokiolona. Io ilay daty nambara fa nahaterahan'ny Repoblika voalohany teto Madagasikara, rehefa niaina fanjanahan-tany nandritra ny 64 taona ny firenena malagasy. Nanomboka teo ‘zany no nambara ny fijoroan'ny Repoblika malagasy, rehefa nandalo latsa-bato, saingy mbola nijanona ho « communauté française » ihany i Madagasikara, taorian'ny fitsapan-kevi-bahoaka nanitsiana ny Lalàmpanorenana frantsay ny 28 septambra 1958...

♦ Niavaka ny ivon'ny fanamarihaana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco ny sabotsy teo. Mpiasa 61 mianadahy mianaka no notolorana mari-pankasitrahana avy amin'ny Fikambanana Saleziana... ♦ Mbola misy olona 21 tsaboina eny amin'ny Hopitaly tamin'ilay trangana fahapoizinana ara-tsakafo niseho tamin'ny orinasa KONECTA ny alakamisy teo. Efa afaka namonjy fodiana ireo ambiny narary... ♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika ny iray amin'ireo polisy voarohirohy tamin'ilay raharaha fitifirana mpiasan'ny La Gastro Pizza teny Namontana. Vita ny fanadihadiana momba ity raharaha ity...

Ny Soratra Masina dia manambara hatrany am-piandohana fa tsara ny zavaboahary, ary "hitan'Andriamanitra fa tsara indrindra izay rehetra nataony" Ao anatin'ny hatsaran'ny famoronana izany no ametrahana ny ain'olombelona, izay noforonina araka ny endrik'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

Tsy misy afaka hanompo tompo roa, fa ny iray homeny lanja ary ny iray ho ambaniany. Ny 15 aogositra 1571 no nifandaroka ny Silamo sy ny Kristianina, tamin'izany fotoana izany no nanentanan'ny Papa mba hanaovana ny toko sampile hitodiana amin'i Masina Maria vonjy mahatoky, tamin'izany indrindra no nipoahan'ny sambo iray tamin'ireo marobe noentin'ny Silamo nanafika, nanomboka teo dia maro ny Silamo no nanaraka ny finoana Katôlika. Misy fahotana miisa 3 teny tsy tian'Andriamanitra : ny fitiavam-bola, fanompoan-tsampy, ny fihavonavonana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Tsy ny fahafahan'ny olona mamokatra no mamaritra ny hasiny. Ny zokiolona dia mpitahiry fahatsiarovana, mpampita finoana, mpampita kolontsaina ary loharanon'ny fahendrena. Ny Tsara raha havahana ny euthanasie, ny fanampiana olona hamono tena, ny fampitsaharana fitsaboana lasa tsy mifanaraka intsony amin'ny toe-pahasalaman'ny marary ary ny soins palliatifs... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

Tsy ny safidin'ny olona tsirairay ihany no misy fiantraikany amin'ny aina, fa misy koa ny kolontsaina, ny rafitra, ny toe-tsaina ary ny fomba fisainan'ny fiaraha-monina, mety hakasika ny azy. Misy ny fomba hananganana kolontsain'ny aina amin'ny alalan'ny fiarovana ny marefo, fiahiana ny fanabeazana, fahasalamana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

Tsy manao ambanin-javatra ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala ny fikambanana Union MATANJAKA ao amin’ny faritr’i DIANA. Manana tetik’asa iarahana amin’ny Réseau SOA tohanan’ny F.F.F- F.A.O izy ireo. Tetik’asa famokarana zana-kazo sy fambolena hazo. Misitraka ny tetik’asa ny Fikambanana FIVEMPISA ao amin’ny kaominina Sajoavato, distrikan’Antsiranana faharoa. Zava-dehibe ho azy ireo io tetik’asa io satria ao Antsiranana faharoa no misy ny faritra arovana miisa 9 amin’ireo 19 any amin’ny faritr’i DIANA...

Fianakaviana, fiaraha-monina: toerana roa samy manana ny hanitra ho azy. Mifampiditra, mifampiankina, mety hifanohitra fomba fijery sy soatoavina, mety hifaka tahaka koa nefa matetika. Ny fianakaviana koa dia afaka manova ny fiaraha-monina, satria ao an-tokantrano no ianarana ny fitiavana, fanajana, fahamarinana ary andraikitra, izay entin’ny tsirairay any amin’ny fiaraha-monina. Koa raha maniry "Ho avy mendrika kokoa" isika, dia manomboka ao amin’ny fianakaviana anio ny fanorenana izany ho avy izany. Misy fiantraikany amin’ny fianakaviana ny fiaraha-monina, amin’ny alalan’ny teknolojia, ny asa, ny toe-karena ary ny fiovan’ny fomba fisainana...

Rehefa teraka ny zaza dia tsy tapitra foana akory ny adidy amin'ny fiarovana ny aina fa eo koa ny fampisitrahana ny zo, dia ny zo hiaina, hahazo sakafo, zo hotsaboina, zo hanana fianakaviana, zo mifamatotra amin'ny fanabeazana ary eo hatrany ny fiarovana. Maro ireo tranga maningotra ny aina : herisetra, fanararaotana, fanondranan'olona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

• Tsy nahatratra ny naoty, araka ny fenitra takiana, i Madagasikara momba ny fitokisan'ny vahoaka ny mpitondra. Handray fepetra momba ny politikam-panjakana manoloana izany, ny fitondrana malagasy... • Hiteraka fikorontanan'ny vanim-poam-pahavaratra ho avy eto Madagasikara ny tranga “El Nino”, hoy ny avy amin'ny Météo. Hisy ny fisorohana mialoha ny voka-dratsy sy ny fiantraikan'izany... • Hafindran'ny Kaominina Antananarivo ireo mpivarotra manamorona ny farihin'i Behoririka, ho fandaminana ny tanana. Misy amin'izy ireo anefa no tsy manaiky, raha hesorina tanteraka eny an-toerana...

♦ Tsy tokony ho tara ny fanatanterahana ny fikaonan-doham-pirenena hoy Andriamatoa Zaza Ramandimbiarison. Tokony ho afaka miteny mifampandinika momba ny ho avin'i Madagasikara ny vahoaka hoy izy... ♦ Mila mampiseho fahavitrihana, fahaiza-manao ireo mpisehatra amin'ny fanatanterahana ny teti-bola hoy ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison. Nentaniny handroso hevitra azo tanterahana amin'ny fanatsaràna tokony hatao ireo mpivory omaly... ♦ Miandry ny hivoahan'ny didim-panjakàna fampiharana momba ny fitakiana ireo mpiasan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Hiverina hitokona izy ireo, raha tsy mivoaka izany hoy izy ireo...

Ny tantara dia fototra sy zava-dehibe tsara ho fantatra ary isan'ny maha olom-pirenena. Ny 14 oktobra 1958 no nahaterahan'ny Repoblikan'i Madagasikara, ny 26 jona 1960 vao nambara ny fiveranan'ny fahaleovantena. Rariny raha ankalazaina ho fetim-pirenena ny 14 oktobra fa ny 26 jona kosa dia fetin'ny Foloalindahy. Ny tantara efa nisy no manaporo fa azo atao ny maka ireo orinasa sy seha-pamokarana nofehezin'ny vahiny ka notantanan'ny Malagasy maro ny nahazoana vokatra tsara; anatin'ny fanavaozana izao, hirika afahana mampandroso ny fahalalana ny tantara... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...