Mijoro ao amin’ny faritr’i DIANA ankehitriny ny vovonana iadian-kevitra hoan’ny lalam-pihariana tantely na ny Plate Forme Miel DIANA. Manomboka miroborobo ao amin’ity faritra ity ny seha-pihariana noho ny tohana ataon’ny mpiara-miombon’antoka, dia ny tetikasa FFF FAO, ny HELVETAS ary ny Réseau SOA. Na dia maro aza ezaka vita ao DIANA momba izay fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely izay, maro ny fanamby mbola atrehana amin’ny hoavy...

Mila mandray andraikitra amin’ny fahasimban’ny tontolo manodidina sy ny ala ao amin’ny toerana misy azy ny tantsaha eny ambanivoitra. Mila fahaizana sy fifehezana ny teknika nefa ny fanataterahana izany. Mahatsapa izany ny Réseau SOA ka nampiofana tamin’ny alalan’ny atrik’asa momba ny tsara ho fantatra amin’ny fanarenana ny tontolo manodinana sy ny ala na ny RPF tao Antanetibe Mahazaza ato amin’ny distrikan’Ambohidratrimo an’ireo mpikambana avy amin’ny fikambanana SoaMitsinjo sy ny Filamatra Soa Iombonana na ny FISOI...

Lasa ampahany lehibe amin’ny fiainan’ny tanora ankehitriny ny interneto sy ny tambajotra-tserasera. Sehatra iray manampy amin’ny fianarana, fifandraisana, fitadiavana vaovao, fanehoana talenta ary fananganana fahafahana vaovao izy ireo. Kanefa, miaraka amin’izany dia misy ihany koa ireo loza mety hitranga toy ny vaovao diso, fanorisorenana an-tserasera, fisolokiana, famitahana ary fampiasana tafahoatra. Ny interneto dia fitaovana mahery vaika; miankina amin’ny fomba ampiasantsika azy no hahatonga azy ho fanampiana na ho fandrika... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona araka ny fomba malagasy, nanomboka ny taona 2021 no nananganan'ny Papa François ny andro maneran-tany ho an'iretsy voatanisa etsy aloha. Tamin'ny alahady 26 jolay 2026 teo no fankalalazana natao teo anivon'ny fiangonana, izay fankalazana ny fetin'i Masindahy Joachim sy Masimbavy Anne, ireo ray aman-drenin'i Masina Maria, izany hoe raibe sy renibe an'i Jesoa. Ny soatoavina Malagasy dia manome lanja sy haja ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona.... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Efa nalefa eny Tsiafahy sy Antanimora ireo olona miisa 4, voarohirohy tamin'ny famonoana ilay tovovavikely tany Ambositra. Miantso fitoniana ny ray aman-dreniny... ♦ Hisy isan'andro isaky ny amin'ny 6 ora sy sasany hariva ny tatitra ataon'ny Ivon-toeram-pibaikona mandridra ny ady atao amin'ny tsy fahitàna olona (CCO)... ♦ Handray fepetra hafa amin'ny fanendrena ireo lehiben'ny vaomiera mpanisa mpifidy eny ifotony ny CENI, manoloana ireo olana misy eny amin'ireo fokontany sasany... ♦ Samy miandry fatratra ny hanombohan'ny dinika nasiônaly ireo mpisehatra politika sy mpitarika fivavahana any RDC...

♦ Efa nigadona tao amin'ny Paroasy Katedraly Namahora-Morondava omaly hariva tamin'ny 5 ora ny Mgr Martial Andrianandrainy sy ireo delegasiôna avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe... ♦ Misy ny antso avy amin'ny FFKM manoloana ny fotoam-bavaka eny amin'ny fidasiana Lapan'ny Tanàna Analakely, anio amin'ny 9 ora sy sasany maraina... ♦ Nafampàna ny tao Ambositra taorian'ny nahitàna an'i Larissa, izay tovovavikely hita faty rehefa nisy naka an-keriny... ♦ Ao anatin'ny asan'ny fikambanana action catholique isan'andro, any Burundi ny fametrahana ny fandriampahalemana maharitra...

♦ Mbola mitana ny heviny hatramin'izay ny antoko UNDD mikasika ny tokony hisian'ny fampihavanana eto amin'ny Firenena. Izay tapaka mandritry ny fikaonandoham-pirenena no rafitra tokony hajoro hoy Andriamatoa Manoro Régis... ♦ Manara-maso ny fizotry ny fanadinana Bakalôrea any amin'ireo Foibem-panadinana any Faritra ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tSiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy... ♦ Nanao tatitra ampahibemaso tao Antsirabe momba ny fampiasana ny volam-panjakàna sy ny fitantanan-draharaha any amin'ny Kaominina ny Fitsaràna momba ny kaonty Antananarivo...

♦Hihazo an'i Morondava izao maraina izao hanatitra an'i Mgr Andrianandrainy Martial, ny delegasiôna avy ao Antsirabe sy avy amin'ny Diôsezin'i Morondava rehefa avy noraisina tao amin'ny Cocathédrale Masindahy Zozefa Miandrivazo izy. Hohamasinina ho Eveka mpanampin'ity Diôsezy ity amin'ny alahady... ♦ Natokana ho androm-pisaonam-pirenena ho fahatsiarovana ireo niharam-boina tamin'ny fakàna an-keriny sy famonoana olona ny andron'ny zoma 24 jolay 2026, araka ny Didim-panjakàna.... ♦ Mila vitaina mialohan'ny faran'ny taona 2027 ny fifidianana filoham-pirenena hoy ny antoko FY-M...

• Hanohana ireo tanora manana tetikasa, na ireo vao hiantsehatra amin'ny fandraharahana, na ireo efa manana orinasa madinika sy salantsalany, ka maniry ny hanitatra ny asa ataony, amin'ny alalan'ny Fandaharanasa Nasionaly Fandroso, ny fitondrana Fanavaozana... • Laharam-pahamehana ho an'ny firenena ny fanaovana ny fifidianana Filoham-pirenena amin'ny fomba madio sy eken'ny rehetra, hoy ny antoko FY-M... • Mahafolaka ny kalitao takiana amin'ny fanodinana ny ronono ho lasa fromazy ny orinasa madinika malagasy. Nivoitra izany androany, nandritra ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny foaran'ny fromazy, atao eny amin'ny zaridainan'Antaninarenina...

Andriamanitra dia fitiavana, ny fitiavana no fototry ny fiainan'ny olombelona. Tandindonin-doza ny ho avin'ny rehetra noho ny fiovan'ny rafi-piaraha-monina vokatry ny rivotra entin'ny tambazotran-tserasera izay manimba ny fifandraisana sy ny maha-olona (saina, fo, vatana, fanahy). Ny fanajana sy ny fifanajana no fefy hiarovana ny fiaraha-monina, izay miainga amin'ny fitiavana. Ndeha hosanatriavina ny hoe KARAVASI (KARAna - VAzaha - SInoa) no hany hampandroso ny firenentsika fa mba izay soa nomen-janahary an'i Madagasikara. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Ho enjana ny sazy miandry ireo tratra manao halatr'olona sy vono olona hoy ny Praiministra Rajaonarison Mamitiana... ♦ Ahiana ho mifandray amin'ireo raharaha fakana ankeriny sy famonoana olona varira, ny halatr'olona sy vono olona misy amin'izao hoy ny fikambanana Albinos Madagasikara... ♦ Efa misokatra ny fisoratana anarana handraisana mpianatra ho pôlisy izay hifarana ny 11 septambra 2026 ho avy izao... ♦ Mihatra any Perou mandritry ny 60 andro nanomboka tamin'ny alatsinainy teo, ny fepetra ho an'ny Fanjakàna anaty hamehana vokatr'ilay horohorontany nisy tany an-toerana...

Amin'ny zanak'olombelona dia tsy misy ny fahombiazana raha tsy miasa, anefa ny fialan-tsasatra ihany koa dia mety mitondra fahombiazana. Ny atao hoe "fialan-tsasatra" dia matetika ho an'ny mpianatra anefa fiatoana kely aorian'ny asa natao na hetsika vita, fanaovana zavatra vaovao; ny fahombiazana dia firosoana amin'ny tsara kokoa, indrindra mitondra soa ho an'izay manao ny hetsika. Mitondra fahombiazana ny fialan-tsasatra raha toa ka niainga tamin'ny faharesen-dahatra, ka nahazo fahalalana vaovao, raha nampisongadina ny soatoavina sy ny fomba amam-panao taloha... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...