♦ Ny Fanjakàna tokona hotronin'ny Faritra masi-mandidy no vahaolana fa tsy ny Fanjakàna Federaly hoy ny MFM. Nambaran'ny avy amin'ity antoko ity fa tsy sambany no nisy fivoizana fizarazaràna eto... ♦ Manambana hanao fitokonana faobe ireo sendikàn'ny mpiasa eo anivon'ny CNaPs. Mitaky ny hamoahana ireo namany nogadraina ao anatin'ny 48 ora izy ireo, omaly... ♦ Sarona ny tambajotra mpaka an-keriny sy maka voamason'ireo zaza varira any Betroka. Olona 15 sy Zandary iray no efa nosamborin'ny mpiambina ny Filohan'ny Fanavaozana hatramin'izao... ♦ Tafakatra hatrany amin'ny 40°C ny hafanana ao Seoul-Corée du sud...
♦ Nomen'ny Fanjakàna ho ampiasain'ny FFKM hikarakaràna ny fikaonan-doham-pirenena ny Village Voara Andohatapenaka. Nanolotra tamin'ny fomba ôfisialy omaly tolak'andro io foto-drafitr'asa io, ny Minisiteran'ny Fanajariana ny Tany... ♦ Efa anatin'ny fisoratana anarana ny ankamaroan'ny sekoly amin'izao 1 volana mahery, mialoha ny fidiran'ny mpianatra izao. Misy efa mahatratra 60% ny taham-pisoratana anarana ho an'ny sekoly sasany... ♦ Nahitàna vato kristaly milanja 465kg tany amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro. Nosamborina sy hanaovana fanadihadiana ireo olona 3 nitondra io vato io...
• Natolotry ny fitondram-panjakana ho an'ny FFKM androany, mba hampiasaina amin'ny fikarakarana ny fikaonan-doham-pirenena, ny “Village Voara” eny Andohatapenaka... • Misedra olana goavana noho ny tsy fisian-drano ireo tantsaha any amin'ny Faritra Atsimo Atsinanana, ka nanaovan'Andriamatoa Randriamanantsoa Tabera antso avo amin'ny mpitantanana ny firenena mba handatsahana orana artifisialy... • Efa mirona any amin'ny fidiran'ny mpianatra ankehitriny ny sain'ny ray aman-dreny, na dia mbola ao anatin'ny fialan-tsasatra aza...
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
♦ Efa vonona tanteraka amin'ny fanaovana tantsoroka ny FFKM ny Minisitera misahana ny Fanavaozana. Hajoro tsy ho ela ny kômity teknika hiara hanomana ny fikaonandoham-pirenena, ka hanana solontena 6 amin'izany ny tanora hoy ny Minisitra Maître Hanitra Razafimanantsoa... ♦ Tsy miditra amin'ny ady hevitra amin'ny hisafidianan'ny vahoaka ny lalam-panorenana mifototra amin'ny rafitra Federaly sy ny Fanjakàna tokana ny antoko Fy-M. Mbola fanomezana vahana ny zarazarao hanjakàna izany... ♦ Nijoalajoala ny afo alina tao amin'ny tsenan'i Bazary-kely. Potika 90% ity tsena ao Toamasina ity...
---/... Tazana sy tsikaritra ny zoma teo fa niova fomba fiakanjo ny ankamaroan’ny mpiasam-panjakàna nande niasa. Tsy inona ny antony mahatonga izany, fa mihatra manerana ny nosy ilay didim-panjakana noraisina nandritra ny filankevitry ny ministra ny tapaky ny volana jolay teo, momba ny tokony hanaovan’ny mpiasam-panjakàna tsy an-kanavaka ny fitafy maha malagasy isaky ny andro zoma, afatsy ireo misehatra amin’ny sokajin’asa tsy ahafahana manao izany, toa ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana ohatra...
♦ Nofaranana tamin'ny sabotsy teo ny fikaonandohan'ny tanora sehatra Nasiônaly. Natolotra ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ny fehin-kevitra tamin'ny dinika nandritry ny 3andro. Hodinihana amin'ny Fikaonandoham-pirenena ny hevitra natolotry ny tanora momba ny Fanjakàna Federaly sy Fanjakàna tokana... ♦ Hisokatra amin'ny hery velona rehetra ny dinika pôlitika hotanterahana eto Madagasikara. Santatra ihany ny fihaonana tamin'ny Filoha roalahy teo aloha... ♦ Nampahafantatra ny vokatry ny fanadihadiana tamin'ny fisavàna natao tamin'ny toerana fivorian'ny fikambanana miafina iray ny teo anivon'ny Fitsaràna...
♦ Nilaza ho tsy afa-po tamin'ny fandaminana ny fikaonandohan'ny tanora natao tety Ivato ireo avy amin'ny Gen-Z, nandray anjara betsaka tamin'ny tolona teto amin'ny Firenena... ♦ Namoraina ny fandoavana onitra ho an'ireo tompon'ny tany sy trano tsy maintsy horavàna noho ny tetik'asam-panjakàna. Hivoaka tsy ho ela ny didim-panjakàna momba izay hoy ny Ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola... ♦ Mikarakara fakàn-kevitra isam-paritra ny Vondron'ny Mpanabe Mijoro manomboka tamin'ity herinandro ity, hanavaozana ny rafi-panabeazana eto Madagasikara. Hitety Faritra izany hetsika izany, atsy ho atsy...
Alahady 02 aogositra 2026. Alahady faha-18 mandavantaona — A — Ray aman-dreny Andriamanitra, fa mpamelona ara-nofo sy ara-panahy. Aleloia. Aleloia. Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. Aleloia. Antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be fitiavana; tsara amin’izao rehetra izao ny Tompo, ny asany rehetra angorahany. Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo, tsara fo amin’ny asany rehetra; ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy, dia ireo izay miantso Azy marina...
Misy retsika mandray ny fanaintainana (recepteur de douleur) manaraka ny lalan-dra ao amin'ny karan-doha sy ny fonon'ny atidoha (meninge) ka raha misy zavatra manelingelina lalan-dra amin'io faritra io dia eo no hahatsapana ilay hoe "Marary loha. Tsy tokony hamaivanina ity aretina ity mampanaintaina ny loha, ary tsy tokony hihinana fanafody tsy nahazoana toromarika avy amin'ny mpitsabo. Misy tranga hafa mikasika ity aretina ity izay maneho sy fambara aretina hafa... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Mandrahona hidina an-dalambe ireo tanora eo anivon'ny Gen-Z, raha mitohy ny fanao teo aloha. Nivoaka tamin'ny fahanginana indray izy ireo, omaly... ♦ Natomboka omaly ny fametrahana ny foto-drafitr'asa goavana Fly-Ouver eny amin'ny tetezana Anosizato. Haharitra 24 volana ny asa, handaniana vola maherin'ny 128 miliara Ariary... ♦ Mihatra amin'ny fandraisan-karama manomboka ny faran'ny volana teo ilay fisondrotan-karama 14 % ho an'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina... ♦ Mandrahona ny hampiato ny fisitrahan'i Espagne ny Espace Schengen ny vondrona Erôpeana, manoloana ny krizin'ny fifindra-monina any an-toerana...
Ny Tenin'Andriamanitra dia misy fomba maro ny fanakarana azy, mety ho amin'ny alalan'ny fandinihana isan'andininy, anefa rehefa vakiana miaraka amin'ny Fanahin'i Kristy dia manokatra ny saina ary fahafahana mamantatra kokoa izay hafatra fonosiny. Nanomboka ny taona nanjakan'i Radama-II no nidiran'ny "Mena maso" teto Madagasikara ; ny hoe "Mena maso" dia niantsoana ny "Franc-Maçon". Misy sokajiny ny "Mena maso" : misy ireo mino an'Andriamanitra, misy ireo manompo an'ny satana... Ilaina ny fiombonana sy firaisan-kina hirosoana amin'ny fikaonan-doha.Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco