• Hoentina amintsika ny akon'ireo hetsika samihafa nentina nanamarika ny datin'ny 14 ôktôbra, nijoroan'ny Repoblika Malagasy... • Nanatanteraka hetsika manoloana ny olana ara-tany ny Fikambanan'ny Tantsaha Faharetana, na FITAFA, ao Morarano Arivonimamo... • Manana fahaiza-manao tsy azo tsinontsinoavina amin'ny fikarohana ataony ny tantsaha mpamokatra, rehefa omena azy ny fahafaha-manao momba izany. Nivoitra izany nandritra ny dingana famaranana tamin'ny fifaninanana TSINJORANO, natao teny amin'ny CFAMMA Nanisana...

♦ Nosokafana tamin'ny alalan'ny matso nataon'ny foloalindahy ny fankalazana ny faha-68 taona nijoroan'ny Repoblika Voalohany, hotohizana amin'ny fametrahana fehezam-boninkazo eny amin'ny tsangambato fahatsiarovana sy ny fitsidihana ny tranon'ny filoha teo aloha Philibert Tsiranana izany... ♦ Distrika telo no nahitana tranga voamarina ny aretina pesta dia ny ao Ankazobe, Anjozorobe ary Ambohimahasoa hoy ny fampitam-baovaon'ny MinSan... ♦ Sazy an-tranomaizina 4 taona miampy lamandy 20 tapitrisa ariary sy onitra 1 miliara ariary no nomen'ny Fitsaràna an'i Tahina Bonheur et Loyauté, noho ny fanevatevana olom-panjakàna...

♦ 14 oktobra 1958 : Feno 68 taona anio ny nitsanganan'ny Repoblika Voalohany, any Antsohihy, Faritra Sofia no ivon'ny fankalazana... ♦ Vokatry ny loto no nahatonga ilay fahapoizinana nahazo ireo tanora mpiasa tamin'ny orinasa KONECTA teny Alarobia sy Ambohimangakely araka ny valin'ny fitiliana natao... ♦ Namoahan'ny Fitsaràna didy fikarohana (Avis de recherche) ireo teratany Sinoa miisa 11 tafavoaka antsokosoko teny amin'ny Fonjan'Avaradrano... ♦ Nanao fanambaràna ny handefa hiraka hivondronan'ny sivily sy miaramila hanamafy ny fahaiza-manaon'ireo tafika Libanaises ny vondrona Eoropeanina...

Ny aina dia tsy fanomezana fotsiny fa fanomezana feno fahasoavana. Tsy noho ny fahamendrehan'ny olombelona no nahazoany aina fa noho ny hatsaram-pon'Andriamanitra. Ny hatsaran'ny aina dia tsy miankina amin'ny fahombiazana, ny fahasalamana ny hatsararan-tarehy fa amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

• Hanamarika ny fetin'ny fanafahana ny Malagasy, rahampitso 14 ôktôbra. Mijanona ho andro fiasana anefa ny rahampitso, araka ny fampitam-baovao avy amin'ny Primatiora... • Naneho hevitra momba ny fanadihadiana natao amin'ny fampiharana ny fanomezana taratasy miantoka ny maha ara-biolojia ny vokatra ara-pamokarana ho an'ny tsena eto anatiny ny mpisehatra androany... • Mandray anjara amin'ny asa fanadiovana ny tanana, ho fiarovana ny tontolo iainana eto an-drenivohitra, ny Orange Madagasikara. Misy ny hetsika “Tanana madio”, tanterahana nanomboka ny 8 ôktôbra lasa teo, hatramin'ny androany, tamin'ny tanana samihafa...

♦ Mandray ny fanamarihana ny faha-68 taonan'ny Repoblika voalohany ny any Antsohihy manomboka ny maraina teo. Efa any an-toerana manatrika hetsi-pankalazana ny Kôlônely Michaël Randrianirina... ♦ Mbola resa-be fotsiny hatramin'izao ny ady amin'ny kolikoly fa tsy misy fanatanterahana, hoy ny  solombavambahoaka Antoine Rajerison. Nambarany fa ny mpitondra no tokony ohatra voalohany amin'izany... ♦ Hikatona amin'ny 16 oktobra izao ny fanjonoana sy fivarotana drakaka manerana ny tanin'i Repoblikan'i Madagasikara. Miantso ireo mpandraharaha handray fepetra amin'ny tahiriny ny Minisiteran'ny jono sy ny toe-karena...

Ny "andriana" avy amin'ny teny sanscrite midika hoe "ambony" na hoe "voalohany". Ny maha andriana dia tsy mifototra loatra amin'ny volon-koditra na toetry ny volo, fa amin'ny toetra amam-panahy kosa; ny andriana dia olona ambony manana ny hajany sy fahefana, iankinan'ny olona maro, to teny. Ny nipoiran'ny andriana dia avy any India, nanodidina ny taonjato faha-XVI. Tamin'ny taonjato faha-XVIII no nidiran'ny Andriana teto Madagasikara tany amin'ny faritr'i Maroantsetra. Ny faritra sy foko maro eto Madagasikara dia samy ahitana andriana. Ankehitriny dia amin'ny alalan'ny fanomezana mari-boninahitra no hanomezana haja olona...

♦ Nolavina indray ny fangatahan'Andriamatoa Mamy Ravatomanga fahafahana vonjimaika amin'ny fidirana am-ponja atsy amin'ny Nosy Maorisy. Anisan'ny nambaran'ny BRC nandavana izany ny ahiahy hitsoaka... ♦ Hanomboka anio ny fanamarihana ny faha-68 taonan'ny Repoblika voalohany any Antsohihy, mialohan'ny fidinan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika any an-toerana, rahampitso 14 oktobra... ♦ Namoaka fehin-kevitra iraisana ny Minisiteran'ny fanabeazam-pirenena sy ny vovonan'ny sekoly tsy miankina momba ny fampiharana ny fandaharam-pibeazana vaovao, taorian'ny dinika niarahana omaly...

Andriamanitra no Mpamorona sy Loharanon'ny aina rehetra. Ny aina dia fanomezana avy amin'Andriamanitra fa tsy fananan'ny olombelona, isan'ny isehoan'ny fahasoavana sy ny hatsaran'Andriamanitra. Ny ain'olombelona dia masina, ary tsy azo sarahina amin'ny Andriamanitra izany hasiny izany... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

• Efa miomana amin'ny fankalazana ny 14 ôktôbra ny any Antsohihy, saingy mitsipaka izany ny Fiverenana amin'ny Andoharano... • Hitazona ny fandaharam-pibeazana vaovao ny sekolim-panjakana. Malalaka amin'ny safidny, etsy ankilany, ny sekoly tsy miankina... • Tsy nahazo rariny amin'ny fangatahana fahafahana vonjimaika teo anivon'ny Fitsarana Tampony atsy amin'ny Nosy Maurice, Andriamatoa Ravatomanga Mamy...

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

♦ Teratany sinoa 11 no navoaka antsokosoko teny amin'ny fonjan'Avaradrano, voamarina taorian'ny fitsirihana natao teny an-toerana. Nandray fepetra ny eo anivon'ny fandraharahana ny fonja... ♦ Tsy voatery hahazo toerana vao afaka mandray anjara amin'ny fanavaozana ifotony ny firenena, raha ny hevitry ny antoko Monimà. Nikarakara velan-kevitra, nitondrana vahaolana ity antoko ity ny faran'ny herinandro teo... ♦ Mbola hitohy amin'ny dinika amin'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ilay hetsiky ny sekoly tsy miankina isaky ny Cisco ny zoma teo. Mitondra fanazavana momba izany ny filohan'ny fitaleavam-pirenen'ny sekoly tsy miankina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...