Alahady 27 septambra 2026. Alahady faha-26 mandavantaona — A — Ny toky fitaka, fa ny atao no hita. Aleloia. Aleloia. Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo. Tsy misy afaka mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Aleloia. Mila asa manamarina azy ny teny tsara nolazana na ny teny fampanantenaina. Afaka miala amin'ny ratsy ny olona ary afaka maneho "ENY" amin'ny fihetsika sy ny fiovana anaty. ilaintsika ny lamesa satria mandritra io fotoana io no hihainoantsika an'Andriamanitra sy handraisana hery avy aminy...

Ny crampes dia fihenjanan'ny hozatra tsy ninihana, tampoka ary maharary, izay mikasika hozatra iray na vondron'ny hozatra. Mety hahazo ny hozatra rehetra ny crampe, fa matetika indrindra izy miseho amin'ny faritry ny rantsambatana ambany, indrindra amin'ny ranjo, ny valahana ary ny tongotra. Matetika miseho rehefa amin'ny fotoana fialana sasatra ny crampe, matetika amin’ny alina, na rehefa avy nanao ezaka ara-batana tsy mahazatra. Mifandray amin’ny fahatairan'ny hozatra sy ny nofo izy ity, ka mampikainkona ny hozatra tampoka tsinahy... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Resy ny Barean'i Madagasikara tamin'ny lalao voalohan'ny fifanitsanana ho an'ny CAN 2027. Lavon'i Nigéria 02 no ho 01, tao amin'ny taniny ny ekipam-pirenena Malagasy... ♦ Notsarovana omaly ny fanombohan'ny tolona niongànan'ny fitondrana teo aloha ny 25 septambra 2025. Nahitàna hetsi-pahatsiarovana ny teto Antananarivo sy tany amin'ny Faritra... ♦ Miroso mankany amin'ny fanatanterahana dinika pôlitika eto amin'ny firenena ny VMFR. Nandrafitra sata fanoloran-tena ho any amin'ny dinika pôlitika izany ity vovonana ity... ♦ Tanora hatrany amin'ny 80.000 isa no nihaona tamin'ny Papa Léon-XIV tao Paris omaly hariva...

Razafimandimby Claude Joseph, nodi-mandry ny alahady 20 septambra 2026, olona niady sy nitolona ho an'ny fandriampahalemana sy ny ady amin'ny kolikoly. Ry kristianina sy mpino hafa manerana ny nosy sy any ivelany, fotoana fifohazana izao ary handinihantena sy hibebahana amin'ny lalan-dratsy, aoka samy hisaina ny didin'Andriamanitra sy ny fitsipika hifampifehezan'ny fiaraha-monina. Manasa ny rehetra mba hanatontosa ny andraikitra manandrify azy fa tsy hifampitsabaka. Tsara ny fifampiresahana manoloana ny olana maro lafy hampandrosoana ny Firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

♦ Miatrika ny lalao ifandonana amin'i Nigéria nanomboka ny hariva teo ny Barean'i Madagasikara... ♦ Notsarovana androany ny faha-herin-taona nanombohan'ny tolona, nirodanan'ny fitondràna teo aloha ny 25 septambra 2025... ♦ Naharafitra sata fanoloran-tena ho an'ny dinika pôlitika ny vovonana VMFR. Miisa 23 ireo antoko sy vondron'antoko ary fikambanana nanao sonia izany teny Antanimena androany... ♦ Manaiky ny hanokafana mandritry ny 7 andro ny fari-dranomasin'i Ormuz i Irana, hanampiana ny famatsiana solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena...

Mbola olana hoan’ny mpanao asa tanana vita amin’ny volibe na ny Bambou tsy ahafahan’izy ireo mivelatra eo amin’ny tsena iraisaisam-pirenena ny tsy fahampian’ny kalitao sy ny fenitra takiana amin’ny famokaran’izy ireo. Maro nefa ny firenena afaka mandray ny vokatra eto Madagasikara, toa an’i Seychelles sy La Reunion. Misy koa ireo manondrana any Eraopa...

Ny ho avy dia tsy zavatra andrasantsika fotsiny fa zavatra amboarintsika tsikelikely amin’ny zavatra ataontsika androany. Ny hoe tsy miandry fa mamorona dia tsy midika hoe mila mahavita zavatra lehibe avy hatrany fa mety ho fanombohana kely, mety ho fianarana zavatra vaovao, mety ho fizarana fahaizana, mety ho fanampiana olona iray, mety ho hevitra iray izay mbola kely androany, fa mety hitombo rahampitso. Afaka manomboka amin’ny fampiasana ny fahaizako hanampiana olona iray aho. Mety ho fizarana fahalalana, fampianarana zavatra haiko, fanampiana olona iray hanomboka tetikasa, na famoronana serivisy kely mamaha olana iray...

♦ Fakàna lesona ho an'ny mpitondra hoy Andriamatoa Navony Lenoble Pierre, ny zava-nisy tamin'ny taon-dasa hoy izy... ♦ Nodimandry i Kira Michel, fantatra amin'ny hoe " Maître Kira" izay kintan'ny baolina kitra teto Madagasikara... ♦ Tsy tokony hijanona amin'ny fanamiana Malagasy fotsiny ihany ny fanomezan-danja ny maha-Malagasy isaky ny zoma fa tsara raha hitarina amin'ny lafiny hafa, hoy Sy Ratolojanahary... ♦ Higadona afaka ora vitsivitsy any France, hanatanteraka famangiana apôstôlika ho an'io firenena io ny Papa Léon-XIV...

♦ Hotanterahina ao anatin'ny andro tsy fiasana ihany ny tsiahy ny tolona 2025, anio zoma 25 septambra 2026... ♦ Tsy tokony hisy ireo hitompon-teny fatratra ho tompon'ny tolona 2025, hoy i Soja Fulgence filohan'ny fikambanan'ireo olona manana toe-tena varira eto Madagasikara... ♦ Hiroso amin'ny fanavaozana ny fifanarahana fanafarana solika eto Madagasikara ny Fanjakàna. Hihatra manomboka amin'ny volana janoary 2027... ♦ Pretra iray maty ary olona efatra hafa naratra, vokatry ny tsatok'antsy nataona teratany Okraniana iray, 31 taona, tany amin'ny faritra iray any Pologne...

♦ Nampikorontana ny rehetra ny momba ny andro rahampitso, izay hahatsiarovana ny hetsika 25 septambra 2025. Niova andro tsy fiasàna nefa handraisan-karama ihany ny rahampitso, taorian'ny vaovao samihafa mifamahofao... ♦ Nandray fitenenana teo amin'ny Pilpiotran'ny Firenena Mikambana ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ny tolak'andro teo. Nataony tamin'ny teny Malagasy ranoray ny lahateniny... ♦ Misy indrokely ny resaka fidiovana sy fahadiovana eny amin'ny toby fiantsonana vaovao eny Amoronankona. Mitaraina ireo mpandeha mpampiasa ny toerana amin'ny tsy fahampian'ny trano fivoahana...

♦ .Tokony efa miova amin'izay ny fomba fifandraisan'ny mpamatsy vola sy ny Fanjakàna Malagasy ankehitriny hoy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana. Kely ny vola ampiasain'izy ireo noho ny tsy fahatokisana ny Malagasy tany aloha tany.. ♦ Vitsy ireo kaominina eto Madagasikara no afaka nampijoro ny Rafitra Ifotony Fikaonandoha takian'ny lalàna. Nanao tombana momba izany ny firaisamonim-pirenena MSIS Tatao... ♦ Mivoatra mamokatra mitodika amin'ny tsena ankehitriny ny kaoperativa Tambatra any Andapa Faritra Sava noho ny tohana nataon'ny fandaharan'asa Asa Avotra Mirindra...

Ny manana faharanitan-tsaina dia olona mety ho tompon-toerana fotsiny ; ny olona manana rafi-tsaina no tompon'andraikitra, ireo anefa dia afaka mifameno. Ny fanabeazana dia fanomanana olona ho tompon'andraikitra izay mitereka vokatra tsara izay tena fahavanonana ; fa ny fitaizana kosa dia fampitàna fahalalana ho tonga fahaizana mba hatonga azy hahazo asa na toerana. Eo amin'ny 15 taona eo no fametrahana rafi-tsaina ao amin'ny olona iray. 11 hatramin'ny faha-15 taona no misokatra ny maha izay ny olona iray, koa eo no tena ilàna fifankahazoana sy fifampiresahana, ary hamantarana ny safidy sy talenta ao amin'ny zanaka... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...