♦ Hifidy izay ho solontenany handrafitra ny Fitsaràna Avo momba ny  Lalàm-panorenana ny eny amin'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Nametra-pialana amin'ny maha mpanolontsaina avo azy Andriamatoa isany Georges Merlin Nandrasana sy Noelson William... ♦ An-jatony ireo orinasa afak'haba eto Madagasikara no tsy manaja sy tsy manana sata ara-dalàna amin'ny maha orinasa azy ka tsy maintsy handraisana fepetra hoy ny MInistry ny Indostria... ♦ Atahorana indray ny ho avin'ny CNaPs hoy ny Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa. Miverina indray ny fomba tsy nety fanao teo aloha amin'ny fitantanana ny vola ao aminy...

♦ Nametra-pialana io maraina io, ireo mpanolontsaina Avo roa misolontena ny Antenimieram-pirenena eo anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana... ♦ Fitaovana entina manatsara ny fanangonan-ketra sy hampitombo ny fidiram-bolan'ny Fanjakàna ny Registre Centrale des Bénéficiaire effectifs (RCB)... ♦ Noravaina andian'olona nisaron-tava vao maraimbe omaly talata 16 jona ny kianja Barça 67 Ha, nilaza ho tsy tompon'antoka tamin'izany ny fitondram-panjakàna ary nangataka ny hampitsaharana ny fandravana... ♦ Hitsidika ny foiben'ny PAM, ao Rome, ny Papa Léon-XIV, amin'ny alatsinainy ho avy izao...

Ny volana jona dia volana manasaka ny taona ; iray volana hanajàna ny Fo Masin'i Jesoa ; Volana JONA dia iray volana ho an'ny ankizy ; Volana hanaovana ny fanadinana famindrana kilasy ; Volana hanombohan'ny fanadinam-panjakàna ; Volana hanandratana ny teny Malagasy izany hoe iray volan'ny teny Malagasy ; Volana misy andro iray momba ny MOZIKA sy ny KOLONTSAINA ; Volana hankalazana ny niverenan'ny fahaleovantena ho an'ny Firenena Malagasy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Tsy tokony hihoatra ny herinandro ny fivoahan'ny valim-panadinana CEPE saingy miankina amin'ny fari-piadidim-pampianarana tsirairay anefa izany hoy ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Namaly ny tsikera mahazo ireo solombavambahoaka ho mpananga-tanana fotsiny fa tsy mandinika ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna ny filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Nohafahan'ny Fitsaràna ireo mpitsabo miisa enina, raha voasazy 18 volana an-tranomaizina sy handoa onitra 6.000.000 Ariary ilay mpampily ny fiara nitarika ny loza nahafaty ny solombavambahoaka Jean Jacques Rabenirina...

• Nizotra tamim-pilaminana ny fanatanterahana ny fanadinana CEPE manerana ny nosy androany. Nisafidy ny tao amin'ny EPP Andoharanofotsy, CISCO Antananarivo Atsimondrano, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny fanadinana... • Mila faritana mazava tsara ny tanjona kendrena amin'ny fikaonandoham-pirenena, hoy ny antoko Fy-M. Mila atao mazava koa ny anjara andraikitry ny Minisiteran'ny Fanavaozana sy ny FFKM, hoy izy ireo, fa tsy hatsipy any amin'ny Fiangonana ny baolina rehefa misy ny olana... • Nafahan'ny Fitsarana ireo mpitsbo miisa enina, raha toa ka voasazy 18 volana an-tranomaizina sy handoa onitra 6 tapitrisa Ariary, ilay mpamily ny fiara nitarika ny loza, ka nahafaty ny Solombavam-bahoka Jean Jacques Rabenirina...

♦ Taranja 4 no vitan'ireo mpiadina ny fanadinana CEPE ho an'iny tapany maraina iny. Nizotra am-pilaminana izany tamin'ny ankapobeny nanerana ny nosy... ♦ Tsy tokony hihoatry ny volana Ôktobra ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena hoy ny SFDM. Nambaran'ny avy amin'ity antoko ity fa misy fifandroritana pôlitika ao, matoa tsy manomboka foana ny fakàn-kevitra... ♦ Novàna ny ampahany amin'ireo hetra alain'ny Fanjakàna anatin'ny volavolan-dalàna fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna 2026. Nohazavaina teny amin'ny Antenimieram-pirenena ny votoatin'izany, omaly...

Ny volana "Jona" dia iray volan'ny Teny Malagasy ; ho an'ny taona 2026 dia nanomana fifaninanana ny Foibe momba ny Teny an'ny Akademia Malagasy miaraka amin'ny Akademia Malagasy, mikasika ny "fanabeazam-boho ny teny. Tsy vitsy ankehitriny ireo voambolana ampiasaintsika Malagasy andavanandro, na izy ireny voambolana amin'ny teny vahiny na teny  ampiasaina saingy tsy mbola miaty ; tanjon'ity fifaninanana ity ny mba hanabeazam-boho ny Teny Malagasy...

♦ Hiatrika ny fanadinana CEPE anio ireo ankizy amin'ny kilasy T-5, amin'ny ambaratonga fototra. Mpiadina maherin'ny 583.000 isa no voasoratra anarana amin'izany... ♦ Mbola hisy ny fandatsahan'orana any Andekaleka hampiakarana ny famokarana herinaratra hiatrehana ny main-tany. Hihena alavitra noho ny tamin'ny taon-dasa ny delestazy ho an'Antananarivo hoy ny Tale Jeneralin'ny JIRAMA... ♦ Olomboafidy iray mitaky ny hanafahana olona any am-ponja noho ny raharaha omby very any amin'ny distrikan'i Mandoto... ♦ Nampanantena ny filoha Amerikana fa hisokatra tanteraka amin'ny zoma ny helodranon'i Ormuz...

• Hihena lavitra noho ny tamin'ny herintaona ny delestazy ho an'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo amin'ity taona ity. Mbola hotohizin'ny JIRAMA ny fandatsahana orana any Andekaleka, mba hmpitomboana ny famokarana herinaratra amin'izao fidirana amin'ny main-tany izao... • Miahiahy ireo antoko politika eto Madagasikara, ny amin'ny hoe hisy ihany ve ny fikaonandoham-pirenena amin'ity taona ity, sa tsia... • Nidina an-dalambe, nilanja sora-baventy nanakan-dalana teo amin'ny toerana manakaiky ny orinasa iasany, ny mpiasan'ny WKM etsy Andranomena androany...

♦ Hihamafy ny fiatraikan'ny haintany eto Madagasikara amin'ity taona ity : Efa mihomana sahady amin'ny fiatrehana ny mety tsy ho fahampian'ny famokarana herinaratra mandritra izany ny fitondram-panjakàna... ♦ Miisa 583.463 ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakàna CEPE ho an'ny rahampitso talata 16 jona manerana ny nosy... ♦ Tsy eken'ny fikambanan-dRelijiozy Capucin ny fametrahana eo amin'ny tanin'izy ireo ilay tsangam-bato fahatsiarovana ireo tanora namoy ny ainy nandritra ilay fety teny Ambohimalaza... ♦ Nahatsiaro sy naneho fiombonampo tamin'ireo lasibatry ny horohorontany tamin'ny 8jona, tany Philippines ny Papa Léon-XIV...

♦ Manomboka anio 15 jona hatramin'ny 20 jolay ny fahafahana manendry ireo mpikambana ao amin'ny vaomiera mpanao ny fanisana ny mpifidy eny ifotony (CNRE)... ♦ Miandry ny fandravonana ny angon-kevitra rehetra avy amin'ny Faritra ny firosoana amin'ny fifidianana izay ho mpikamban'ny birao ho an'ny holafitry ny mpanao gazety araka ny tapaka nandritra ny fivoriambe ho an'ny teto Analamanga ny faran'ny herinandro teo... ♦ Fisavana trano tetsy Tsarasaotra : Tambazotra mpisoloky anaty Internet ilay nosavaina, nanana fahazoan-dàlana hanao ny fisavana ireo mpitandron'ny filaminana tonga teny an-toerana...

♦ Miatrika fivoriambe tsy ara-potoana ny mpanao gazety manerana ny Nosy anio sabotsy 13 jona. Manatanteraka izany ny Faritra 24 ny fivoriana, miaraka amin'ny lahadinika mitovy... ♦ Mbola tsy tontosa tamin'ity herinandro ity aloha ny fananganana ilay kômity teknika hisahana ny tantsoroka amin'ny fikaonandoham-pirenena hotarihin'ny FFKM... ♦ Misy amin'ireo sekoly no anio vao hizara ny taratasy fiantsoana amin'ny fanadinana CEPE, izay hotanterahana amin'ny talata 16 jona 2026 ho avy izao... ♦ Manameloka ireo sampam-pitsikilovana vahiny izay ambarany fa mampiasa soka-dranomasina entina mitsikilo ireo vaovao saro-pady i Beijing...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...